Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Namanao i Jehovah: Hira Famantarana

Ataovy Namanao i Jehovah: Hira Famantarana

Haka:

  1. 1. Namako anie Jehovah.

    Mampianatra ahy foana izy,

    Manampy ahy isan’andro,

    Nef’izaho anie mbola ankizy.

    Tsy manadino ahy mihitsy izy,

    Mpinamana izahay.

    Tiako foana i Jehovah,

    Dia tiany aho mandrakizay.

  2. 2. Mba tiako anie i Jehovah,

    Dia ’zaho koa tena tiany.

    Rehefa mivavaka aho, dia...

    Dia henoiny sady ampiany.

    Hiezaka ho hendry tsara aho,

    Ho faly izy am’izay.

    Tsy foiko anie Jehovah,

    Tsy foiny aho mandrakizay.