Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hivavaka ho An’iza Aho?

Hivavaka ho An’iza Aho?

Haka:

  1. 1. Tian’i Jehovah aho raha mahatsiaro

    Hoe ny olon-kafa ange

    Mba mety hisy adin-tsaina maro,

    Ka ’ndeha hivavaka aho hoe:

    “Ampio ’zay mitomany irery,

    Tahio ry Dada sy ry Neny.

    Dia mba omeo fanantenana

    ’Reo ’zay any am-pigadrana.”

    Fa hisaintsaina aho aloha

    Hoe mety ho iza no

    Sahirana any ho any

    Ka mila fanampiana androany.

    Rehefa mivavaka aho,

    Izy ireny hotsaroako.

    Hohenoin’i Jehovah izany,

    Satria tena avy any am-poko.