Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Zandrikelinay Iray

Ilay Zandrikelinay Iray

Haka

  1. 1. Ialahy hotrotroiko,

    Raha vao teraka eo i Neny.

    Ialahy tena tiako,

    Dia ’zaho tsy hasiaka raha miteny.

    Rehefa sendra miadiady

    Handefitra aho satria zokivavy.

    Dia matokia sy mifalia

    Fa ialahy:

    (FIVERENANA)

    Manan-joky anankiroa;

    Dada sy Neny eo ihany koa.

    Dia i Jehovah ’lay Namantsika

    Hanoro hatrany!

    Ka tsy andrinay erỳ ’zany!

  2. 2. Ialahy mbola hampianay

    Ho tia an’i Jehovah izao!

    Ialahy hizaranay

    ’Zay kilalao tianay ’ndrindra ao.

    Tsy hanjakazaka aho fa ’zaho no zoky

    Fihiniko ialahy am’zay matoky

    Hoe ’zay ange tena tia be

    Ka ialahy:

    (FIVERENANA)

    Manan-joky anankiroa;

    Dada sy Neny eo ihany koa.

    Rehefa teraka ialahy,

    Hoharabainay satria tonga am’izay

    Ny zandrikelinay iray!