Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah, dia Izaho sy Neny

Jehovah, dia Izaho sy Neny

Haka:

  1. 1. Manao raharaha sy mahandro

    ’Zahay sy neninay;

    Kanefa koa isan’andro,

    ’Zao no fanaonay:

    Mivavaka izahay

    Dia mamaky andinin-teny,

    Ka tsy mifankafoy ’zahay telo:

    Jehovah dia ’zaho sy Neny.

  2. 2. Fotoananay sy Jehovah

    Alohan’ny hatory,

    Dia mamaky Baiboly,

    Tsy hadino akory!

    Ny nataon’i Timoty

    No tena tiako hatao modely,

    Satria ’zaho na kamboty, ’zahay tsy irery:

    Jehovah, dia ’zaho sy Neny.

    (Famaranana)

    Inona re no mba valim-babena?

    Hiezaka aho ho zaza hendry!

    Sady i Jehovah no mba dadako hatramin’ny ela. Dia tiako foana:

    Jehovah dia ’zaho sy Neny.