Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanetry Tena sy Vonona Hankatò i Maria

Nanetry Tena sy Vonona Hankatò i Maria

Haka:

  1. 1. ’Ndray andro izay tao Galilia,

    Tanàna nisy an’i Maria,

    I Gabriela, ilay anjely,

    Nitondra hafatra hafakely:

    ‘Jehovah no nifidy anao

    Hiteraka an’ilay Mesia!’

    Na taitra sy natahotra aza,

    Dia nanaiky ihany i Maria.

     

    ’Zay nolazaina rehetra nohenoiny,

    Dia nosaintsaininy tao am-pony.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho koa te ho hendry,

    Te hanetry tena,

    Dia ho vonona hankatò satria

    Tiako ny hampifaly ny fon’i Jehovah,

    Tiako ny hoatran’i Maria.

  2. 2. Jehovah nanao fahagagana,

    Satria Jesosy dia novany

    Mba ho ao an-kibon’i Maria,

    Ho zaza hateraka eto an-tany.

    Fa tranon’omby tao Betlehema,

    Tao no nitranga izay voalaza.

    Dia notezaina sy nolalaina,

    Ka nihalehibe teny ilay zaza.

     

    Tsy mora ihany izany kanefa,

    Niezaka foana i Maria sy Josefa.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho koa te ho hendry,

    Te hanetry tena,

    Dia ho vonona hankatò satria

    Tiako ny hampifaly ny fon’i Jehovah,

    Tiako ny hoatran’i Maria.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho koa te ho hendry,

    Te hanetry tena,

    Dia ho vonona hankatò satria

    Tiako ny hampifaly ny fon’i Jehovah,

    Tiako ny hoatran’i Maria.