Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tantaran’i Jesosy

Ny Tantaran’i Jesosy

Haka:

  1. 1. Aleo tantaraiko anao:

    Jesosy efa talohan’ny masoandro

    No noforonin’ny Rainy.

    Dia nasainy ho etỳ an-tany,

    Hanasitrana sy hanao fahagagana,

    ’Zay hataony amin’ny hoavy.

    Nomeny mba ho antsika aza ny aina.

    (FIVERENANA)

    Dia nankatò, tsy nivadika hatrizay,

    Nafoiny hatramin’ny ainy.

    “Mpanjakan’ny mpanjaka” izay tena tia antsika,

    Hanova ny tany ho paradisa.

  2. 2. Any an-danitra izy izao,

    Fa mpanjaka izy ary hitohy ny fanjakany,

    Dia ho tonga eto an-tany.

    Fiadanana no hanjaka haneran-tany.

    (FIVERENANA)

    Tia nankatò, tsy nivadika hatrizay,

    Nafoiny hatramin’ny ainy.

    Raha hendry ianao, dia ho azonao ’lay andrasantsika:

    Handova ny tany paradisa.