Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aleo Tsotra Ihany

Aleo Tsotra Ihany

Haka:

  1. 1. Toa mamiratra izay jerena,

    Nefa efa fantatro io fa hafetsena.

    Raha hasambarana no antenaina,

    Ny fahafahanao gejainy.

    (FIVERENANA)

    Tsy aleo ve tsotra e?

    Dia afa-po amin’izay eo.

    Aleo tsotra e, dia tsy ho fay.

    Fa io raha tsotra e,

    Ho faly ianao fa jereo.

    ’Zay ilainao ’nie dia hain’ny Ray.

  2. 2. Raha misy trano azo atoriana,

    Ary sakafo sy fitafiana,

    ’Ndao re isika mba hianina amin’izany,

    Dia hilamin-tsaina sy ho tony hatrany.

    (FIVERENANA)

    Tsy aleo ve tsotra e?

    Dia afa-po amin’izay eo.

    Aleo tsotra e, dia tsy ho fay.

    Fa io raha tsotra e,

    Ho faly ianao fa jereo.

    ’Zay ilainao ’nie dia hain’ny Ray.

    (TETEZANA)

    ’Zay ho rahampitso ’nie tsy hay,

    Fa Jehovah tsy handao na oviana.

    Izy tia sy miahy toy ny ray,

    Vatolampy azo itokiana,

    Hanome fitahiana!

  3. 3. Ny fiainanao raha toa ka tsotra foana,

    Ianao ho maivana eny mandavan-taona,

    Hahavita hifantoka amin’ny fanompoana

    Satria tsy hoe roa no indray tompoina.

    (FIVERENANA)

    Tsy aleo ve tsotra e?

    Dia afa-po amin’izay eo.

    Aleo tsotra e, dia tsy ho fay.

    Fa io raha tsotra e,

    Ho faly ianao fa jereo.

    Tazòny ho tsotra e!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao atao tsotra e!

    Dia ’zay misy eo no ifaliana,

    Mba tsy ho maro be no indray ahina.

    Dia tadidio hoe

    Jehovah eo lalandava,

    Ary izy hanome izay sahaza!