Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Aleo ve mba Miato Kely?

Tsy Aleo ve mba Miato Kely?

Haka:

  1. 1. Sambatra be isika e! ’Zao mihitsy anie no ilaina!

    ’Zay nandreraka fo mba hadino aloha, dia mizara hafaliana.

    Tsara erỳ ’zao alina izao, mety tsara hakana saina,

    Handinihana ireo fitahiana maneho hoe ny Ray ’nie be fiahiana.

    (FIVERENANA)

    K’aza dia variana ao foana, manokàna fotoana

    Mba hialana amin’ny rotoroto isan’andro.

    Dia hahazo hery vao sy ho faly ianao raha miato kely,

    Mahay mankafy

    Ny asany etỳ.

  2. 2. Ny haizim-pito mandalo efa ho lava, m’tondra sorisory lalandava.

    F’isika tsy kivy mihitsy satria ny Ray tsy mba mitsitsy manome an’izay mahasoa.

    Ny asa tanany koa mampahatsiahy hoe Izy ’nie tena miahy.

    Velombelona erỳ rehefa mba mankafy, dia mahavita miaritra koa.

    (FIVERENANA)

    K’aza dia variana ao foana, manokàna fotoana

    Mba hialana amin’ny rotoroto isan’andro.

    Dia hahazo hery vao sy ho faly ianao raha miato kely,

    Mahay mankafy

    Ny asany etỳ

    Ny asany etỳ

    Ny asany etỳ.

    (FIVERENANA)

    K’aza dia variana ao foana, manokàna fotoana

    Mba hialana amin’ny rotoroto isan’andro.

    ’Zay rehetra hita eny, na tsotra kely, ankafizo,

    Dia ho tsaroanao

    F’Izy tia anao.

    (FAMARANANA)

    ’Ndao hiriaria, mba hankafy,

    Mba miala amin’ny mahazatra e!

    Ny sento sy tomany avelao ho any,

    Dia ’zay mahafaly anao

    ’Ndao mba zarao.