Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Revon’ny Androany

Aza Revon’ny Androany

Haka:

  1. 1. ’Zaho tsy hanara-drenirano

    Sahy miavaka amin’ny maro

    F’izany aloha tsy mora ihany.

    Raha ’zaho ’ndray tsy hanaiky hotefeny, toky fitaka anie ireny.

    Ny fiainana mantsy tsy izao ihany!

    (FIVERENANA)

    Dieny izao ny fiainanao

    Jehovah irery omena azy, dia tsy ho lavo ianao.

    Fa any aoriana any

    Ianao no hitsena an’ilay paradisa an-tany

    K’aza revon’ny androany, io ’nie mandalo ihany!

  2. 2. Raha tambazany asa tsara,

    Vola be na koa hoe fiara

    Ary halaza sy ho tafita,

    Dia ny herinao aza ariana any fa zava-poana mantsy izany

    Ny fiainana anie tsy izao ihany!