Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Tsara Indrindra no Omeko Anao

Izay Tsara Indrindra no Omeko Anao

Haka:

  1. 1. Raha ny faniriako, Jehovah, dia ny hanompo anao.

    Ka raha toa mbola miaina aho dia hanao izay azo atao.

    Ny Teninao ’ndeha hozaraiko, tsy hohazoniko irery.

    Dia ’zaho ho afa-po, moa ’zay mihaino ahy dia tsy mba ho very.

    Fa raha ny ato am-poko ato efa tia anao foana hatrizay,

    Dia tsy hiova aho fa hatoky anao foana, ho mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Ry Jehovah Raiko ô, ianao no hoderaiko,

    Ny voady nataoko dia tsy maintsy hefaiko.

    Dia vonona aho hanao izay sitrakao,

    Ka ’zay tsara indrindra, Jehovah, no omeko anao.

  2. 2. Foiko ho anao re, Jehovah, ny momba ahy rehetra,

    Ary omeko hanampiana ny hafa ’zay an’ahy, tsisy fetra.

    Raha hoe mitaraina izy ireo, ’zaho tsy handao sanatria.

    Ho afa-po sy ho faly aho, satria ’zay ilay hoe tena tia.