Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Vidy fa Sarobidy

Kely Vidy fa Sarobidy

Haka:

  1. 1. Nisento izy,

    Nangasihasy irery!

    Raha nahita

    ’Reo fanomezana hataon’ny olona eny!

    Lasa ny sainy:

    ‘Ny ahy ve dia mba hojereny?

    “Ho ekenao ve ry Ray

    ’Reto vola anankiroa kely?”’

    (FIVERENANA)

    ’Zao sorona izao,

    Na kely aza hoy ianao,

    Kely vidy io fa sarobidy!

    ’Zay rehetra afoinao ho azy,

    Dia minoa sahady:

    Efa tsara tahiry any ho any;

    Any ho any!

  2. 2. Fahizay izy

    Mba nahavita be tao,

    Fa nanan-katao,

    Nefa folaka andry niankinana izao!

    Ka ny azony omena:

    Dia ’zay fivelomany ihany.

    Jerena maivan-danja,

    Fa sitraky ny Rainy anie ’zany!

    (FIVERENANA)

    ’Zao sorona izao,

    Na kely aza hoy ianao,

    Kely vidy io fa sarobidy!

    ’Zay rehetra afoinao ho azy,

    Dia minoa sahady:

    Efa tsara tahiry any ho any;

    Any ho any!

    (TETEZANA)

    ’Zay ao am-ponao, na takona aza ao,

    Dia tsisy miafina amin’i Jehovah.

    Hainy izay hiezahanao.

    (FIVERENANA)

    ’Zao sorona izao,

    Na kely aza hoy ianao,

    Kely vidy io fa sarobidy!

    ’Zay rehetra afoinao ho azy,

    Dia minoa sahady:

    Efa tsara tahiry any ho any;

    Any ho any!

    Sarobidy io, tsy kely izany!