Mba Jereo Aho!
Haka:
1. Eh! Io findainao io,
Eo aloha mba piho.
Andao hikalo, hivazo, hifalifaly.
Dia ’zao koa: Mba jereo kely aloha,
Ny ao ve mahasoa?
Sao ’zay tsara indray no hafoinao. F’andao...
Andao indray aloha mba hiaraka aminay androany.
Apetraho iny, f’aza dia variana any.
(FIVERENANA)
Jereo aho!
Mba resaho
Sao mangina,
Fa ’sika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!
Mitrakà!
Miresaha!
Miangavy aho mba... Mba aoka io fa jereo ho’aho ’zaho!
2. Aiza? Aiza ianao no hahita
Namana hahavita
Hanampy ary hampitraka sy hiara-hisento?
Efa ireo, f’aza mba variana;
Jehovah ’nie no tiany,
Ka ’reo no aza atakalo na ariana. Mba saino:
Tsy aleonao ve mba miaraka amin’izy ireo androany?
Apetraho iny, f’aza dia variana any.
(FIVERENANA)
Jereo aho!
Mba resaho
Sao mangina,
Fa ’sika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!
Mitrakà!
Miresaha!
Miangavy aho mba... Mba aoka io fa jereo ho’aho ’zaho!
(HAINGON-KIRA)
Mba aoka io fa jereo ho’aho ’zaho!
(TETEZANA)
Aza manaiky adalain’iny.
Mety ho tsaho, na mety ho lainga no ho hitanao ao.
Ny tena fiainana anie tsy ao.
Tsy aleo indray ve mba atỳ? Avia, ka andao hiara-dia ’zao!
3. Eh! Jereo ’ndray atỳ!
Avia mba mankafy,
Andramo indray aloha ’zay tena mamy.
Tsiky, endrika sariaka,
Lalao na koa mozika,
Fiarahana mafana no miandry anao ka
Aza miondrika ao fa sao dia hanenenanao ’zany.
Apetraho iny, f’aza dia variana any!
(FIVERENANA)
Jereo aho!
Mba resaho
Sao mangina,
Fa ’sika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!
Mitrakà!
Miresaha!
Miangavy aho mba... Mba aoka io fa jereo ho’aho ’zaho!
Mba resaho
Sao mangina,
Fa ’sika rehetra anie fianakaviana.
Jereo aho!
Mitrakà!
Miresaha!
Miangavy aho mba... Mba aoka io fa jereo ho’aho ’zaho!