Namako Ianao
Haka:
1. Tsapanao ve? Andro farany ’zao, tsy mora ’tsony ny miaina.
Indrindra rehefa kivy ianao, dia namana no ilaina.
Nef’aiza aho no hahita namana hizarako an’zay manjo ahy?
Ny Baiboly aloha mazava ny lazainy:
(FIVERENANA)
Raha toa
Namana itokiana,
Azo itomaniana,
Tia amin’ny andro fahoriana;
Tsy mandao mihitsy
Fa vonona ny hanitsy,
Dia ho tiako foana, tsy mifidy taona.
Raha ’zay tian’i Jehovah àry no mba tianao,
Dia namako ianao.
2. Raha lavitra ny afo, tsy azo amindroana, fandrao sodokan’ny any.
Izay namana akaikin’ny fo antsoina. Izy eo foana, raha tomany.
Aza ravana ilay fihavanantsika fa ’ndao hifandray.
F’izany ihany no hitohy mandrakizay.
(FIVERENANA)
Raha toa
Namana itokiana,
Azo itomaniana,
Tia amin’ny andro fahoriana;
Tsy mandao mihitsy
Fa vonona ny hanitsy,
Dia ho tiako foana, tsy mifidy taona.
Raha ’zay tian’i Jehovah àry no mba tianao,
Dia namako ianao.
(TETEZANA)
Namana miahy,
Tsy hamitaka ahy fa tena tia an’i Jehovah.
Hizarana alahelo, hilazana tsiambaratelo,
Fa namako ianao.
(FIVERENANA)
Ianao
Namana itokiana,
Azo itomaniana,
Tia amin’ny andro fahoriana;
Tsy mandao mihitsy
Fa vonona ny hanitsy,
Dia ho tiako foana, tsy mifidy taona.
Raha ’zay tian’i Jehovah àry no mba tianao,
(FIVERENANA)
Ianao
Namana itokiana,
Azo itomaniana,
Tia amin’ny andro fahoriana;
Tsy mandao mihitsy
Fa vonona ny hanitsy,
Dia ho tiako foana, tsy mifidy taona.
Raha ’zay tian’i Jehovah àry no mba tianao,
Dia namako ianao.
Namako ianao.
Oo, Namako ianao.