Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiako Ianao Satria Rahalahiko

Tiako Ianao Satria Rahalahiko

Haka:

  1. 1. Mba saintsaino ange: Ianao tsy irery akory.

    Inty aho handray anao, ny tananao atolory.

    Ho namanao

    Tia anao,

    Ka tsy hanary anao,

    Fa tia anao.

  2. 2. ’Zao no tsarovy raha toa ianao tomany,

    Hoe misy havanao n’aiza n’aiza eran-tany.

    Jehovah izao

    No miaro anao

    Sy Ray miahy anao,

    ’Zay tia anao.

    (FIVERENANA)

    Tsisy hataon’ny Ray diso anjara,

    Na dia iray aza.

  3. 3. ’Zay misy anao, na dia sarotra aleha.

    Na any anaty ala, na nosy lavitra be.

    Ho hitanao

    Fa ho avy ao ireo rahalahinao,

    Hanampy anao.

    (FIVERENANA)

    Tsisy hataon’ny Ray diso anjara,

    Na dia hoe iray aza.

    (TETEZANA)

    Fa ’ty tontolo ity masiaka,

    Tsisy hoe fiahiana, tsy miantra antsika.

    Fa soa ihany isika misy miahy:

    Jehovah sy ’reo rahalahy.

  4. 4. ’Zao hoy Kristy: ’Nareo mifankatiava.

    Dia ’sika eran-tany mifankatia lalandava.

    Tsy irery ianao.

    ’Zaho tia anao. ’Zaho koa namanao.

    Fa tiako ianao.

    Fa tiako ianao.