Tsiky Iray
Haka:
1. Tononkalo sa tantara
No hanova izay inoany?
Sa ve sary tena tsara?
Hiraika ve ny fony?
Tena ilaina mihitsy ny miahy
Sy mba miezaka manampy.
’Ndraindray nefa tsiky ihany,
Izay dia efa ampy.
(FIVERENANA)
Tsiky iray no hanokatra ny fony.
Tsiky iray, ’zay kivy mba hitony.
Miomàna sy mivavaha aloha,
Dia aza hadino ’lay tsiky avy ao am-po.
2. Tsy mangoraka, tsy miantra, ny tontolo misy antsika.
Ao ireo mahery setra, mampahory sy masiaka.
Eny an-dalana eny misy mitanondrika mazàna.
Koa ampaherezo àry izy e, omeo fanantenana.
(FIVERENANA)
Tsiky iray no hanokatra ny fony.
Tsiky iray, ’zay kivy mba hitony.
Miomàna sy mivavaha aloha,
Dia aza hadino ’lay tsiky avy ao am-po.
3. Raha tsisy mba miraika, mba kivy ihany ianao,
Satria toa tsy mandaitra izay ezaka natao.
Misy aza toy ny hoe fo vato, ka manohitra avy hatrany.
Fa mety ho tsiky kely ihany dia ampy hanova izany!
(FIVERENANA)
Tsiky iray no hanokatra ny fony.
Tsiky iray, ’zay kivy mba hitony.
Miomàna sy mivavaha aloha,
Dia aza hadino ’lay tsiky avy ao am-po.