Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 154

Miareta fa Aza Kivy

Miareta fa Aza Kivy

(Matio 24:13)

  1. Ny finoako ve

    Mba mety hahatanty fahoriana?

    Toa an’i Kristy,

    Nahavita niaritra, nangina.

    Nantenainy, nandrandrainy

    ’Lay tena fifaliana.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Miareta na dia maro

    Ny olana mianjady.

    Jehovah mahatsiaro,

    Miareta hatr’amy faran’ilay ady.

  2. Taona nifandimby

    No nahitanay ny mangidy.

    Nitomany ihany,

    Nefa tsy niova ny safidy.

    “Paradisa, kely sisa!”

    ’Zay foana no tadidy.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Miareta na dia maro

    Ny olana mianjady.

    Jehovah mahatsiaro,

    Miareta hatr’amy faran’ilay ady.

  3. Atrakao ny loha

    Mba tsy ho resin’ny ankaso.

    Ny andron’i Jehovah

    Tena efa akaiky, taza-maso.

    Fitahiana ny ao aoriana,

    Tsy ho ela io fa andraso!

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Miareta na dia maro

    Ny olana mianjady.

    Jehovah mahatsiaro,

    Miareta hatr’amy faran’ilay ady.