Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra: Video

Hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mamaky teny sy mampianatra ireto video ireto.

LESONA 1

Mahaiza Mampidi-dresaka

Hihaino tsara anao ny olona raha mahay mampidi-dresaka ianao. Inona àry no azonao atao?

LESONA 2

Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao

Inona no azonao atao mba hahazo aina tsara ny olona iresahanao?

LESONA 3

Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Fanontaniana hoatran’ny ahoana no azo ampiasaina mba hahatonga ny olona ho liana, hanampiana azy ho resy lahatra, ary mba hanasongadinana ny hevi-dehibe?

LESONA 4

Mahaiza Mampiditra Andinin-teny

Inona no azonao atao mba ho vonona hihaino ny andinin-teny hovakinao ny olona sady tena handray soa avy amin’ilay izy?

LESONA 5

Aza Asiana Diso ny Vakiteninao

Mila ataontsika mafy tsara ny vakitenintsika sady tsy asiana diso. Inona no hanampy antsika hahavita an’izany?

LESONA 6

Hazavao Tsara Izay Andinin-teny Ampiasainao

Tokony hazava amin’ny mpihaino hoe nahoana ianao no mamaky andinin-teny iray. Inona àry no azonao atao mandritra an’ilay vakiteny sy aorian’izay?

LESONA 7

Zavatra Marina Foana Ampianarina

Inona no tokony hataonao mba tsy ho diso ny zavatra ampianarinao?

LESONA 8

Manaova Fanoharana Mandaitra

Manahaka an’ilay Mpampianatra Lehibe ianao, raha mampiasa fanoharana mandaitra. Inona no hanampy anao amin’izany?

LESONA 9

Mampisehoa Video na Sary

Inona no azonao atao rehefa mampiasa sary na video, mba hazava amin’ny olona ny lesona tianao hampianarina?

LESONA 10

Ovaovao ny Feonao

Hazava tsara ny hevitra resahinao sady hanohina ny fo, raha ovaovanao ny feonao sy ny hafainganany ary ny fomba itenenanao. Ahoana no hanaovana an’izany?

LESONA 11

Miezaha Hafana Fo

Raha miezaka hafana fo ianao, dia handrisika ny mpihaino hanao zavatra. Hanampy anao amin’izany ity video ity.

LESONA 12

Miezaha ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

Inona no azonao atao mba hampisehoana hoe tsara fanahy sy mangoraka ianao?

LESONA 13

Ataovy Hitany hoe Azo Ampiharina Ilay Hevitra

Inona no tokony hataonao mba ho azon’ny olona ny fomba hampiharana ny hevitra resahinao? Inona koa no hanampy anao handrisika azy ireo hanao zavatra?

LESONA 14

Ataovy Misongadina ny Hevi-dehibe

Ataovy misongadina ny hevi-dehibe rehefa mampianatra ianao. Hifantoka tsara ny mpihaino amin’izay, hahazo an’izay lazainao, ary hahatadidy an’izany.

LESONA 15

Asehoy hoe Tena Mino An’izay Lazainao Ianao

Ahoana no ampisehoanao hoe tena mino an’izay lazainao ianao, rehefa manao lahateny na rehefa eny amin’ny fanompoana?

LESONA 16

Miezaha Hiteny Zavatra Tsara sy Mampahery

Misy zavatra telo tokony hataonao raha te hiresaka zavatra tsara sy mampahery ianao. Inona avy izany?

LESONA 17

Ataovy Tsotra sy Mora Azo ny Fanazavanao

Inona no tsy tokony hataonao raha tianao hazava tsara amin’ny olona ny zavatra lazainao?

LESONA 18

Miresaha Zavatra Mahaliana sy Mahasoa

Inona no azonao atao mba hahaliana ny olona ny zavatra resahinao sady hahasoa azy?

LESONA 19

Miezaha Hanohina ny Fo

Ampio ny mpihaino mba ho antony tsara no mahatonga azy hankatò. Inona àry no azonao atao?

LESONA 20

Ataovy Mety Tsara ny Teny Famaranana

Ahoana no hahitana hoe mety tsara ny teny famaranana ataonao, na amin’ny anjaranao izany, na eny amin’ny fanompoana?

Mety ho Tianao Koa

BOKY & BOKIKELY

Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra

Natao hanampiana anao hahay kokoa hamaky teny sy handaha-teny ary hampianatra ity bokikely ity.