Eny, satria tian’Andriamanitra hiara-mivory mba hivavaka aminy ny olona. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.’—Hebreo 10:24, 25.
Hita tamin’ny tenin’i Jesosy fa hiaraka hivavaka amin’Andriamanitra ny mpanara-dia azy. Hoy mantsy izy tamin’izy ireo: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Tsy ho afaka hifankatia ny mpanara-dia azy raha tsy mifanerasera. Halamina ho lasa fiangonana izy ireo ary hiara-mivory tsy tapaka mba hivavaka. (1 Korintianina 16:19) Ho toy ny mpirahalahy daholo izy rehetra.—1 Petera 2:17.
Ampy ve ny hoe mivavaka ao amin’ny fivavahana iray?
Marina fa milaza ny Baiboly hoe tokony hiara-mivavaka amin’Andriamanitra ny olona. Tsy mampianatra anefa izy io hoe rehefa manana ny fivavahany ny olona iray dia efa mampifaly an’Andriamanitra. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana arahin’ny olona iray raha tsy misy vokany tsara eo amin’izay ataony isan’andro. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:27.