16 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Fahatsiarovana 2020: Afrika
Nalefa Mivantana Tamin’ny Tele sy Radio ny Fandaharana
Niavaka ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ity taona 2020 ity. Sambany mantsy ny lahatenin’ny Fahatsiarovana no nalefa mivantana tamin’ny tele sy radio tamin’ny fiteny be dia be, tany amin’ny faritra maro manerana an’i Afrika.
Mpitory 407 000 mahery sy olona liana maro hafa no afaka nijery ny lahatenin’ny Fahatsiarovana noho io fandaharana io. Olona 150 tapitrisa mahery no mipetraka any amin’ireo faritra nandefasana an’ilay fandaharana. Tsy fantatsika anefa hoe firy marina no tena nanaraka an’ilay izy.
Be dia be no nampiasa vidéoconférence maneran-tany mba hanatrehana ny Fahatsiarovana satria miparitaka be ny COVID-19. Lafo be anefa ny saran’ny fampiasana Internet any amin’ny faritra maro any Afrika. Tsy afaka nanaraka mivantana na naka ny video misy an’ilay lahateny àry ny ankamaroan’ny mpitory any. Nahazo alalana avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny sampana vitsivitsy any Afrika mba hanao fifanarahana tamin’ny tele sy radio maromaro any. Afaka nampita mivantana ny lahatenin’ny Fahatsiarovana tamin’ny vidiny mirary izy ireo noho izany.
Sampana 11 no nanao fifanarahana tamin’ny tele sy radio maromaro, talohan’ny Fahatsiarovana. Ireto avy izany: Angola, Bénin, Cameroun, Côte d’Ivoire, Ghana, Malawi, Mozambika, Repoblika Demokratikan’i Congo, Sénégal, Zambia, ary Zimbabwe. Nalefa mivantana tany amin’ny faritra 36 mahery, tany amin’ny firenena 16, ny lahatenin’ny Fahatsiarovana.
Angola
Radio enina no nanaiky handefa mivantana an’ilay fandaharana tamin’ireto fiteny enina ireto: Ibinda, kikongo, kimbundu, nyaneka, portogey, ary umbundu. Nalefan’ny radio tany amin’ny toerana anisan’ny be mponina indrindra any Angola ilay fandaharana.
Repoblika Demokratikan’i Congo
Nieritreritra ny mpianatra Baiboly iray hoe hijery ny lahatenin’ny Fahatsiarovana irery satria tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany. Rehefa niomana anefa izy dia ny dadany indray no niantso azy avy tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny hoe: “Efa manomboka ilay izy!” Gaga be izy rehefa niditra tao hoe efa teo daholo ny fianakaviany mba hijery an’ilay fandaharana amin’ny tele. Folo izy ireo no nanatrika ny Fahatsiarovana.
Nisy olona iray tsy Vavolombelona ao amin’ny tanàna eo akaikin’ny Luena niteny hoe: “Tsy nanao na inona na inona mihitsy ny pasiteranay. Fa ianareo mbola mivavaka foana na dia miparitaka aza ny COVID-19. Izahay hiaraka aminareo!”
Ghana
Nanaiky handefa mivantana ny Fahatsiarovana amin’ny teny twi ny televizionam-pirenena iray. Mbola nandefa ny fanasana olona hijery an’ilay fandaharana koa ilay tele. Nalefany koa ilay video hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy? sy ilay hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? ary ilay hirahira hoe Ilay Tontolo Vaovao sy ilay hoe Efa ao Ambadika Ao.
Sénégal
Hoy ny anabavy iray: “Tsy mampino hoe afaka nianatra momba an’i Jehovah tao amin’ny tele sy radio ny olona. Mahatsiaro ho faly sy sambatra izahay. Mirehareha izahay hoe i Jehovah no Andriamanitray!”
Hoy koa ny anabavy iray hafa: “Vao naheno aho hoe halefa amin’ny tele ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana dia hoy aho hoe: ‘Afaka manasa olona ihany aho na dia tsy afaka nizara fanasana aza izahay noho ny COVID-19.’ Tonga dia nantsoiko daholo ny olona ampianariko Baiboly sy ny olona tsidihiko ary ny olom-pantatro rehetra. Nilazako izy ireo hoe halefa amin’ny tele ilay fandaharana. Mpianatra Baiboly sivy no nijery an’ilay lahateny tamin’ny tele niaraka tamin’ny fianakaviany. Nijery an’ilay izy koa ny havanay mipetraka any Ziguinchor. Faly be aho rehefa niteny izy hoe mbola misy zavatra tiany hanontaniana.”
Hitantsika avy amin’ireny fandaharana natao ireny hoe hain’i Jehovah tokoa ny zava-drehetra.—Matio 19:26.