Hijery ny anatiny

Rahalahy iray any Italia, mampianatra Baiboly

26 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fomba Fitory Isan-karazany Mandritra ny Fiparitahan’ny Aretina

Fomba Fitory Isan-karazany Mandritra ny Fiparitahan’ny Aretina

Niova ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany, noho ilay aretina vaovao hoe coronavirus (COVID-19). Miezaka mafy izy ireo mankatò ny manam-pahefana nefa te hanohy hanompo an’i Jehovah ihany. Mampiasa fomba fitory hafa izao ny rahalahy sy anabavy any amin’ny firenena tena iparitahan’ilay aretina.

Hoy ny rahalahy iray any Pise, Italia: “Mahita vokatra be izahay! Ao an-tranony daholo izao ny olona, dia asesinay mivady ny olona rehetra ao amin’ny lisitry ny telefaoninay dia asainay manao vidéoconférence aminay. Afaka manompo ela be izahay sady mahafinaritra ny resakay satria be dia be ny mpianatra Baiboly sy ny fiverenana mitsidika ataonay. Mahita olona vaovao izahay na olona efa niresahanay taloha.”

Afaka nampiasa ny tranonkala jw.org sy ny programa JW Library matetitetika kokoa ny mpitory any Korea Atsimo, noho ilay aretina. Tsy nampoizin’ny rahalahy iray, ohatra, fa nandefa hafatra taminy ny olona iray nampianariny Baiboly. Efa telo taona izay io olona io no nijanona tsy nianatra. Nilaza izy hoe nahatonga azy hieritreritra ny famantarana ny andro farany ilay aretina. Nampiasa an’ilay hoe “Hizara Rohy” ao amin’ny JW Library àry ilay rahalahy mba handefasana fanazavana momba ny andro farany tany amin’ilay mpianany taloha. Nilaza io rahalahy io hoe mampahery azy “ny mahita hoe be dia be no lasa te hahalala kokoa an’Andriamanitra sy ny Baiboly satria miharihary be ilay famantarana ny andro farany.”

Hita avy amin’ny tatitra maro alefan’ny sampana maneran-tany hoe zava-dehibe amin’ny rahalahy sy anabavy ny fanompoana. Mahafinaritra ny mahita hoe tena “manam-pahendrena” izy ireo ka mahita fomba hitoriana foana!—Mika 6:9.

 

Mpiandraikitra ny faritra mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana, any Porto Rico

Anabavy mpisava lalana roa any Alemaina, manao vidéoconférence ary miaraka manoratra taratasy

Olona miara-mianatra Baiboly any Korea Atsimo

Mpivady any Frantsa, mitory an-telefaonina

Mitory an-taratasy ny anabavy iray sy ny zanany, any Hawaii