13 NOVAMBRA 2019
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Ny Taom-panompoana 2019 no Nisy Batisa Be Indrindra Tato Anatin’ny 20 Taona
Tena faly izahay milaza aminareo fa nisy 300000 mahery ny olona natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny taom-panompoana 2019. Izay vao nihoatra ny 300000 ny isan’ny natao batisa, taorian’ny 1999. Midera an’i Jehovah isika satria notahiny ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra nataontsika tamin’ny fo manontolo.
Tsy hay hadinoina ny fivoriambe iraisam-pirenena sy fivoahan’ny Baiboly vaovao tamin’ny taom-panompoana 2019. Niseho tamin’ny fomba isan-karazany koa ny finoan’ny rahalahy sy anabavy. Nisy, ohatra, nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina. Ireto ny sasany amin’ny tatitra maneran-tany: *
Tany Nanao Tatitra: 240
Mpanatrika ny Fahatsiarovana Eran-tany: 20919041
Tampon’isan’ny Mpitory: 8683117
Tontalin’ny Natao Batisa: 303866
Rehefa mahazo tatitra mampahery hoatr’izany isika, dia vao mainka te hanaraka ny torohevitr’i Jesosy Tompo, ao amin’ny andinin-teny ho an’ny taona 2020, hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ..., ka ataovy batisa.”—Matio 28:19.
^ Hivoaka tsy ho ela ao amin’ny jw.org sy ny JW Library ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 2019 manontolo.