Fitsidihana Betela
Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.
Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.
Afrika Atsimo
Fitsidihana
Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Ampirisihinay ianareo mba hanao famandrihana aloha be raha andro fety ilay andro tianareo hitsidihana.
Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.
Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.
Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”
Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”
Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.
Fampirantiana
Fitsidihana ny Tranon’ny Betela: Misy video maromaro hahitana ny asa atao ao amin’ny Betela sy ny fomba anohanany ny fanompoantsika.
Fitsidihana ny Fanaovam-pirinty Faha-2: Misy video maromaro manazava hoe zava-dehibe ny fandikana boky sy gazety ho amin’ny fiteny fampiasan’ny olona sy ny fanaovana pirinty azy ireny. Afaka mitazana an’ireo milina fanontam-pirinty avy eny ambony ny mpitsidika. Misy fampirantiana iray ao mitantara ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly amin’ny fiteny sasany any Afrika Atsimo.
Fitsidihana ny Fanaovam-pirinty Faha-3: Azon’ny mpitsidika tazanina avy eny ambony ny zavatra rehetra ao amin’ny toerana fandefasana entana. Azon’izy ireo jerena eo amin’ny efijery hoe halefa aiza ny entana efa ao anaty baoritra. Aseho ao koa ny video manazava ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny fandefasana entana ary ny famoahana raki-peo sy video.
Fanazavana Fanampiny: Misy bisy mitondra ny mpitsidika mankany amin’ny toerana samihafa hotsidihiny. Afaka mitondra sakafo antoandro ny mpitsidika ary mihinana an’izany eo amin’ny Toerana Fakana Aina ho an’ny Mpitsidika.
Adiresy sy Telefaonina