Fitsidihana Betela
Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.
Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.
Angola
Famandrihana Fitsidihana
Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Iangavianay ny mpitsidika rehetra, na firy izy ireo na firy, mba hanao famandrihana alohan’ny hahatongavany, amin’izay dia tsy ho be loatra ny mpitsidika sady ho afa-po daholo. Ataovy herinandro mialoha, fara fahakeliny, ny famandrihanao. Tokony hatao aloha be ny famandrihana raha andro fety ilay andro tianareo hitsidihana.
Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.
Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.
Ahoana no fanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hamandrika Fitsidihana ho An’olona Latsaka ny 10”, raha tsy ampy 10 ny isanareo. Mandefasa kosa hafatra amin’ny InboxBTHLTourDesk.AO@jw.org raha te hamandrika ho an’olona 10 na 10 mahery ianao.
Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”
Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.
Fitsidihana
Mampiavaka azy
Manara-maso ny fandikana boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny folo, anisan’izany ny tenin’ny tanana angoley. Miandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy mandefa boky sy gazety any amin’ny fiangonana 2 539 mahery any Angola.