Fitsidihana Betela
Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.
Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.
Brezila
Famandrihana Fitsidihana
Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra.
Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra mantsy ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro.
Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Iangaviana ianao mba ho tonga antsasak’adiny mialoha an’ilay fitsidihana, fara fahatarany.
Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”
Azo ovana na foanana ve ny famandrihana? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”
Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.
Fitsidihana
Fijerena Fampirantiana: Tsy Misy Mitarika
Ny Baiboly sy Ilay Nampanoratra Azy. Manome haja an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly, ity fampirantiana ity satria mendrika an’izany izy. Asongadina ao koa ny foto-kevitry ny Baiboly, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho hitan’ny mpitsidika hoe ahoana no nahatonga ny Baiboly ho tonga hatratỳ amin’ny androntsika, ary ahoana no nataon’i Jehovah mba hitovy amin’izay voasoratra tany am-boalohany foana ny hevitra ao na dia nisy niezaka nanova aza.
Tantaran’ny Fitoriana. Asehon’io fampirantiana io hoe notahin’i Jehovah ny fitoriana any Brezila nandritra ny 120 taona mahery. Ho hitan’ny mpitsidika ny tantaran’ny niandohan’ny fitoriana tany Brezila. Nisy fanazavana vaovao hita mantsy, vao haingana, hoe ahoana no niandohan’ny fitoriana tany Brezila, ary ahoana no nitomboan’ny asa tany, na teo aza ny fanoherana sy fanenjehana.