Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Gresy

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Iangavianay ny mpitsidika rehetra, na firy izy ireo na firy, mba hanao famandrihana alohan’ny hahatongavany, amin’izay dia tsy ho be loatra ny mpitsidika sady ho afa-po daholo.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra ihany ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro, satria izay no antonona ao amin’ilay toerana.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha ao anatin’ny adiny iray alohan’ilay fitsidihana ianao no tonga fa tsy alohan’izay, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve izay famandrihana natao? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ny toerana amin’ilay daty saika hitsidihanao? Jereo matetika ilay tranonkala. Malalaka indray mantsy ny toerana raha misy olona manova na manafoana ny famandrihany.

Fitsidihana

Mpoudoutsi 5

GR-186 48 DRAPETSONA

GREECE

+30 210-619-7630

Mampiavaka azy

Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny soratra Braille sy amin’ny fiteny grika, tenin’ny tanana grika, ary rômania (fampiasa any amin’ny faritra avaratra sy faritra atsimon’i Gresy). Manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy sy Chypre.

Haka Bokikely Momba ny Betela