Fitsidihana Betela
Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.
Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.
Serbia
Fitsidihana
Alatsinainy hatramin’ny zoma
Maraina: 8.00–11.00; tolakandro: 1.00–4.00
Maharitra adiny iray
Mampiavaka azy
Manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah 3 764 any Serbia sy 341 any Monténégro. Mandamina fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra amin’ny teny hongroà, monténégrin, romania, serba, ary tenin’ny tanana serba. Mandamina sekoly ara-baiboly samihafa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandika boky ara-baiboly ho amin’ny teny monténégrin, romanianina (Vlach), rômania (Serbia), serba (soratra sirilika sy romanina), ary tenin’ny tanana serba. Mamokatra raki-peo sy video amin’ireo fiteny ireo sy amin’ny soratra Braille serba.