Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay, izay antsoina hoe Betela. Misy fampirantiana azo jerena any amin’ny sampana sasany.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Ukraine

Famandrihana Fitsidihana

Tokony hanao famandrihana ve ianao alohan’ny hahatongavanao mitsidika? Eny. Tianay raha manao famandrihana mialoha daholo izay te hitsidika, na firy na firy izy ireo. Tsy ho be loatra, amin’izay, ny mpitsidika sady ho azo antoka hoe hankafy an’ilay fitsidihana ny rehetra.

Mbola afaka mitsidika ve ianao raha tsy nanao famandrihana? Raha tsy nanao famandrihana ianao, dia mety tsy ho afaka handray anao izahay. Voafetra mantsy ny isan’ny olona afaka mitsidika isan’andro.

Amin’ny firy ianao no tokony ho tonga? Tsara kokoa raha tsy tonga alohan’ny fahefatr’adiny mialoha an’ilay fitsidihana ianao, mba tsy ho be loatra ny olona mifamezivezy.

Ahoana no hanaovana famandrihana? Tsindrio ilay hoe “Hanao Famandrihana.”

Azo ovana na foanana ve ny famandrihana? Eny. Tsindrio ilay hoe “Hijery na Hanova Famandrihana.”

Ahoana raha efa feno ilay daty tena tianao hitsidihana? Tsidiho matetitetika ilay tranonkala. Mety halalaka ihany ilay fotoana rehefa misy olona manova na manafoana ny famandrihana nataony.

Fitsidihana

Lvivska Street 64

Briukhovychi

79491 LVIV

UKRAINE

+38 032-240-9200

Mampiavaka azy

Maharitra antsasak’adiny ilay fitsidihana misy mpitarika. Hazavaina amin’ny mpitsidika ny ataon’ny sampana mba hanaraha-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fiangonana 1 500 mahery any Ukraine, sy ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary ny fandikana boky ara-baiboly ho amin’ny teny iokrenianina, rômania (chokeshi, lovari), rômania (Ukraine), rusyn (Carpates), ary tenin’ny tanana rosianina.

Azo tsidihina koa ilay fampirantiana momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine. Azo atao koa ny mandehandeha irery eo amin’ilay toerana ary maka aina eo amin’ny toerana ho an’ny mpitsidika. Maharitra adiny roa sy sasany eo ho eo ny fitambaran’ny fitsidihana.

Haka Bokikely Momba ny Betela