Hijery ny anatiny

Warwick: Tahirin-tsary 3 (Janoary ka Hatramin’ny Aprily 2015)

Warwick: Tahirin-tsary 3 (Janoary ka Hatramin’ny Aprily 2015)

Jereo ato amin’ity tahirin-tsary ity ny fandrosoan’ny fanorenana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Aprily 2015.

Toy izao ireo trano any Warwick rehefa vita.

  1. Trano fikojakojana fiara

  2. Parking ho an’ny mpitsidika

  3. Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

  4. Trano fonenana B

  5. Trano fonenana D

  6. Trano fonenana C

  7. Trano fonenana A

  8. Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

2 Janoary 2015​—Trano fikojakojana fiara

I Harold Corkern, mpanampy ny Komitin’ny Fampanontana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana, manao an’ilay lahateny mitondra ny lohateny hoe “Ataovy Izay Tsara Indrindra Vitanao.” Misy mpandahateny tonga foana any Warwick, mba hampahery an’ireo miasa ao.

14 Janoary 2015​—Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Miaro an’ireo mpiasa sy manampy azy ireo hahavita ny asany mandritra ny ririnina io sachet plastika fotsy io. Ao amin’io trano io no hisy ny efitra fisakafoana, ny toeram-pitsaboana, ny lakozia, ary ny fanasan-damba.

16 Janoary 2015​—Trano fonenana D

Elektrisianina miomana hametraka fil. Kabla mirefy 12000 metatra mahery no efa napetrapetraka nanerana an’ireo trano fonenana. Nanomboka ny asa mifandray amin’ny elektrisite, tsy ela taorian’ny nividianana an’ilay tany, ary tsy hifarana raha tsy vita ireo trano.

16 Janoary 2015​—Trano fonenana A

Mpiasa mametaka karazana scotch amin’ny lavarangana, mba hiarovana azy io tsy ho tanteraky ny rano. Hita eto ny lavarangana any amin’ny rihana ambony indrindra, hosorana ranoka miaro azy tsy ho tantera-drano. Araraka haingana ilay ranoka rehefa hosorana.

23 Janoary 2015​—Trano fonenana A

Raim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy, mametraka ny tariby mitondra ny herinaratra mankany amin’ireo trano fonenana.

6 Febroary 2015​—Trano fikojakojana fiara

Misakafo ao amin’ilay efitra fisakafoana vonjimaika ireo mpiasa efa noana. Olona 2000 mahery no misakafo ao isan’andro.

12 Febroary 2015​—Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

Mpiasa maromaro mametaka vy lavalava. Manamboatra ny lakalin’ny trano fikojakojana izy ireo.

12 Febroary 2015​—Trano fonenana C

Taratasy avy amin’ny ankizy, ho fankasitrahana an’ireo mpanao fanorenana. Maro no miasa an-tsitrapo ao amin’ilay toeram-panorenana, mandritra ny andro vitsivitsy. Mpiasa vaovao 500 eo ho eo no tonga isan-kerinandro. Nisy 2500 teo ho eo isan’andro no tonga niasa tany Warwick, tamin’ny Febroary.

24 Febroary 2015​—Toeram-panorenana any Warwick

Tokotokony ho ny 60 isan-jaton’ny asa no efa vita. Tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Aprily 2015, dia tafatsangana ireo trano fonenana ary efa vita ny rafitra vy amin’ny trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa. Napetraka koa ireo rindrina simenitra amin’ny trano fikojakojana, natomboka natao ny lalana mampifandray ny trano fonenana, ary nohavaozina ilay tohodrano eo amin’ny Farihy Sterling Forest (Farihy Manga).

25 Febroary 2015​—Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Avy eo am-pototry ny tilikambo iray misy rihana efatra. Mpiantoka no nokaramaina hanamboatra an’ilay tilikambo, fa mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona kosa no nandrotsaka ny simenitra. Tohatra no iakarana eny amin’ilay tilikambo.

26 Febroary 2015​—Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

Misy mpiasa maromaro mametaka an’ireo vy lavalava eo amin’ny rihana voalohany, na dia mangatsiaka be aza ny andro. Efa ho 127 santimetatra ny haavon’ny lanezy mirotsaka any Warwick, eo anelanelan’ny Janoary sy Martsa. Misy mpiasa maromaro tsy mitsahatra manala ny lanezy eo amin’ny toeram-piasana, ary misy toerana azon’ny mpiasa hakana hafanana.

12 Martsa 2015​—Parking ho an’ny mpitsidika

Vy araikitra amin’ny valin-tafo. Efa voamboatra sy voapetaka ny ankamaroan’ny tafon’ireo trano fonenana, ny faran’ny Aprily. Kasaina hovitaina amin’ny tapatapaky ny Jona ny tafontrano, ka ny tafon’ny trano fonenana B no hatao farany.

18 Martsa 2015​—Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

Avy ao anaty milina fampiakarana entana, ary mitazana ny trano fonenana B.

18 Martsa 2015​—Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe

Mpikarakara fantson-drano, mijery ny planin’ny parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe. Planina 3400 mahery no ilaina amin’ilay tetikasa manontolo.

23 Martsa 2015​—Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Mpiasa eny ambony fitaovana fiakarana amin’ny toerana avo, ary mametaka sachet plastika mba hiarovana an’ilay trano. Imbetsaka ireo mpiasa no ampiofanina mba hahay hampiasa tsara an’ireo fitaovana. Anisan’ny nianarana ny fampiasana fitaovana fiakarana amin’ny toerana avo, fitaovana miaro ny mpiasa tsy hianjera, fitaovana fitrohana rivotra, ary milina fibatana entana mavesatra. Nianarana koa ny fomba fanairana an’ireo mampiasa milina fibatana entana mavesatra sy ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny.

30 Martsa 2015​—Toeram-panorenana any Warwick

Mitodika miankandrefana any amin’ireo trano fonenana. Tamin’ny faramparan’ny Aprily, dia efa natomboka ny asa be dia be mifandray amin’ny elektrisite sy ny resaka teknika tao amin’ny trano fonenana A sy B ary D, ary aseho eto izany. Tsy tazana eto ny trano fonenana C, fa efa natomboka koa ny fametahana ny rindrina platra sy ny karô ary ny fandokoana.

15 Aprily 2015​—Trano fonenana B

Hosorana karazana loko ny rindrina ivelany. Miaro ny rivotra tsy hiditra any anatiny izany. Roa volana eo ho eo no ilaina hanaovana an’io asa io amin’ny trano fonenana rehetra.

27 Aprily 2015​—Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Mpiasa manorina rindrina granita. Toerana fandraisana entana no hatao eo.

30 Aprily 2015​—Toeram-panorenana any Warwick

Mpisitrika any anaty rano, nokaramaina mba hanolo an’ilay fitaovana mampihena ny rano ao amin’ny Farihy Manga. Bokotra iray monja izao no potsirina, dia azo atao ny mampihena ny rano ao amin’ilay farihy. Ilaina izany mba hisorohana ny tondra-drano, rehefa misy rivo-doza.