Warwick: Tahirin-tsary 2 (Septambra ka Hatramin’ny Desambra 2014)
Jereo ato amin’ity tahirin-tsary ity ny fandrosoan’ny fanorenana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Septambra ka hatramin’ny Desambra 2014.
11 Septambra 2014: Parking ho an’ny mpitsidika
Amboarina mialoha ny valin-tafo vita amin’ny vy, ho an’ny trano fonenana C.
18 Septambra 2014: Toeram-panorenana any Warwick
Avy eo atsimo, ary mitodika mianavaratra any amin’ny Farihy Sterling Forest (antsoina koa hoe Farihy Manga). Milina fibatana entana (grues) 13 no indray nampiasaina. Hita avy etỳ anoloana hoe efa ho vita ny fototry ny trano fonenana B.
26 Septambra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa
Efa vonona hapetaka ireo vy ilaina. Rafitra vy manokana no nampiasaina ho an’ny trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa. Halalaka tsara ilay trano, amin’izay, ary ho vita haingana ny fanorenana azy.
9 Oktobra 2014: Toeram-panorenana any Warwick
Olona maromaro manambatra an’ireo sosona fiarovana amin’ny valin-tafo, alohan’ny hametrahana azy amin’ny trano fonenana C. Eo akaiky, amin’ny ilany ankavia indray, ireo mpiasa efa nahavita nanambatra ny ampahany amin’ny valin-tafo.
15 Oktobra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa
Mpiantoka mametaka an’ireo rafitra vy eo akaikin’ny zorony atsimoandrefana amin’ilay trano. Io ampahany amin’ilay trano io no ho lasa lakozia, efitra fisakafoana, fanasan-damba, ary ny sampan-draharaha hafa.
15 Oktobra 2014: Toeram-panorenana any Warwick
Omena kifafa kely ilay olona hametraka an’ireo fantson-drano.
20 Oktobra 2014: Toeram-panorenana any Warwick
Natsangana ity rindrina modely ity mba hahitana ny bikan’ilay rindrina sy ny lokon’ilay rihitra ary ny fomba hametrahana an’ireo biriky. Nampiofanana an’ireo mpiasa vaovao koa izy io. Ravana izao ilay rindrina rehefa vita izay nilana azy.
31 Oktobra 2014: Trano fonenana C
Milina fibatana entana mametraka ny ilan’ilay tafo efa vita. Manatsara ny endrik’ilay trano ny paozin’ireo tafontrano rehefa jerena lavitra.
7 Novambra 2014: Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe
Apetraka eo amin’ny toerany ireo fitoerana solika mahazaka 95000 litatra. Hampiasaina amin’ireo milina mpamokatra gazy mafana (chaudière) ny solika tehirizina ao amin’izy ireo.
12 Novambra 2014: Trano fonenana C
Sary ahitana ny ilany atsimo amin’ilay trano. Tazana kely ny Farihy Manga eo amin’ny sisiny ankavanana. Tsara tarehy ilay trano noho ireo loko mitovitovy maromaro sy ny bika ivelan’ireo rindrina.
21 Novambra 2014: Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe
Mpivady mametaka fantsona alohan’ny handrarahana rihitra.
28 Novambra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa
Manala sy mitsoka ny lanezy eny an-tampon-trano.
1 Desambra 2014: Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe
Mpivady hafa manamarina ny planin’ireo fantson-drano.
10 Desambra 2014: Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona mipetraka ao amin’ilay foibe
Mandeha ihany ny fanalana tany sy ny fanomanana toerana handrarahana rihitra ary ny fanaovana dalazy, na mirotsaka aza ny lanezy. Tazana eo ambony ankavia hoe rakofana sachet plastika ny ampahany amin’ilay trano mba hitazonana ny hafanana ilaina rehefa hanao asa sasany, ohatra hoe handraraka sy hametraka rihitra, mandritra ny ririnina.
12 Desambra 2014: Trano fonenana D
Olona mametaka fiarovana rindrina, alohan’ny hametrahana ny rindrina ivelany.
15 Desambra 2014: Toeram-panorenana any Warwick
Jerena avy eny ambony, miankandrefana. Eo ambony amin’ilay sary ireo trano fonenana. Io tranobe fotsifotsy afovoany io ny trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa. Zato hektara eo ho eo ny velaran’ilay tany manontolo, nefa noferana hoe ny 20 isan-jatony ihany no hanaovana fanorenana. Tsy ho voakitika, amin’izay, ny ala manodidina.
15 Desambra 2014: Toeram-panorenana any Warwick
Jerena avy eny ambony, miantsinanana. Ny trano fonenana C sy D no eo ambanimbany amin’ilay sary. Mpiantoka mamita ny tafo amin’ny trano fonenana C.
25 Desambra 2014: Trano fonenana C
Mpandrafitra mametraka gorodona ao amin’ny efitra iray modely. Ny iray amin’ireo modely efatra no ho hita any amin’ireo efitra tsirairay amin’ny trano fonenana. Samy manana ny lokony, môketiny, gorodony, karô, ary ny endriky ny lakozia sy efitra fandroany ireo modely ireo.
31 Desambra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa
Vitaina tanana ny dalazy mba hampahitsy azy tsara.
31 Desambra 2014: Trano fonenana C
Lehilahy 77 taona mametaka ireo kabla Internet maromaro. Hahatratra 32 kilaometatra eo ho eo ny halavan’ny kabla rehetra ampiasaina, rehefa vita ity tetikasa ity.