1 Jaona 1:1-10

1  Manoratra aminareo izahay momba ilay tenin’ny fiainana,+ izay efa nisy hatrany am-piandohana,+ sy efa renay,+ sy hitan’ny masonay,+ ary nojerenay+ tsara sy notsapain’ny tananay,+  —efa naseho+ tokoa mantsy ny fiainana. Efa hitanay ny fiainana mandrakizay,+ ka ambaranay+ sy lazainay aminareo ny momba azy io. Avy tamin’ny Ray ny fiainana mandrakizay, ary efa naseho anay—  dia ilay tenin’ny fiainana izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo koa,+ mba hanananareo zavatra iombonana aminay,+ izay iombonantsika+ amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany.+  Koa manoratra aminareo momba izany àry izahay, mba ho feno ny fifaliantsika.+  Izao no hafatra renay taminy ka ambaranay aminareo:+ Andriamanitra dia fahazavana,+ ka tsy ao anatin’ny haizina mihitsy izay tafaray aminy.+  Raha hoy isika: “Manan-javatra iombonana aminy isika”, nefa mbola mandeha ao amin’ny haizina ihany,+ dia mandainga isika sady tsy manao ny marina.+  Fa raha mandeha ao amin’ny mazava kosa isika, tahaka azy izay ao amin’ny mazava,+ dia tena manan-javatra iombonana isika rehetra,+ ary ny ran’i+ Jesosy Zanany no manadio+ antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.+  Raha hoy isika: “Tsy manana ota isika”,+ dia mamita-tena+ sady tsy ao amintsika ny fahamarinana.  Raha miaiky ny fahotantsika anefa isika,+ dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.+ 10  Raha hoy isika: “Tsy manota isika”, dia manao azy ho mpandainga isika, ary tsy ao amintsika ny teniny.+

Fanamarihana