Jaona Voalohany 2:1-29

  • Jesosy, ilay sorona fampihavanana (1, 2)

  • Mankatò ny didin’Andriamanitra (3-11)

    • Didy efa ela sy didy vaovao (7, 8)

  • Ny antony nanoratan’i Jaona (12-14)

  • Aza tia an’izao tontolo izao (15-17)

  • Fampitandremana momba ny antikristy (18-29)

2  Manoratra aminareo momba an’izany aho, ry zanako malalako, mba tsy hanotanareo. Raha misy olona sendra manota anefa, dia manana mpanampy* any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy,+ ilay marina.+ 2  Izy no sorona fampihavanana*+ noho ny fahotantsika,+ nefa tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao manontolo koa.+ 3  Raha mankatò ny didiny foana isika, dia izany no ahafantarantsika fa efa mahalala azy isika. 4  Mpandainga izay miteny hoe: “Efa fantatro izy”, nefa tsy mankatò ny didiny. Tsy ao am-pon’izany olona izany koa ny marina. 5  Fa izay mankatò ny teniny kosa, dia tena natao lavorary ao am-pony ny fitiavany an’Andriamanitra.+ Izany no ahafantarantsika fa tafaray aminy isika.+ 6  Izay milaza hoe tafaray aminy foana, dia tsy maintsy manahaka ny fomba fiainan’i Jesosy koa.*+ 7  Ry malala, tsy didy vaovao izao soratako aminareo izao, fa didy efa ela sady efa azonareo hatrany am-piandohana.+ Ilay teny efa henonareo izany didy efa ela izany. 8  Manoratra didy vaovao aminareo indray aho izao, dia didy nankatoavin’i Jesosy sy nankatoavinareo koa. Mihalasa mantsy ny haizina, ary efa mamirapiratra sahady ilay tena hazavana.+ 9  Izay milaza hoe ao amin’ny mazava nefa mankahala+ ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny haizina ihany.+ 10  Ao amin’ny mazava+ foana izay tia ny rahalahiny, ary tsy misy mahatafintohina azy. 11  Fa izay mankahala ny rahalahiny kosa, dia ao amin’ny haizina sady mandeha ao amin’ny haizina+ ka tsy fantany izay alehany.+ Nohajambain’ny haizina mantsy ny masony. 12  Manoratra aminareo aho, ry zanako malalako, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.+ 13  Manoratra aminareo ray aho, satria ianareo efa mahalala azy, dia ilay efa nisy hatrany am-piandohana. Manoratra aminareo tanora aho, satria efa naharesy an’ilay ratsy ianareo.+ Manoratra aminareo ankizy aho, satria efa mahalala ny Ray ianareo.+ 14  Manoratra aminareo ray aho, satria ianareo efa mahalala azy, dia izy izay efa nisy hatrany am-piandohana. Manoratra aminareo tanora aho, satria mahery ianareo,+ sady ao am-ponareo foana ny tenin’Andriamanitra+ ary efa naharesy an’ilay ratsy ianareo.+ 15  Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao.+ Raha misy olona tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatin’izany olona izany ny fitiavana ny Ray.+ 16  Tsy avy amin’ny Ray mantsy ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo+ sy ny fanirian’ny maso+ ary ny fampideraderana fananana,* fa avy amin’izao tontolo izao ihany. 17  Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany,+ fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.+ 18  Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa henonareo, dia ho avy ny antikristy.+ Ary na amin’izao aza dia efa betsaka ny antikristy,+ ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. 19  Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika.*+ Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy ireny raha namantsika. Niala anefa ireny mba ho hita hoe tsy ny olona rehetra no namantsika.+ 20  Nohosoran’Ilay Masina ny fanahiny ianareo,+ ary manana fahalalana daholo ianareo rehetra. 21  Ny antony anoratako aminareo, dia tsy hoe satria tsy mahalala ny fahamarinana+ ianareo, fa satria ianareo mahalala an’izany, ary satria tsy misy lainga mihitsy avy amin’ny fahamarinana.+ 22  Iza moa no mpandainga raha tsy ilay mandà hoe i Jesosy no Kristy?+ Izay mandà ny Ray sy mandà ny Zanaka no antikristy.+ 23  Izay rehetra mandà ny zanaka dia tsy mifandray amin’ny Ray koa,+ fa izay manaiky ny Zanaka+ dia mifandray amin’ny Ray koa.+ 24  Fa ianareo kosa, ataovy ao am-ponareo foana izay efa henonareo hatramin’ny voalohany.+ Raha ataonareo ao am-ponareo foana mantsy ny zavatra henonareo hatramin’ny voalohany, dia ho tafaray foana amin’ny Zanaka sy amin’ny Ray ianareo. 25  Ankoatra izany, dia izao no nampanantenainy antsika: Fiainana mandrakizay.+ 26  Manoratra an’izany aminareo aho, satria misy mitady hamitaka anareo. 27  Fa ianareo kosa efa nohosorany ny fanahiny+ ary ao aminareo foana izany, ka tsy mila ampianarin’olona ianareo. Ary izany fanahiny izany no nampiasain’Andriamanitra hampianatra anareo ny zava-drehetra,+ ary marina sy tsy misy lainga izany. Araka ny nampianarin’io fanahy io anareo àry, dia miezaha ho tafaray aminy foana.+ 28  Izao àry no izy, ry zanako malalako: Miezaha ho tafaray aminy foana. Amin’izay rehefa aseho izy, dia ho sahy hiteny+ isika ary tsy hiala aminy ka tsy ho afa-baraka mandritra ny fanatrehany. 29  Raha fantatrareo fa marina izy, dia ho fantatrareo koa fa naterany daholo+ izay rehetra manao ny marina.

Fanamarihana

Na: “mpisolovava.”
Na: “sorona fandrakofam-pahotana; fomba ampitonena.”
Abt: “mandeha toy izay nandehanany.”
Na: “fireharehana amin’izay ananana.”
Na: “tsy mba antsika.”