1 Jaona 4:1-21

4  Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy,+ fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra+ ireny fanambarana ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa eo amin’izao tontolo izao.+  Izao no ahafantaranareo izay fanambarana avy amin’ny fanahin’Andriamanitra:+ Izay fanambarana rehetra manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy, dia avy amin’ny fanahin’Andriamanitra.+  Fa tsy avy amin’ny fanahin’Andriamanitra kosa izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy.+ Izany no fanambarana torin’ny antikristy, dia fanambarana efa renareo fa ho avy,+ ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady ankehitriny.+  Avy amin’Andriamanitra ianareo, ry zanako malalako, ary efa naharesy an’ireny olona ireny,+ satria ilay tafaray+ aminareo dia lehibe noho+ ilay tafaray amin’izao tontolo izao.+  Avy amin’izao tontolo izao+ izy ireny, ka izany no ilazany zavatra avy amin’izao tontolo izao, ary mihaino azy izao tontolo izao.+  Avy amin’Andriamanitra+ kosa isika. Izay efa mahalala an’Andriamanitra dia mihaino antsika,+ fa izay tsy avy amin’Andriamanitra kosa tsy mihaino antsika.+ Izany àry no ahafantarantsika izay fanambarana avy amin’ny fanahy, izany hoe ny fanambarana milaza ny fahamarinana sy ny fanambarana milaza hevi-diso.+  Ry malala, aoka isika hifankatia foana,+ satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana,+ ary izay rehetra tia dia naterak’Andriamanitra,+ sady efa mahalala an’Andriamanitra.+  Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.+  Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika:+ Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana+ mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.+ 10  Ary izany fitiavana izany dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona+ fampihavanana+ noho ny fahotantsika.+ 11  Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia kosa isika.+ 12  Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy.+ Raha mifankatia foana anefa isika, dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra ary natao lavorary ao amintsika ny fitiavany.+ 13  Izao no ahafantarantsika fa tafaray+ foana aminy isika ary izy koa tafaray amintsika:+ Ny nanomezany antsika ny fanahiny.+ 14  Ary ny tenanay mihitsy koa no efa nahita+ ka manambara+ fa ny Ray efa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.+ 15  Na iza na iza manaiky fa i Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra,+ dia tafaray foana amin’ny olona toy izany Andriamanitra, ary izy ho tafaray amin’Andriamanitra.+ 16  Ny tenantsika mihitsy no efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra+ antsika. Andriamanitra dia fitiavana.+ Koa izay mitoetra amin’ny fitiavana+ no tafaray foana amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra koa tafaray+ foana aminy. 17  Izao no nandavorariana ny fitiavana teo amintsika, dia ny hananantsika fahasahiana miteny*+ amin’ny andro fitsarana,+ satria tahaka an’i Jesosy Kristy isika eo amin’izao tontolo izao.+ 18  Tsy misy tahotra ny fitiavana.+ Mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary,+ satria ny tahotra mampisy sakana. Koa izay matahotra àry dia mbola tsy lavorary raha ny amin’ny fitiavana.+ 19  Isika kosa tia, satria izy no tia antsika voalohany.+ 20  Raha misy manao hoe: “Tia an’Andriamanitra aho”, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga+ izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny+ izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.+ 21  Ary izao didy izao no azontsika avy aminy:+ Tokony ho tia ny rahalahiny koa+ izay tia an’Andriamanitra.

Fanamarihana

Na: “hahafahantsika hiteny amim-pieritreretana madio.”