Korintianina Voalohany 1:1-31

  • Fiarahabana (1-3)

  • Nisaotra an’i Jehovah i Paoly noho ny amin’ireo Korintianina (4-9)

  • Fampirisihana mba hiray hina (10-17)

  • Kristy, ilay hery sy fahendren’Andriamanitra (18-25)

  • I Jehovah ihany no atao rehareha (26-31)

1  Avy amin’i Paoly, ilay voantso ho apostolin’i+ Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsika. 2  Ho an’ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto,+ dia ianareo izay nohamasinina tao amin’i Kristy Jesosy+ sady voantso ho olona masina, ary ho an’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika,+ na aiza na aiza, izay Tompon’izy ireo sady Tompontsika koa, 3  Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sady hanome anareo fiadanana! 4  Misaotra an’ilay Andriamanitro foana aho noho ny aminareo, satria nanehoany hatsaram-panahy miavaka tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy ianareo. 5  Noho ianareo tafaray amin’i Kristy mantsy, dia lasa manan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo, anisan’izany ny hoe lasa mahay mitory sy manana fahalalana feno ianareo,+ 6  satria natao mafy orina teo aminareo ny fitoriana momba an’i Kristy.+ 7  Noho izany, dia tsy misy mihitsy fanomezana tsy anananareo, amin’izao ianareo miandry mafy izao hoe rahoviana no haharihary i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 8  Hanampy anareo ho mafy orina hatramin’ny farany koa Andriamanitra, mba tsy hisy antony hiampangana anareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 9  Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra,+ izay niantso anareo mba hifandray akaiky* amin’ny Zanany, dia i Jesosy Kristy Tompontsika. 10  Mampirisika anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanara-kevitra ianareo amin’izay lazainareo. Aza avela hisy fisaratsarahana eo aminareo,+ fa miezaha kosa hiray hina tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.+ 11  Nisy olona avy amin’ny ankohonan’i Kloa mantsy, ry rahalahiko, niresaka momba anareo tamiko hoe misy aminareo, hono, tsy mifanaraka. 12  Izao no tiako holazaina: Misy milaza hoe “Izaho an’i Paoly”, na hoe “Izaho an’i Apolosy”,+ ary ny hafa indray miteny hoe “Izaho an’i Kefasy”,* na “Izaho an’i Kristy.” 13  Fa angaha voazarazara i Kristy? I Paoly angaha no novonoina teo amin’ny tsato-kazo ho anareo? Sa natao batisa tamin’ny anaran’i Paoly ianareo? 14  Misaotra an’Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo+ sy Gaio,+ 15  mba tsy hisy hilaza hoe natao batisa tamin’ny anarako ianareo. 16  Eny e! Nataoko batisa koa ny ankohonan’i Stefanasy.+ Tsy tadidiko raha mbola nisy hafa nataoko batisa koa na tsia. 17  Fa tsy naniraka ahy hanao batisa i Kristy, fa hitory ny vaovao tsara.+ Tsy nampiseho fahendren’olombelona* anefa aho rehefa nitory, sao lasa tsy hisy hilana azy ny hazo fijalian’i* Kristy. 18  Fa amin’ireo ho ringana, dia hadalana ny fampianarana* momba ny hazo fijaliana,*+ fa amintsika izay hovonjena kosa, dia herin’Andriamanitra izany.+ 19  Fa voasoratra hoe: “Hofoanako ny fahendren’ny olon-kendry, ary holaviko* ny fahiratan-tsain’ny mahira-tsaina.”+ 20  Aiza àry ny olon-kendry? Aiza ny mpanora-dalàna?* Aiza ny mpiady hevitra eto amin’izao tontolo izao?* Tsy novan’Andriamanitra ho hadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao? 21  Fa tsy mahalala an’Andriamanitra izao tontolo izao+ satria mihevi-tena ho manam-pahendrena.+ Nasehon’Andriamanitra anefa ny fahendreny, ka hitany hoe mety raha amin’ny alalan’ilay hafatra torinay, izay eritreretin’ny olona hoe hadalana,+ no hamonjena an’izay mino. 22  Fa mangataka famantarana+ ny Jiosy, ary mitady fahendrena ny Grika. 23  Isika kosa mitory an’i Kristy novonoina teo amin’ny tsato-kazo, izay zavatra manafintohina an’ireo Jiosy ary hadalana amin’ny hafa firenena.+ 24  Amin’izay voantso kosa anefa, na Jiosy na Grika, dia amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra sy ny fahendren’Andriamanitra.+ 25  Izay toa hadalana avy amin’Andriamanitra mantsy dia mbola hendry noho ny olona, ary izay toa fahalemena avy amin’Andriamanitra dia mbola mahery noho ny olona.+ 26  Ary hitanareo, ry rahalahy, fa rehefa niantso anareo izy, dia tsy betsaka taminareo no hendry araka ny nofo,*+ tsy betsaka no mahery, ary tsy betsaka no avo razana.*+ 27  Nifidy ny zavatra adala amin’izao tontolo izao kosa Andriamanitra mba hampahamenatra ny olon-kendry. Ary nifidy ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hampahamenatra ny zavatra mahery.+ 28  Ary nifidy ny zavatra tsy misy dikany amin’izao tontolo izao sy ny zavatra atao tsinontsinona Andriamanitra, dia izay zavatra tsy misy, mba hanafoanany an’izay misy,+ 29  amin’izay dia tsy hisy olona* hirehareha eo imason’Andriamanitra. 30  Fa izy no nahatonga anareo ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, izay nampahafantatra antsika ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahamarinany,+ sady nahatonga antsika ho masina,+ ary nanafaka antsika tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana,+ 31  mba ho araka ilay voasoratra hoe: “Izay mirehareha, dia i Jehovah* no tokony hataony rehareha.”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “hanana anjara miaraka.”
Antsoina koa hoe Petera.
Na: “Tsy nampiasa teny fampiasan’ny olona marani-tsaina.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na: “teny.”
Na: “hailiko.”
Izany hoe manam-pahaizana momba ny Lalàna.
Na: “amin’izao vanim-potoana izao?” Jereo F.T.
Na: “araka ny hevitr’olombelona.”
Na: “avy amin’ny fianakaviana manan-kaja.”
Abt: “nofo.”
Jereo F.F. A5.