1 Korintianina 12:1-31

12  Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahaizana omen’ny fanahy.+  Fantatrareo fa fony ianareo olon’izao tontolo izao,+ dia voataona tamin’ny fomba samihafa hanompo an’ireo sampy+ moana+ ianareo.  Koa ampahafantariko anareo fa tsy misy olona ampitenenin’ny fanahin’Andriamanitra ka milaza hoe: “Voaozona i Jesosy!”+ Ary raha tsy amin’ny alalan’ny fanahy masina, dia tsy misy afaka milaza hoe: “I Jesosy no Tompo!”+  Ary misy fanomezana maro samihafa,+ nefa iray ihany ny fanahy.+  Ary misy fanompoana maro samihafa,+ nefa iray ihany ny Tompo.+  Misy asa maro samihafa,+ nefa iray ihany no Andriamanitra+ manatontosa azy rehetra amin’ny olona rehetra.+  Miharihary eo amin’ny tsirairay ny fomba fiasan’ny fanahy mba handraisan-tsoa.+  Ny iray, ohatra, nomena tenim-pahendrena+ tamin’ny alalan’ny fanahy, ary ny iray tenim-pahalalana+ araka io fanahy io ihany.  Ny iray nomen’io fanahy io finoana,+ ary ny iray kosa nomen’io fanahy io fahaiza-manasitrana,+ 10  ny iray fanaovana fahagagana,+ ny iray fahaiza-maminany,+ ny iray fahaiza-mamantatra+ ny fanambarana avy amin’ny fanahy,+ ny iray fitenenana amin’ny fiteny samihafa,+ ary ny iray kosa fandikan-teny.+ 11  Tontosain’ny fanahy iray ihany anefa izany asa rehetra izany,+ ka zarainy+ amin’ny tsirairay avy araka izay tiany.+ 12  Fa iray ny vatana nefa misy rantsany maro, ary izany rantsambatana rehetra izany na maro aza, dia vatana iray ihany.+ Dia tahaka izany koa i Kristy.+ 13  Fa fanahy iray tokoa no nanaovana batisa+ antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika, na Jiosy na Grika, na mpanompo na olona afaka. Ary nampisotroina+ fanahy iray ihany isika rehetra. 14  Fa tsy rantsambatana iray monja ny vatana, fa misy maro.+ 15  Raha hoy ny tongotra hoe: “Tsy anisan’ny vatana aho satria tsy tanana”, dia tsy izany akory no tsy maha anisan’ny vatana azy.+ 16  Ary raha hoy ny sofina hoe: “Tsy anisan’ny vatana aho satria tsy maso”, dia tsy izany akory no tsy maha anisan’ny vatana azy.+ 17  Raha maso iray ny vatana manontolo, aiza ny fandrenesana? Raha fandrenesana izy manontolo, inona no amantarana fofona? 18  Fa napetrak’Andriamanitra ao amin’ny vatana ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.+ 19  Raha rantsambatana iray ihany izy rehetra,+ aiza ny vatana? 20  Fa rantsana maro izy ireo,+ nefa vatana iray ihany. 21  Ny maso tsy afaka manao amin’ny tanana hoe: “Tsy mila anao aho.” Ary ny loha tsy afaka manao amin’ny tongotra hoe: “Tsy mila anareo aho.” 22  Fa izao kosa aza no tena izy: Ilaina ny rantsambatana izay toa malemy kokoa.+ 23  Ary izay faritra amin’ny vatana heverintsika ho tsy dia mendri-kaja, dia ireny no omentsika voninahitra bebe kokoa,+ ka manjary mendri-kaja kokoa ny faritra mahamenatra eo amin’ny vatantsika. 24  Fa tsy mila na inona na inona kosa ny faritra efa mendri-kaja amin’ny vatantsika. Na izany aza, dia nakamban’Andriamanitra ho iray ny vatana, ka nomeny voninahitra bebe kokoa ny faritra tsy nanana voninahitra, 25  mba tsy hisy fisaratsarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifampiahy ireo rantsany.+ 26  Ary raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly+ aminy ny rantsambatana rehetra, ary raha misy rantsambatana omem-boninahitra,+ dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra.+ 27  Vatan’i Kristy ianareo, ary rantsambatana ny tsirairay avy aminareo.+ 28  Ary napetrak’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana ireo rantsambatana samihafa:+ Voalohany, apostoly;+ faharoa, mpaminany;+ fahatelo, mpampianatra;+ avy eo, fahagagana,+ fahaiza-manasitrana,+ fanampiana,+ fahaiza-mitarika,+ ary fitenenana amin’ny fiteny samihafa.+ 29  Fa angaha izy rehetra no apostoly? Angaha izy rehetra no mpaminany? Angaha izy rehetra no mpampianatra? Angaha izy rehetra no manao fahagagana? 30  Angaha izy rehetra no mahay manasitrana? Angaha izy rehetra no miteny amin’ny fiteny samihafa?+ Angaha izy rehetra no mpandika teny?+ 31  Fa miezaha mafy hahazo ireo fanomezana lehibe kokoa.+ Lalana mbola tsara kokoa noho ireo anefa no asehoko anareo.+

Fanamarihana