Korintianina Voalohany 3:1-23

  • Mbola araka ny nofo ny Korintianina (1-4)

  • Andriamanitra no mampitombo (5-9)

    • Mpiara-miasa amin’Andriamanitra (9)

  • Manorina amin’ny fitaovana tsy mety may (10-15)

  • Tempolin’Andriamanitra ianareo (16, 17)

  • Hadalana amin’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao (18-23)

3  Koa tsy afaka niresaka taminareo toy ny miresaka amin’ny olona araka ny fanahy+ aho, ry rahalahy, fa toy ny miresaka amin’ny olona araka ny nofo, toy ny miresaka amin’ny zaza+ ao amin’i Kristy. 2  Ronono no nomeko ho sakafonareo, fa tsy ventin-kanina, satria mbola tsy natanjaka tsara ianareo. Mbola tsy matanjaka tsara ihany anefa ianareo izao,+ 3  fa mbola araka ny nofo ihany.+ Tsy olona araka ny nofo ve ianareo sady manao hoatran’ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao, raha mbola mifampialona sy mifamaly?+ 4  Fa raha milaza ny iray hoe: “Izaho an’i Paoly”, ary ny iray kosa hoe: “Izaho an’i Apolosy”,+ tsy toy ny ataon’ny olon-kafa rehetra ihany ve no ataonareo? 5  Koa inona àry i Apolosy? Ary inona i Paoly? Mpanompo+ fotsiny ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, araka ny fanompoana nomen’ny Tompo azy ireo tsirairay avy. 6  Izaho namboly,+ i Apolosy nanondraka,+ fa Andriamanitra kosa no tsy nitsahatra nampitombo. 7  Tsy ilay mamboly na ilay manondraka àry no mendrika homena voninahitra, fa Andriamanitra izay mampitombo.+ 8  Ary iray ihany ilay* mamboly sy ilay manondraka, nefa samy hahazo ny valisoany avy izy, arakaraka ny asa mafy nataony.+ 9  Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ary saha volen’Andriamanitra sy trano aorin’Andriamanitra ianareo.+ 10  Noho ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra tamiko, dia nametraka fototra+ aho, hoatran’ny ataon’ny mpanao trano tena mahay,* fa olon-kafa kosa no manorina eo ambonin’ilay fototra. Tokony hitandrina tsara foana anefa ny tsirairay hoe hoatran’ny ahoana ny zavatra aoriny eo ambonin’izany fototra izany. 11  Fa tsy misy afaka mametraka fototra hafa ankoatra an’izay efa napetraka, dia i Jesosy Kristy.+ 12  Raha misy manorina amin’ny volamena, volafotsy, vatosoa, hazo, bozaka, na mololo eo ambonin’ilay fototra, 13  dia ho hita hoe hoatran’ny ahoana* ny asan’ny tsirairay, rehefa tonga ny andro fisedrana. Fa hampiharihary an’izany ny afo,+ ka hampiseho hoe hoatran’ny ahoana ny asa nataon’ny tsirairay. 14  Raha mbola eo ihany ny asa naorin’ny olona teo ambonin’ilay fototra, dia hahazo valisoa izy. 15  Fa raha may kosa ny asany, dia ho matiantoka izy. Hovonjena ihany anefa izy, saingy toy ny hoe hovonjena avy ao anaty afo. 16  Tsy fantatrareo angaha fa ianareo no tempolin’Andriamanitra,+ ary ao anatinareo ny fanahin’Andriamanitra?+ 17  Raha misy olona mandrava ny tempolin’Andriamanitra, dia haringan’Andriamanitra izy. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, ary ianareo izany tempoly izany.+ 18  Aoka tsy hisy hamita-tena: Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry eto amin’izao tontolo izao,* dia aoka izy ho adala, mba ho lasa hendry. 19  Amin’Andriamanitra mantsy dia hadalana ny fahendren’izao tontolo izao, fa voasoratra hoe: “Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy.”+ 20  Ary koa hoe: “Fantatr’i Jehovah* fa tsy misy dikany ny hevitry ny olon-kendry.”+ 21  Aoka àry tsy hisy hanao olona ho reharehany, fa anareo daholo ny zava-drehetra: 22  Na i Paoly izany, na i Apolosy, na i Kefasy,*+ na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy. Anareo daholo ny zava-drehetra. 23  Ianareo kosa an’i Kristy,+ ary i Kristy an’Andriamanitra.

Fanamarihana

Na: “iray ihany ny tanjon’ilay.”
Na: “olon-kendry lehiben’ny fanorenana.”
Abt: “dia hatao miharihary.”
Na: “amin’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.
Antsoina koa hoe Petera.