Korintianina Voalohany 6:1-20

  • Kristianina mifampitory eny amin’ny fitsarana (1-8)

  • Ireo tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra (9-11)

  • Ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny vatanareo (12-20)

    • “Andosiro ny fijangajangana!” (18)

6  Raha misy aminareo tsy mifanaraka,+ dia ho sahin’ilay iray ve ny hitory an’ilay iray any amin’ny fitsarana, eo anatrehan’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? 2  Sa tsy fantatrareo fa hitsara an’izao tontolo izao ny olona masina?+ Koa raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, tsy ho hainareo koa ve ny hitsara raharaha tena madinika? 3  Tsy fantatrareo angaha fa hitsara anjely+ isika? Koa nahoana isika no tsy hitsara raharaha momba an’izao fiainana izao? 4  Koa raha misy raharaha momba an’izao fiainana izao tokony hotsaraina,+ dia lehilahy ataon’ny fiangonana tsinontsinona ve no fidinareo ho mpitsara? 5  Ny hampahamenatra anareo no ilazako an’izany. Tsy misy lehilahy hendry ve eo aminareo, na iray aza, afaka mitsara ny adin’ireo rahalahiny? 6  Mifampitory any amin’ny fitsarana anefa ireo rahalahy, sady amin’izay indray eo anatrehan’ny tsy mpino! 7  Raha ny marina, dia efa resy sahady ianareo rehefa mifampitory. Tsy aleo ve manaiky hiharan’ny tsy rariny?+ Tsy aleo ve manaiky hambakaina? 8  Ianareo indray anefa no manao ny tsy rariny sy manambaka, sady amin’izay indray ny rahalahinareo ihany no anaovanareo an’izany! 9  Sa tsy fantatrareo fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?+ Aza manaiky ho voafitaka* ianareo. Fa ny mpijangajanga,*+ ny mpanompo sampy,+ ny mpanitsakitsa-bady,+ ny lehilahy manaiky hanaovan’ny lehilahy firaisana,+ ny lehilahy miray amin’ny lehilahy,*+ 10  ny mpangalatra, ny olona manana faniriana tsy mety afa-po,+ ny mamo lava,+ ny mpanevateva,* ary ny mpanao an-keriny, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.+ 11  Efa hoatr’izany ihany ny sasany taminareo taloha, nefa efa voasasa madio tsara+ ianareo, efa nohamasinina,+ ary efa nambara hoe olo-marina+ tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny fanahin’ny Andriamanitsika. 12  Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa.+ Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy havelako hisy na inona na inona hifehy ahy.* 13  Ny sakafo dia natao ho an’ny kibo, ary ny kibo ho an’ny sakafo, nefa samy hofoanan’Andriamanitra izy roa ireo.+ Ary ny vatana dia tsy natao ho an’ny fijangajangana,* fa ho an’ny Tompo,+ ary ny Tompo ho an’ny vatana. 14  Efa natsangan’Andriamanitra anefa ny Tompo+ ary hanangana antsika amin’ny maty koa izy,+ amin’ny alalan’ny heriny.+ 15  Tsy fantatrareo angaha fa rantsambatan’i Kristy ny vatanareo?+ Koa ny rantsambatan’i Kristy ve no halaiko dia hakambako amin’ny mpivaro-tena? Sanatria izany! 16  Tsy fantatrareo angaha fa izay miray amin’ny mpivaro-tena dia vatana iray aminy? Niteny mantsy Andriamanitra hoe: “Ho nofo iray ihany izy roa.”+ 17  Fa izay tafaray amin’ny Tompo kosa dia iray saina aminy.+ 18  Andosiro ny fijangajangana!*+ Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.+ 19  Tsy fantatrareo angaha fa ny vatanareo no tempolin’ilay+ fanahy masina ao anatinareo sy azonareo avy amin’Andriamanitra?+ Ary tsy anareo intsony koa ny tenanareo,+ 20  fa efa voavidy ianareo.+ Koa ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra+ ny vatanareo.+

Fanamarihana

Na: “lehilahy manao firaisana amin’ny lehilahy.”
Na: “Aza mamita-tena.”
Na: “mpaniratsira.”
Na: “hanana fahefana amiko; hanandevo ahy.”
Grika: pôrneia. Jereo F.T.
Grika: pôrneia. Jereo F.T.