1 Mpanjaka 1:1-53

1  Efa antitra i Davida Mpanjaka+ sady nandroso taona, ka tsy nahatsiaro nafana na dia nanao fitafiana maro aza.  Dia hoy ireo mpanompony taminy: “Aoka hitadiavana zazavavy virjiny+ ny mpanjaka tompoko, mba hiahy sy hikarakara+ ny mpanjaka. Ary hatory eo an-tratranao+ izy, ka hafana ny mpanjaka tompoko.”+  Koa nitady zazavavy tsara tarehy tany amin’ny faritra rehetra eran’i Israely izy ireo, ka nahita an’i Abisaga+ Sonemita+ tamin’ny farany. Dia nentiny tany amin’ny mpanjaka izy.  Faran’izay tsara tarehy+ razazavavy, ary izy no lasa mpikarakara ny mpanjaka sy mpiahy azy. Tsy nanao firaisana taminy anefa ny mpanjaka.  Tamin’izany fotoana izany, dia nanandra-tena+ i Adonia+ zanakalahin’i Hagita,+ ka nanao hoe: “Izaho no hanjaka!”+ Dia nampanao kalesy ho azy izy, ary naka mpitaingin-tsoavaly sy lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo alohany.+  Ary tsy te hampalahelo azy mihitsy ny rainy ka tsy niteny taminy hoe: “Fa maninona ianao no manao hoatr’izao?”+ Lehilahy tena tsara tarehy+ i Adonia, ary izy no nateraky ny reniny taorian’i Absaloma.  Ary nifampiraharaha tamin’i Joaba zanak’i Zeroia sy tamin’i Abiatara+ mpisorona i Adonia. Koa nanampy azy izy roa lahy ireo, ka lasa mpomba azy.+  Tsy niandany+ tamin’i Adonia kosa anefa i Zadoka+ mpisorona sy Benaia+ zanak’i Joiada sy Natana+ mpaminany sy Simey+ sy Rey ary ny lehilahy maherin’i+ Davida.  Ary nanao sorona+ i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby nohatavezina, teo akaikin’ny vaton’i Zoheleta, teo anilan’i En-rogela.+ Koa nasainy daholo ny rahalahiny zanaky ny mpanjaka,+ sy ny lehilahy rehetra anisan’ny fokon’i Joda sady mpanompon’ny mpanjaka. 10  Fa tsy mba nasainy kosa i Natana mpaminany sy Benaia sy ireo lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny. 11  Koa hoy i Natana+ tamin’i Batseba+ renin’i Solomona:+ “Tsy efa renao ve fa lasa mpanjaka i Adonia zanak’i Hagita,+ nefa tsy fantatr’i Davida tompontsika mihitsy izany? 12  Koa etsy ange ianao e! Mba avelao aho hanoro hevitra anao+ ka vonjeo ny ainao sy ny ain’i Solomona zanakao:+ 13  Mandehana mankao amin’i Davida Mpanjaka, ka izao lazaina aminy: ‘Tsy ianao moa, ry mpanjaka tompoko, no nianiana tamin’ny mpanompovavinao hoe: “I Solomona zanakao lahy no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako”?+ Koa nahoana indray no i Adonia no lasa mpanjaka?’ 14  Ary raha mbola eo am-piresahana amin’ny mpanjaka ianao, dia hiditra koa aho, ka hanamafy ny teninao.”+ 15  Koa nankao amin’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano anatiny+ i Batseba. Efa antitra be+ ny mpanjaka tamin’izay, ary nikarakara azy i Abisaga+ Sonemita. 16  Dia niondrika i Batseba ka niankohoka+ teo anatrehan’ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: “Inona no angatahinao?”+ 17  Dia hoy izy: “Tompokolahy ô,+ ianao no efa nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao ka niteny tamin’ny mpanompovavinao hoe: ‘I Solomona zanakao lahy no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako.’+ 18  I Adonia+ anefa izao no lasa mpanjaka, nefa tsy fantatry ny mpanjaka tompoko mihitsy izany.+ 19  Ary nanao sorona izy ka namono omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be. Nasainy daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka,+ sy Abiatara+ mpisorona ary Joaba+ lehiben’ny tafika, fa i Solomona mpanomponao tsy mba nasainy.+ 20  Ary miandrandra anao daholo ny mason’ny+ Israely rehetra, ry mpanjaka tompoko ô, mba hilaza amin’izy ireo hoe iza no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko handimby azy.+ 21  Azo antoka mantsy fa raha vao hodimandry any amin’ny razany ny mpanjaka tompoko,+ dia hoheverina ho olo-meloka izaho sy Solomona zanako.” 22  Raha mbola teo am-piresahana tamin’ny mpanjaka i Batseba, dia niditra i Natana mpaminany.+ 23  Avy hatrany dia nisy nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: “Ao i Natana mpaminany!” Dia niditra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.+ 24  Ary hoy i Natana: “Ry mpanjaka tompoko ô, angaha ianao efa niteny hoe: ‘I Adonia no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako’?+ 25  Nandeha nidina mantsy i Adonia androany mba hanao sorona+ omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be. Ary nasainy daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka sy ny lehiben’ny tafika ary Abiatara mpisorona.+ Koa mihinana sy misotro eo anatrehan’i Adonia ao ry zareo, ary izao foana no teniny: ‘Ho ela velona anie i Adonia Mpanjaka!’+ 26  Fa tsy mba nasainy kosa izaho mpanomponao, sy Zadoka+ mpisorona, sy Benaia+ zanak’i Joiada, ary Solomona mpanomponao.+ 27  Koa raha avy amin’ny mpanjaka tompoko izany zavatra izany, dia midika izany fa tsy nampahafantarinao+ ny mpanomponao hoe iza no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko handimby azy.” 28  Ary hoy ny navalin’i Davida Mpanjaka: “Asaivo mankatỳ i Batseba.”+ Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka i Batseba ka nijoro teo anatrehany. 29  Ary nianiana+ ny mpanjaka hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ izay nanavotra+ ahy+ tamin’ny fahoriako rehetra,+ 30  dia hotanterahiko anio ilay fianianako taminao tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoe: ‘I Solomona zanakao lahy no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako handimby ahy!’”+ 31  Ary niondrika i Batseba, ka niankohoka+ tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka, ary nanao hoe: “Ho ela velona anie i Davida Mpanjaka tompoko!”+ 32  Avy hatrany dia hoy i Davida Mpanjaka: “Asaivo mankatỳ i Zadoka+ mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia+ zanak’i Joiada.” Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. 33  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ireo: “Ento miaraka aminareo ireo mpanompon’ny+ tomponareo. Manana ramole aho ao, ka ampitaingeno an’iny i Solomona zanako,+ ary ento midina any Gihona+ izy. 34  Hanosotra+ azy ho mpanjakan’ny Israely i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany rehefa any. Dia tsofy ny anjombona,+ ka milazà hoe: ‘Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!’+ 35  Ary miakara hanaraka azy ianareo, ary hiditra izy ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako, fa izy no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hotendreko ho mpitarika ny Israely sy Joda.” 36  Dia namaly avy hatrany i Benaia zanak’i Joiada, ka hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Amena!*+ Ho toy izany koa anie ny tenin’i Jehovah Andriamanitry ny mpanjaka tompoko!+ 37  Sahala amin’ny nomban’i Jehovah ny mpanjaka tompoko+ anie no hombany an’i Solomona,+ ary hataony be voninahitra noho ny seza fiandrianan’i Davida Mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’i Solomona!”+ 38  Dia nidina i Zadoka+ mpisorona sy Natana+ mpaminany sy Benaia+ zanak’i Joiada sy ny Keretita+ ary ny Peletita,+ ka nampitaingeniny an’i Solomona ilay ramolevavin’i Davida Mpanjaka,+ ary nentiny tany Gihona+ i Solomona. 39  Ary nalain’i Zadoka mpisorona avy tao amin’ny tranolay+ ny tandroka misy menaka,+ ka nohosorany+ ho mpanjaka i Solomona. Dia notsofina ny anjombona, ary indray niredona ny olona rehetra hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!”+ 40  Dia niakatra nanaraka azy ny olona rehetra sady nitsoka sodina+ ary ravoravo fatratra,+ hany ka nitresaka ny tany+ noho ny kotaban’izy ireo. 41  Ary nandre izany i Adonia sy ny olona rehetra nasainy, rehefa avy nisakafo.+ Dia hoy i Joaba raha vao nandre feon’anjombona: “Inona izany tabataba izany fa toa mientanentana be ihany ny iray tanàna?”+ 42  Raha mbola niteny izy, dia tonga i Jonatana+ zanak’i Abiatara mpisorona. Dia hoy i Adonia: “Mandrosoa, fa lehilahy mahery fo ianao, ary mitondra vaovao tsara.”+ 43  Fa hoy ny navalin’i Jonatana an’i Adonia: “Tsy izany mihitsy! Efa nanao an’i Solomona ho mpanjaka i Davida Mpanjaka tompontsika.+ 44  Koa nirahin’ny mpanjaka hiaraka amin’i Solomona i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia zanak’i Joiada sy ny Keretita ary ny Peletita, ka nampitaingenin’ireo an’i Solomona ny ramolevavin’ny mpanjaka.+ 45  Ary nanosotra azy ho mpanjaka+ tany Gihona i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany. Dia niakatra avy tany izy ireo sady faly, ka nientanentana ny iray tanàna. Izany ilay tabataba renareo.+ 46  Ary tsy izany ihany fa efa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana i Solomona.+ 47  Tonga nirary soa an’i Davida Mpanjaka tompontsika koa ireo mpanompon’ny mpanjaka hoe: ‘Hataon’Andriamanitrao malaza noho ny anaranao anie ny anaran’i Solomona, ary hataony be voninahitra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany!’+ Dia niankohoka teo am-pandriana+ ny mpanjaka. 48  Ary hoy ny mpanjaka: ‘Hisaorana+ anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, fa nanome an’izay hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako izy androany, sady hitan’ny masoko izany!’”+ 49  Dia nangovitra ireo rehetra nasain’i Adonia ka nitsangana, ary samy lasa nandeha tany amin’izay nalehany avy.+ 50  Natahotra an’i Solomona koa i Adonia ka nitsangana. Dia lasa izy, ary namikitra tamin’ny tandroky ny alitara.+ 51  Taorian’izay, dia nisy nilaza tamin’i Solomona hoe: “Matahotra an’i Solomona Mpanjaka i Adonia, ka mamikitra amin’ny tandroky ny alitara, sady milaza hoe: ‘Aoka hianiana amiko aloha i Solomona Mpanjaka fa tsy hamono ny mpanompony amin’ny sabatra.’” 52  Dia hoy i Solomona: “Raha ho tonga lehilahy mahery fo izy, dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia ny singam-bolony iray aza.+ Fa raha hita kosa hoe misy ratsy hataony,+ dia tsy maintsy ho faty izy.”+ 53  Dia naniraka olona hampidina an’i Adonia avy teo amin’ny alitara i Solomona Mpanjaka. Ary tonga niankohoka teo anatrehan’i Solomona Mpanjaka izy. Dia hoy i Solomona taminy: “Modia any an-tranonao.”+

Fanamarihana

Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”