1 Mpanjaka 10:1-29

10  Lasa nalaza i Solomona noho ny anaran’i Jehovah.+ Ary ren’ny mpanjakavavin’i Sheba+ ny lazany, ka tonga hitsapa azy tamin’ny fanontaniana saro-baliana izy.+  Farany, dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanotrona maro be,+ narahin’ny rameva+ nitondra menaka balsama+ sy volamena be dia be ary vatosoa. Dia nankao amin’i Solomona izy, ka nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.+  Ary voavalin’i Solomona izay rehetra nanontaniany.+ Tsy nisy tsy voavalin’ny mpanjaka izany, satria tsy nisy niafina taminy ny zava-drehetra.+  Rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendrena rehetra nananan’i Solomona+ sy ny trano naoriny,+  sy ny sakafo teo an-databany,+ sy ny fomba nametrahana an’ireo mpanompony, sy ny fomba fiasan’ireo mpandroso sakafo sy ny fitafian’ireo, sy ny zava-pisotron’ny+ mpanjaka, ary ny sorona dorana izay natolony tsy tapaka tao an-tranon’i Jehovah, dia tena talanjona izy.  Koa hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko momba anao sy ny fahendrenao.+  Tsy nino ny tenin’ny olona aho raha tsy tonga tatỳ, ka ny masoko mihitsy no nahita. Fa hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko!+ Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra reko tamin’ny olona ny fahendrenao sy ny harenanao.+  Sambatra ny olonao,+ ary sambatra+ ireto mpanomponao ireto, izay eto anatrehanao mandrakariva, ka mandre ny fahendrenao!+  Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitrao+ izay nankasitraka+ anao ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely!+ Tian’i Jehovah mandritra ny fotoana tsy voafetra mantsy ny Israely,+ ka notendreny ho mpanjaka ianao,+ mba hamoaka didim-pitsarana+ sy hampihatra ny rariny.”+ 10  Dia nomen’ilay mpanjakavavy+ talenta volamena roapolo amby zato+ ny mpanjaka, ary koa menaka balsama+ tena be dia be sy vatosoa. Be dia be tokoa ny menaka balsama nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona Mpanjaka, ka tsy nisy menaka be dia be toy izany intsony tonga tany. 11  Nitondra hazo algoma+ be dia be sy vatosoa+ avy any Ofira, ny andian-tsambon’i Hirama,+ izay nitondra volamena avy any Ofira.+ 12  Ary ny hazo algoma dia nanaovan’ny mpanjaka tohana ho an’ny tranon’i Jehovah+ sy ho an’ny tranon’ny mpanjaka, ary harpa+ sy lokanga+ ho an’ny mpihira. Tsy nisy hazo algoma toy izany intsony tonga tany, na hita tany, mandraka androany. 13  Ary nomen’i Solomona Mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sheba izay rehetra nahafinaritra an-dravehivavy ka nangatahiny, ankoatra an’izay efa nomeny azy satria nalala-tanana+ taminy i Solomona Mpanjaka. Dia niverina nody tany amin’ny taniny ravehivavy sy ny mpanompony.+ 14  Ary ny lanjan’ny volamena+ tonga tany amin’i Solomona tao anatin’ny herintaona dia talenta volamena enina amby enimpolo sy eninjato,+ 15  ankoatra an’izay avy tamin’ny mpivaro-mandeha, sy izay tombony avy tamin’ny mpivarotra, ary izay avy tamin’ny mpanjaka+ rehetran’ny Arabo+ sy ireo governoran’ilay tany. 16  Ary nanao ampinga lehibe roanjato tamin’ny volamena misy fangarony+ i Solomona Mpanjaka, ka sekely volamena eninjato no nandrakofany ny ampinga lehibe tsirairay.+ 17  Nanao ampinga kely telonjato tamin’ny volamena misy fangarony koa izy, ka volamena telo mina no nandrakofany ny ampinga kely tsirairay.+ Dia napetrany tao amin’ny Trano Alan’i Libanona+ ireo. 18  Nanao seza fiandrianana+ ivoara+ lehibe koa ny mpanjaka, ary nopetahany takela-bolamena+ voadio izy io. 19  Nisy zanatohatra enina nankeo amin’ilay seza fiandrianana, ary nisy tafokely boribory nitatao tao aorian’izy io. Ary nasiany fitoeran-tanana teo amin’ny andaniny roa amin’ilay seza, ary nasiany liona+ iray avy nitsangana teo anilan’ireo fitoeran-tanana.+ 20  Nisy liona roa ambin’ny folo koa teo amin’ireo zanatohatra enina, ka enina avy no teo amin’ny andaniny roa. Tsy nisy mihitsy fanjakana nanana seza fiandrianana toy izany.+ 21  Volamena daholo ny kaopin’i Solomona Mpanjaka. Volamena tsy misy fangarony+ ny fitaovana rehetra tao amin’ny Trano Alan’i Libanona.+ Tsy nisy mihitsy zavatra vita tamin’ny volafotsy, satria noheverina ho tsinontsinona ny volafotsy tamin’ny andron’i Solomona. 22  Nanana andian-tsambon’i Tarsisy+ teny an-dranomasina ny mpanjaka, niaraka tamin’ny andian-tsambon’i Hirama. Ary tonga isaky ny telo taona ny andian-tsambon’i Tarsisy, izay nitondra volamena+ sy volafotsy sy ivoara+ sy rajako ary vorombola. 23  Koa nanan-karena+ sy hendry noho ny mpanjaka rehetra teto an-tany i Solomona+ Mpanjaka. 24  Ary te hihaona taminy ny olona rehetra teto an-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra tao am-pony.+ 25  Samy nitondra an’ireto fanomezana+ ireto izy ireo isan-taona:+ Zavatra vita tamin’ny volafotsy+ sy volamena, fitafiana, fiadiana,+ menaka balsama, ary soavaly sy ramole.+ 26  Ary nanangona kalesy sy soavaly fitondra miady maro kokoa hatrany i Solomona, ka nanjary nanana kalesy efajato sy arivo, sy soavaly fitondra miady roa arivo sy iray alina.+ Nataony tao amin’ny tanàna fanatobiana kalesy, sy tany akaikin’ny mpanjaka tany Jerosalema ireo.+ 27  Ary nataon’ny mpanjaka be dia be toy ny vato ny volafotsy tany Jerosalema,+ ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.+ 28  Nahazo soavaly nohafarana avy tany Ejipta i Solomona, ka ny mpandraharahan’ny mpanjaka no nasaina nividy ny andian-tsoavaly araka izay vidiny.+ 29  Ary efa fanao ny nitondra kalesy niakatra avy tany Ejipta, ka farantsa volafotsy eninjato no vidin’ny kalesy iray, ary farantsa volafotsy dimampolo amby zato ny soavaly iray. Dia toy izany koa no natao ho an’ny mpanjaka rehetran’ny Hetita+ sy ireo mpanjakan’i Syria. Tamin’ny alalan’ireny mpandraharahan’ny mpanjaka ireny no nanaovan’izy ireo ny fanafarana.

Fanamarihana