1 Mpanjaka 11:1-43

11  Tia vady maro hafa firenena i Solomona Mpanjaka,+ ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao,+ dia vehivavy moabita+ sy amonita+ sy edomita+ sy sidonianina+ ary hetita,+  avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny zanak’Israely hoe: “Aza mankany amin’ireny ianareo,+ ary ireny koa tsy tokony hankany aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Ireny anefa no niraiketan’ny+ fitiavan’i Solomona.  Ary nanjary nanana vady andriambavy fitonjato izy, ary vadikely telonjato, ka voatarik’ireny tsikelikely+ ny fony.  Rehefa antitra i Solomona,+ dia voatarik’ireny+ vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa+ ny fony. Ary tsy nifikitra tanteraka+ tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy.  Fa nanaraka an’i Astarta,+ andriamanibavin’ny Sidonianina i Solomona, sady nanaraka an’i Milkoma,+ zava-maharikoriko notompoin’ny Amonita.  Ary nanao izay ratsy+ teo imason’i Jehovah i Solomona, ka tsy nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo, tsy mba hoatran’i Davida rainy.+  Tamin’izay i Solomona no nanorina toerana avo+ teo amin’ilay tendrombohitra+ nanandrify+ an’i Jerosalema, ho an’i Kemosy,+ zava-maharikoriko+ notompoin’i Moaba, sy ho an’i Moleka, zava-maharikoriko notompoin’ny taranak’i Amona.  Ary toy izany no nataony ho an’ny vadiny rehetra hafa firenena,+ izay nanolotra setroka ho sorona sady nanao sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.+  Dia tezitra mafy+ tamin’i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay niseho taminy indroa.+ 10  Ary efa nandidy azy mba tsy hanao izany sy tsy hanaraka andriamani-kafa+ i Jehovah, nefa tsy nitandrina an’izany didy izany izy. 11  Koa hoy i Jehovah taminy: “Satria izany no nataonao, ka tsy nohajainao ny fifanekena nataoko sady tsy notandremanao ny lalàko izay nandidiako anao, dia hesoriko aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.+ 12  Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany+ noho ny amin’i Davida rainao,+ fa rehefa eo an-tanan’ny zanakao ny fanjakana vao hesoriko aminy.+ 13  Tsy ny fanjakana manontolo anefa no hesoriko aminy,+ fa homeko foko iray izy noho ny amin’i Davida mpanompoko+ sy noho ny amin’i Jerosalema izay nofidiko.”+ 14  Ary nataon’i Jehovah izay hisian’ny mpanohitra+ an’i Solomona,+ dia i Hadada Edomita izay taranaka mpanjaka. Tany Edoma+ izy tamin’izay. 15  Fony i Davida namely an’i Edoma,+ rehefa niakatra handevina an’izay maty i Joaba lehiben’ny tafika, dia niezaka hamono ny lahy rehetra tany Edoma+ i Joaba. 16  Fa enim-bolana no nijanonan’i Joaba sy ny Israely rehetra tany, mandra-pandringany ny lahy rehetra tany Edoma. 17  Nandositra anefa i Hadada, ary niaraka taminy ny lehilahy edomita sasany anisan’ny mpanompon-drainy, ka nankany Ejipta izy ireo. Mbola ankizilahikely i Hadada tamin’izay. 18  Dia niainga avy tany Midianina+ izy ireo ary nankany Parana,+ ka naka olona avy tany mba hiaraka taminy. Ary nankany Ejipta, tany amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta izy ireo, ka nomeny trano. Nasainy nomena sakafo koa izy ireo, ary nomeny tany. 19  Ary tena tian’i+ Farao i Hadada, ka nomeny ho vadiny+ ny rahavavim-badiny, izany hoe ny rahavavin’i Tapanesa andriambavy. 20  Tatỳ aoriana, dia niteraka an’i Genobata zanany lahy tamin’i Hadada ny rahavavin’i Tapanesa. Ary tao an-tranon’i Farao mihitsy i Tapanesa no nampisara-nono+ an’i Genobata. Dia nipetraka tao an-tranon’i Farao, niaraka tamin’ny zanany, i Genobata. 21  Ary ren’i Hadada tany Ejipta fa nodimandry any amin’ny razany i Davida,+ ary maty koa i Joaba lehiben’ny tafika.+ Dia hoy izy tamin’i Farao: “Alefaso+ hody any amin’ny taniko aho.” 22  Fa hoy i Farao taminy: “Fa inona no mahory anao eto amiko no te hody any amin’ny taninao ianao?” Dia hoy izy: “Tsy misy! Fa alefaso mihitsy aho na izany aza.” 23  Nataon’Andriamanitra koa izay hisian’ny mpanohitra+ an’i Solomona, dia i Rezona zanak’i Eliada. Nandositra an’i Hadadezera+ tompony, mpanjakan’i Zoba,+ izy. 24  Ary tsy nitsahatra namory olona homba azy izy, ka tonga lehiben’ny mpandroba, tamin’i Davida namono ny olona tao Zoba.+ Koa nankany Damaskosy+ izy ireo ary nanorim-ponenana tany, dia nanjaka tany. 25  Ary lasa mpanohitra ny Israely i Rezona, tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona,+ ka nanampy trotraka ny ratsy efa nataon’i Hadada. Nankahala+ ny Israely izy tamin’izy nanjaka tany Syria. 26  Ary teo koa i Jeroboama+ zanak’i Nebata. Efraimita avy any Zareda izy, ary mpanompon’i Solomona.+ Zeroa no anaran-dreniny, ary mpitondratena ravehivavy. Nikomy tamin’ny mpanjaka koa io Jeroboama io.+ 27  Nikomy tamin’ny mpanjaka izy, satria nanorina ny Dongon-tany+ i Solomona, ka notampenany ny banga teo amin’ny Tanànan’i Davida rainy.+ 28  Lehilahy matanjaka sy mahery fo+ i Jeroboama. Rehefa hitan’i Solomona fa tia niasa mafy+ io tovolahy io, dia notendreny ho mpiandraikitra+ ny fanompoana+ rehetra tsy maintsy nataon’ny taranak’i Josefa+ izy. 29  Ary tamin’izay fotoana izay no nivoahan’i Jeroboama avy tany Jerosalema, ka nahitan’i Ahia+ mpaminany azy teny an-dalana. Akanjo vaovao no nanaovan’i Ahia Silonita,+ ary izy roa lahy irery no tany an-tsaha. 30  Dia nalain’i Ahia ilay akanjo vaovao teny aminy, ka norovidrovitiny+ ho roa ambin’ny folo.+ 31  Ary hoy izy tamin’i Jeroboama: “Makà folo ho anao, fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hesoriko tsy ho eo an-tanan’i Solomona ny fanjakana, ka homeko foko folo ianao.+ 32  Mbola ho azy ihany anefa ny foko iray,+ noho ny amin’i Davida mpanompoko+ sy noho ny amin’i Jerosalema,+ ilay tanàna nofidiko teo amin’ny foko rehetran’ny Israely. 33  Ny antony dia satria nahafoy ahy izy ireo+ ka niankohoka teo anatrehan’i Astarta+ andriamanibavin’ny Sidonianina, sy Kemosy+ andriamanitr’i Moaba, ary Milkoma+ andriamanitry ny taranak’i Amona. Ary tsy nandeha tamin’ny lalako izy ireo, ka tsy nanao izay mahitsy teo imasoko sady tsy nitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, tsy mba hoatran’i Davida rainy. 34  Tsy ny fanjakana manontolo anefa no hesoriko eo an-tanany, satria hotendreko ho mpiadidy izy mandritra ny androm-piainany, noho ny amin’i Davida mpanompoko izay nofidiko,+ fa nitandrina ny didiko sy ny lalàko izy. 35  Ary hesoriko tsy ho eo an-tanan’ny zanany tokoa ny fanjakana, ka homeko anao. Dia ho lasanao ny foko folo.+ 36  Fa homeko foko iray ny zanany, mba hisy jiro ho an’i Davida mpanompoko foana eo anatrehako, any Jerosalema,+ ilay tanàna nofidiko ho ahy mba hametrahana ny anarako.+ 37  Ary ianao no hofidiko, ka hanjaka eo amin’izay rehetra irinao,+ ary ho mpanjakan’ny Israely tokoa ianao. 38  Koa raha mankatò an’izay rehetra handidiako anao ianao, sady tena mandeha amin’ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko, ka mitandrina ny lalàko sy ny didiko sahala amin’ny nataon’i Davida mpanompoko,+ dia homba anao aho+ ka hampaharitra ny taranakao, sahala amin’izay nataoko ho an’i Davida.+ Ary homeko anao ny Israely. 39  Ary haetriko ny taranak’i Davida noho izany ratsy nataony izany,+ nefa tsy avelako hietry eo foana izy.’”+ 40  Nitady hamono an’i Jeroboama i Solomona.+ Koa lasa nandositra+ tany Ejipta ho any amin’i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta i Jeroboama, ary nijanona tany mandra-pahafatin’i Solomona. 41  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Solomona, mbamin’izay rehetra nataony sy ny fahendreny, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’i Solomona ve izany? 42  Efapolo taona ny andro nanjakan’i Solomona tany Jerosalema, teo amin’ny Israely rehetra.+ 43  Dia nodimandry any amin’ny razany izy,+ ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida+ rainy. Ary i Rehoboama+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana