1 Mpanjaka 12:1-33

12  Nankany Sekema+ i Rehoboama,+ satria tany no nalehan’ny Israely rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.  Raha vao ren’i Jeroboama+ zanak’i Nebata izany, raha mbola tany Ejipta+ izy—fa nandositra tany izy noho ny amin’i Solomona Mpanjaka ka nonina tany—  dia nampiantso azy ny olona. Dia tonga i Jeroboama sy ny fiangonan’Israely manontolo, ka niteny tamin’i Rehoboama hoe:+  “Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao, fa ianao kosa, mba hamaivano+ ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra+ nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.”+  Dia hoy izy tamin’ireo: “Mandehana aloha, dia miverena atỳ amiko rehefa afaka telo andro.”+ Koa lasa ny olona.  Ary i Rehoboama Mpanjaka naka hevitra tamin’ireo zokiolona+ izay mpanolo-tsaina an’i Solomona rainy fony fahavelony, ka niteny hoe: “Inona no havaly ny vahoaka, araka ny hevitrareo?”+  Dia hoy ireo zokiolona taminy: “Raha asehonao fa mpanompon’ny vahoaka ianao, ary tena manompo azy,+ dia teny mahafinaritra no tokony havalinao sy holazainao aminy.+ Dia azo antoka fa hanompo anao foana ny vahoaka.”+  Tsy nanaiky ny soso-kevitr’ireo zokiolona anefa izy, fa naka hevitra tamin’ireo tovolahy niaraka lehibe taminy,+ izay mpanolo-tsaina azy.+  Hoy izy tamin’ireo: “Inona no soso-kevitra omenareo+ mba havalintsika ny vahoaka? Niteny tamiko mantsy ry zareo hoe: ‘Mba hamaivano ny zioga nampitondrain’ny rainao anay.’”+ 10  Koa hoy ireo tovolahy niaraka lehibe taminy: “Na dia nilaza taminao aza ny vahoaka hoe: ‘Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao, fa ianao kosa tokony hanamaivana izany’, dia izao lazaina+ aminy: ‘Ho lehibe noho ny andilan’ny raiko ny ankikeliko.+ 11  Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hampitombo ny zioganareo.+ Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.’”+ 12  Dia nankany amin’i Rehoboama i Jeroboama sy ny olona rehetra, tamin’ny andro fahatelo, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: “Miverena atỳ amiko amin’ny andro fahatelo.”+ 13  Teny henjana+ anefa no navalin’ny mpanjaka ny vahoaka, ary tsy noraisiny ny soso-kevitr’ireo zokiolona.+ 14  Nanaraka ny soso-kevitr’ireo tovolahy+ izy, ka nilaza hoe: “Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hampitombo ny zioganareo. Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.”+ 15  Koa tsy nohenoin’ny mpanjaka ny vahoaka,+ satria avy tamin’i Jehovah izany,+ mba hanatanterahan’i Jehovah ny teny+ nolazainy tamin’i Jeroboama zanak’i Nebata, tamin’ny alalan’i Ahia+ Silonita. 16  Rehefa hitan’ny vahoakan’Israely manontolo fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin’izy ireo: “Inona moa no mba anjaranay amin’i Davida?+ Tsy misy lovanay ange ao amin’ny zanak’i Jese e! Samia mankany amin’ny andriamaniny avy,+ ry Israely ô! Karakarao amin’izay ny taranakao, ry Davida ô!”+ Dia nody tany amin’ny tranolainy avy ny Israely. 17  Ny zanak’Israely izay nonina tany amin’ireo tanànan’i Joda ihany no mbola nanjakan’i Rehoboama.+ 18  Tatỳ aoriana, dia nirahin’i Rehoboama Mpanjaka i Adorama,+ izay niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana.+ Nitora-bato+ azy anefa ny Israely rehetra, ka maty izy. I Rehoboama Mpanjaka kosa tafakatra tao anaty kalesiny, ka nandositra tany Jerosalema. 19  Ary mbola mikomy+ amin’ny taranak’i Davida ny Israelita mandraka androany.+ 20  Raha vao ren’ny Israely rehetra fa tafaverina i Jeroboama, dia nampiantso azy avy hatrany izy ireo hankeo amin’ny vahoaka, ka nampanjaka azy teo amin’ny Israely rehetra.+ Tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida, afa-tsy ny fokon’i Joda ihany.+ 21  Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama,+ dia namory ny taranak’i Joda rehetra sy ny fokon’i Benjamina,+ izany hoe vatan-dehilahy mpiady voafantina valo alina sy iray hetsy. Namory azy ireo hiady tamin’ny taranak’Israely i Rehoboama zanak’i Solomona, mba hahazoana indray ny fanjakana. 22  Dia tonga tamin’i Semaia+ lehilahin’Andriamanitra,+ ny tenin’Andriamanitra, nanao hoe: 23  “Lazao amin’i Rehoboama zanak’i Solomona mpanjakan’ny Joda, sy amin’ny taranak’i Joda sy Benjamina rehetra, ary amin’ny vahoaka sisa hoe: 24  ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Aza miakatra hiady amin’ny zanak’Israely rahalahinareo,+ fa samia mody any an-tranony avy. Fa izaho no nahatonga izao zavatra izao.”’”+ Dia nankatò ny tenin’i Jehovah izy ireo,+ ka nody tany an-tranony araka ny tenin’i Jehovah.+ 25  Dia nanorina an’i Sekema+ tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Jeroboama, ka nonina tany. Ary niala tany izy, ka nanorina an’i Penoela.+ 26  Ary hoy i Jeroboama anakampo:+ “Hiverina amin’ny taranak’i Davida izao ny fanjakana.+ 27  Raha miakatra lava mba hanao sorona ao an-tranon’i Jehovah any Jerosalema+ ity vahoaka ity, dia tena hiverina amin’ny tompon’izy ireo indray ny fony, dia amin’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda. Ary hamono ahy tokoa izy ireo,+ ka hiverina amin’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda.” 28  Koa naka hevitra+ ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa,+ ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Mafy loatra aminareo ny miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao+ izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+ 29  Dia napetrany tao Betela+ ny iray, fa ny iray kosa tany Dana.+ 30  Nahatonga ny vahoaka hanota izany,+ ka tonga hatrany Dana izy ireo mba ho eo anatrehan’ilay zanak’omby tao. 31  Nanao trano teny amin’ireo toerana avo+ i Jeroboama, sady nanendry mpisorona avy tamin’ny sarambabem-bahoaka, izay tsy anisan’ny taranak’i Levy.+ 32  Ary nataon’i Jeroboama andro fety ny fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahavalo, sahala amin’ny fety tany Joda,+ mba hanolorany fanatitra teo amin’ilay alitara nataony tao Betela, ka hanaovany sorona ho an’ireo zanak’omby nataony. Ary notendreny hanompo tao Betela+ ny mpisoron’ireo toerana avo namboariny. 33  Dia nanolotra fanatitra teo amin’ilay alitara nataony tao Betela izy, tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahavalo. Izy ihany no nifidy an’io volana io.+ Ary nanao andro fety ho an’ny zanak’Israely izy, sady nanolotra fanatitra teo amin’ilay alitara mba hidona-tsetroka.+

Fanamarihana