1 Mpanjaka 13:1-34

13  Nisy lehilahin’Andriamanitra+ niainga avy any Joda, noho ny tenin’i+ Jehovah. Ary tonga tany Betela izy, raha mbola nitsangana teo anilan’ny alitara+ i Jeroboama mba hanolotra setroka ho sorona.+  Dia nanameloka an’ilay alitara ilay lehilahin’Andriamanitra, araka ny tenin’i Jehovah, ka niantsoantso hoe: “Ry alitara ô, ry alitara ô! Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny taranak’i Davida. Josia+ no anarany. Ary hataony sorona eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana avo, izay manolotra setroka ho sorona eo amboninao. Taolan’olona no hodorany eo amboninao.’”+  Dia nilaza fambara+ izy tamin’izay andro izay hoe: “Izao no fambara nolazain’i Jehovah: Jereo fa hitresaka ny alitara ka hiraraka ny lavenona feno menaka izay eo amboniny.”  Raha vao ren’i Jeroboama Mpanjaka ny tenin’ilay lehilahin’Andriamanitra izay niantsoantso nanameloka ilay alitara tao Betela, dia natsotrany avy hatrany ny tanany hiala teo amin’ny alitara, ka hoy izy: “Hazòny izy!”+ Avy hatrany, dia maty ilay tanany natsotrany izay nanondroany an-dralehilahy, ka tsy azony naforitra.+  Ary nitresaka ny alitara, ka raraka avy teo ny lavenona feno menaka, araka ilay fambara nomen’ilay lehilahin’Andriamanitra, araka izay nolazain’i Jehovah.+  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: “Mba iangavio re i Jehovah Andriamanitrao, azafady, ka mivavaha ho ahy mba hiverina amin’ny laoniny ny tanako e!”+ Dia niangavy+ an’i Jehovah ilay lehilahin’Andriamanitra, ka niverina tamin’ny laoniny ny tanan’ny mpanjaka ary lasa toy ny taloha.+  Hoy koa izy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: “Andao hiaraka amiko ho any an-trano, mba hihinan-javatra kely,+ ary homeko fanomezana+ ianao.”  Fa hoy ilay lehilahin’Andriamanitra taminy: “Na homenao ahy aza ny antsasaky ny tranonao,+ dia tsy hiaraka aminao aho,+ na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ amin’ity toerana ity.  Fa izao no baiko nomena ahy, araka ny tenin’i Jehovah: ‘Aza mihinan-kanina+ na misotro rano, ary aza miverina amin’izay lalana efa nalehanao.’” 10  Dia lalan-kafa no nalehany, fa tsy niverina tamin’ilay lalana nahatongavany tany Betela izy. 11  Fa nisy mpaminany+ zokiolona iray nipetraka tany Betela. Ary tonga tao aminy ny zanany, ka nitantara taminy ny zava-drehetra nataon’ilay lehilahin’Andriamanitra tao Betela tamin’iny andro iny, mbamin’ny teny nolazainy tamin’ny mpanjaka. Eny, notantarain’izy ireo tamin-drainy izany. 12  Ary hoy ny rainy tamin’izy ireo: “Dia nankaiza ny lalany?” Koa natoron’ny zanany azy ny lalana nalehan’ilay lehilahin’Andriamanitra, izay avy any Joda. 13  Hoy koa izy tamin’ny zanany: “Asio lasely ny ampondra mba hitaingenako.” Dia nasian’izy ireo lasely ny ampondra+ ka nitaingenany. 14  Ary nanaraka an’ilay lehilahin’Andriamanitra izy, ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ny hazobe.+ Dia hoy izy: “Ianao ve ilay lehilahin’Andriamanitra avy any Joda?”+ Ary hoy izy: “Ia, izaho no izy.” 15  Dia hoy izy: “Andao hiaraka amiko ho any an-trano mba hihinan-kanina.” 16  Fa hoy izy: “Tsy afaka miverina miaraka aminao aho na miditra ao an-tranonao, ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano miaraka aminao atỳ amin’ity toerana ity aho.+ 17  Izao mantsy no nolazaina tamiko, araka ny tenin’i Jehovah:+ ‘Aza mihinan-kanina na misotro rano any ianao, ary aza miverina amin’izay lalana efa nalehanao.’”+ 18  Dia hoy izy taminy: “Izaho koa mba mpaminany sahala aminao. Ary nisy anjely+ nilaza tamiko ny tenin’i Jehovah hoe: ‘Asaivo miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.’” Namitaka azy anefa izy.+ 19  Koa niara-niverina taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.+ 20  Raha mbola nipetraka teo anoloan’ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ilay mpaminany izay nitondra azy niverina ny tenin’i+ Jehovah. 21  Koa hoy izy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra avy any Joda: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Satria nikomy+ tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah ianao, ary tsy nitandrina ny didy nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao,+ 22  fa niverina mba hihinan-kanina sy hisotro rano tany amin’ilay toerana efa nolazainy taminao hoe: “Aza mihinan-kanina na misotro rano any”, dia tsy ho tonga any amin’ny fasan-drazanao ny fatinao.’”+ 23  Rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely avy hatrany ny ampondra mba hitaingenan’ilay mpaminany izay nentiny niverina. 24  Ary lasa nandeha io. Nony afaka kelikely, dia nisy liona+ nahita azy teny an-dalana ka namono azy.+ Dia nipitika teo amin’ny lalana ny fatiny, fa ilay ampondra kosa nijoro teo anilan’ny faty. Nijanona teo anilan’ny faty koa ilay liona. 25  Ary nisy olona nandalo ka nahita ilay faty teo an-dalana, sy ilay liona nijanona teo anilan’ny faty. Dia niditra tao an-tanàna ireo, ka nilaza izany tao amin’ilay tanàna nonenan’ilay mpaminany zokiolona. 26  Raha vao nandre izany ilay mpaminany nitondra azy niverina, dia niteny hoe: “Ilay lehilahin’Andriamanitra nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah+ izay! Natolotr’i Jehovah hoviravirain’ny liona sy hovonoiny izy, araka ny tenin’i Jehovah taminy.”+ 27  Ary hoy izy tamin’ireo zanany: “Asio lasely ny ampondra mba hitaingenako.” Dia nasian’izy ireo lasely ilay ampondra.+ 28  Ary lasa nandeha izy, ka nahita ny fatin-dralehilahy teo an-dalana, ary samy nijoro teo anilan’ilay faty ny ampondra sy ny liona. Tsy nohanin’ilay liona ilay faty, ary tsy noviravirainy ilay ampondra.+ 29  Dia nobatain’ilay mpaminany ny fatin’ilay lehilahin’Andriamanitra, ka nataony teo ambony ampondra, ary nentiny niverina. Ary niditra tao an-tanànany ilay mpaminany zokiolona, mba hitomany sy handevina azy. 30  Koa naleviny tao amin’ny fasany ny fatin-dralehilahy. Ary nitomany azy+ ny olona, sady nanao hoe: “Indrisy, ry rahalahiko!” 31  Rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin’ireo zanany: “Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin’ny fasana misy an’ilay lehilahin’Andriamanitra, ka apetraho eo anilan’ny taolany ny taolako.+ 32  Fa tsy maintsy ho tanteraka+ ilay tenin’i Jehovah nataony antso avo, ka nanamelohany an’ilay alitara+ eto Betela sy ireo trano rehetra eny amin’ny toerana avo+ ao amin’ireo tanànan’i Samaria.”+ 33  Mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny i Jeroboama taorian’izany, fa mbola nanendry olona avy tamin’ny sarambabem-bahoaka mba ho mpisoron’ny toerana avo.+ Koa izay tia an’izany, dia nomeny fahefana,+ ka hoy izy: “Aoka izy ho anisan’ireo mpisoron’ny toerana avo.” 34  Ary nahatonga ny ankohonan’i Jeroboama hanota izany,+ ka nitarika ho amin’ny fanafoanana sy ny fandringanana azy tsy ho etỳ ambonin’ny tany.+

Fanamarihana