1 Mpanjaka 14:1-31

14  Narary i Abia zanak’i Jeroboama,+ tamin’izay fotoana izay.  Koa hoy i Jeroboama tamin’ny vadiny: “Mitsangàna re, azafady, ary mody manaova olon-kafa+ mba tsy ho fantatry ny olona hoe vadiko ianao, ka mandehana any Silo. Any mantsy i Ahia+ mpaminany, izay nilaza tamiko hoe ho mpanjakan’ity firenena ity aho.+  Ary mitondrà mofo+ folo sy mofomamy ary tantely eran’ny tavoara,+ ka mankanesa ao amin’i Ahia,+ fa izy no hilaza aminao izay hanjo ny zaza.”+  Koa izany tokoa no nataon’ny vadin’i Jeroboama ka niainga ho any Silo+ izy, ary nankao an-tranon’i Ahia. Ary efa tsy nahita intsony i Ahia fa efa pahina ny masony, noho izy efa be taona.+  Ary efa niteny tamin’i Ahia i Jehovah hoe: “Iny avy iny ny vadin’i Jeroboama mba hanontany anao momba an-janany, fa marary ilay zaza. Koa izao sy izao no holazainao aminy. Ary izao no hitranga: Raha vao tonga izy, dia hataony izay tsy hahafantarana azy.”+  Raha vao ren’i Ahia ny figodongodon’ny tongony niditra teo amin’ny fidirana, dia hoy izy: “Mandrosoa, ry vadin’i Jeroboama!+ Nahoana ianao no manao izay tsy hahafantarana anao, nefa izaho nirahina ho any aminao mba hitondra hafatra henjana?  Mandehana lazao amin’i Jeroboama hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Nasandratro avy teo amin’ny vahoaka ianao mba hotendreko ho mpitarika ny Israely oloko.+  Ary nesoriko+ tamin’ny taranak’i Davida ny fanjakana ka nomeko anao, nefa ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny didiko sy nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo ka tsy nanao afa-tsy izay mahitsy teo imasoko.+  Fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra talohanao ianao, ka lasa nanao andriamani-kafa+ sy sarivongana metaly+ mba hampahatezitra+ ahy, fa izaho kosa narianao tany ivohonao.+ 10  Noho izany, dia hahatonga loza amin’ny ankohonan’i Jeroboama aho, ka haringako daholo ny lahy rehetra+ anisan’ny ankohonany, dia ireo tsy misy mpiaro sy tsy misy ilana azy eo amin’ny Israely.+ Ary hofafako tsy hisy intsony ny ankohonan’i Jeroboama+ toy ny famafa diky,* mandra-panaisotra azy tanteraka.+ 11  Koa izay ankohonan’i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika,+ ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin’ny voro-manidina,+ fa i Jehovah no efa niteny.”’ 12  “Fa ianao kosa, mitsangàna ka modia any an-tranonao, fa raha vao mandingana ho ao an-tanàna ny tongotrao, dia ho faty tokoa ilay zaza. 13  Koa hitomany azy ny Israely rehetra+ ary handevina azy, satria izy irery ihany, amin’ny ankohonan’i Jeroboama, no hiditra am-pasana. Tamin’ny ankohonan’i Jeroboama mantsy, dia izy no mba nahitana zavatra tsara teo imason’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 14  Ary hanendry mpanjaka+ hitondra ny Israely i Jehovah, ka io no handringana ny ankohonan’i Jeroboama amin’io andro voalaza io. Ary ahoana raha mitranga izao ankehitriny izao izany?+ 15  Dia hasian’i Jehovah tokoa ny Israely, toy ny bararata mihozongozona any anaty rano.+ Ary tena hongotany+ tsy ho eto amin’ity tany tsara+ nomeny ny razany ity ny Israely, ka haparitany+ any ampitan’ny Renirano,+ noho izy ireo nanao an’ireny tsato-kazony masina+ ireny, ka nampahatezitra+ an’i Jehovah. 16  Ary hafoiny+ ny Israely noho ny fahotana izay nataon’i Jeroboama sy nampanotany ny Israely.”+ 17  Dia nitsangana ny vadin’i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza.+ Raha vao tonga teo an-tokonan’ny tranony izy, dia maty ilay zanany. 18  Koa nalevina ilay zaza, ary nitomany azy ny Israely rehetra, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ahia mpaminany mpanompony. 19  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Jeroboama, eny, ny ady nataony+ sy ny nanjakany, dia efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. 20  Roa amby roapolo taona ny andro nanjakan’i Jeroboama, dia nodimandry any amin’ny razany izy.+ Ary i Nadaba+ zanany no nanjaka nandimby azy. 21  Ary i Rehoboama+ zanak’i Solomona no lasa mpanjaka tany Joda. Iraika amby efapolo taona i Rehoboama tamin’izy nanomboka nanjaka, ary fito ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna+ nofidin’i Jehovah teo amin’ny foko+ rehetran’ny Israely mba hametrahany ny anarany.+ Ary Nama no anaran-dreniny, dia i Nama Amonita.+ 22  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana ny Joda,+ hany ka nanao izay hahasaro-piaro Azy+ mihoatra noho ny nataon’ny razan’izy ireo tamin’ny fahotana+ vitany. 23  Nanao toerana avo+ ho an’ny tenany koa izy ireo, ary nanao tsangambato masina+ sy tsato-kazo masina,+ teny amin’ny havoana+ avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka+ rehetra. 24  Ary nisy lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly mihitsy aza tao amin’ilay tany.+ Dia nataon’izy ireo daholo ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ireo firenena noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely.+ 25  Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama Mpanjaka, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta. 26  Dia nalainy ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy ireo tao an-tranon’ny mpanjaka,+ ka lasany daholo ny zava-drehetra.+ Lasany koa ny ampinga volamena rehetra nataon’i Solomona.+ 27  Koa nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama Mpanjaka, ka nametraka izany ho andraikitr’ireo lehiben’ny mpihazakazaka,+ dia ireo mpiambina ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka.+ 28  Ary isaky ny nankao amin’ny tranon’i Jehovah ny mpanjaka, dia nentin’ny mpihazakazaka ireo ampinga ireo, ary avy eo dia naveriny tao amin’ny efitra fiambenan’izy ireo.+ 29  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Rehoboama, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 30  Ary nisy ady foana teo amin’i Rehoboama sy Jeroboama.+ 31  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama, ka nalevina any amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Nama no anaran-dreniny, dia i Nama Amonita.+ Ary i Abiama+ zanak’i Rehoboama no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Jereo De 23:13 f.a.p.