1 Mpanjaka 15:1-34

15  Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Jeroboama+ Mpanjaka zanak’i Nebata,+ no lasa mpanjakan’ny Joda i Abiama.+  Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Maka,+ zafikelin’i Abisaloma.+  Nandeha tamin’ny fahotana rehetra efa nataon-drainy talohany i Abiama. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony,+ tsy mba hoatran’ny fon’i Davida razambeny.+  Fa noho ny amin’i Davida+ no nanomezan’i Jehovah Andriamaniny azy jiro+ tany Jerosalema, ka nanendreny an-janany handimby azy sy nampaharetany an’i Jerosalema.+  Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah mantsy i Davida, ary tsy niala tamin’izay nandidiany azy izy nandritra ny androm-piainany,+ afa-tsy tamin’ilay raharaha momba an’i Oria Hetita.+  Ary nisy ady teo amin’i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainany.+  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? Ary nisy ady koa teo amin’i Abiama sy Jeroboama.+  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Abiama, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Asa+ zanany no nanjaka nandimby azy.  Tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely no nanjakan’i Asa teo amin’ny Joda. 10  Iraika amby efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny renibeny dia Maka,+ zafikelin’i Abisaloma.+ 11  Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah i Asa, sahala amin’i Davida razambeny.+ 12  Koa nofoanany teo amin’ilay tany ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly,+ ary nesoriny daholo koa ny sampy maharikoriko*+ nataon’ny razany.+ 13  Nesoriny tsy ho andriambavy+ koa na dia i Maka+ renibeny aza, satria nanao sampy mahatsiravina izay nampiasaina hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina. Dia nokapain’i Asa ilay sampy+ mahatsiravina nataon’ny renibeny ka nodorany+ tao amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona.+ 14  Fa tsy mba nesoriny+ kosa ireo toerana avo.+ Na izany aza, dia nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah ny fon’i Asa, nandritra ny androm-piainany.+ 15  Ary nampidiriny tao an-tranon’i Jehovah izay zavatra nohamasinin-drainy sy nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary zavatra maro hafa.+ 16  Ary nisy ady teo amin’i Asa sy Basa+ mpanjakan’ny Israely, nandritra ny androm-piainan’izy ireo. 17  Koa niakatra hanafika an’i Joda i Basa mpanjakan’ny Israely, ary nanorina an’i Rama+ izy mba tsy hamelana na iza na iza hivezivezy hankao amin’i Asa mpanjakan’ny Joda.+ 18  Koa nalain’i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony. Ary nirahin’i Asa Mpanjaka ireo ho any amin’i Beni-hadada+ zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Syria,+ izay nonina tao Damaskosy,+ mba hilaza hoe: 19  “Misy fifanekena eo amiko sy aminao, ary eo amin’ny raiko sy ny rainao. Nandefasako volafotsy sy volamena ianao ho fanomezana.+ Koa foany ny fifanekena nifanaovanao tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko.”+ 20  Dia neken’i Beni-hadada ny tenin’i Asa Mpanjaka, ka nirahiny ireo lehiben’ny tafiny mba hanafika ny tanànan’ny Israely. Koa notafihiny i Iona+ sy Dana+ sy Abela-beti-maka+ mbamin’i Kinereta manontolo, hatrany amin’ny tanin’i Naftaly+ manontolo. 21  Raha vao ren’i Basa izany, dia tsy nanorina an’i Rama+ intsony izy. Ary mbola nonina tao Tirza+ izy. 22  Fa nampiantsoin’i Asa Mpanjaka kosa ny Joda+ rehetra, ary tsy nisy afa-niala tamin’ny fiantsoany. Dia nentin’ny olona ny vato sy ny hazo nanorenan’i Basa an’i Rama, ka ireny no nampiasain’i Asa Mpanjaka hanorenana an’i Geba+ an’i Benjamina, sy Mizpa.+ 23  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Asa rehetra, mbamin’ny heriny rehetra sy izay rehetra nataony ary ireo tanàna naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? Narary tongotra+ anefa izy rehefa antitra.+ 24  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Asa,+ ka nalevina any amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida razambeny.+ Ary i Josafata+ zanany no nanjaka nandimby azy. 25  Ary i Nadaba+ zanak’i Jeroboama kosa lasa mpanjakan’ny Israely tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy. 26  Ary nanao izay ratsy+ teo imason’i Jehovah foana izy, ary mbola nanao hoatran’izay nataon-drainy+ sady nanao araka ny fahotan-drainy izay nampanotany ny Israely.+ 27  Ary nanao tetika hamelezana an’i Nadaba i Basa+ zanak’i Ahia anisan’ny taranak’Isakara, ka namono azy ho faty tao Gibetona,+ izay an’ny Filistinina. Mbola nanao fahirano an’i Gibetona i Nadaba sy ny Israely rehetra tamin’izay. 28  Koa novonoin’i Basa izy tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, ka i Basa no nanjaka nandimby azy.+ 29  Raha vao lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny daholo ny ankohonan’i Jeroboama manontolo, ka tsy nasiany niangana izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny ankohonan’i Jeroboama mandra-pandringany azy tanteraka, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ahia Silonita mpanompony,+ 30  noho ny fahotana izay nataon’i Jeroboama+ sy nampanotany ny Israely, ary koa noho ny nanaovany izay hampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 31  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Nadaba, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 32  Ary nisy ady teo amin’i Asa sy Basa mpanjakan’ny Israely, nandritra ny androm-piainan’izy ireo.+ 33  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely rehetra tao Tirza i Basa zanak’i Ahia, ary nanjaka efatra amby roapolo taona izy.+ 34  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ ary mbola nanao hoatran’izay nataon’i Jeroboama+ sady nanao araka ny fahotany izay nampanotany ny Israely.+

Fanamarihana

Jereo Le 26:30 f.a.p.