Mpanjaka Voalohany 18:1-46

  • Nihaona tamin’i Obadia sy Ahaba i Elia (1-18)

  • Elia nifanandrina tamin’ny mpaminanin’i Bala tao Karmela (19-40)

    • ‘Niroaroa saina’ (21)

  • Tapitra ilay hain-tany telo taona sy tapany (41-46)

18  Rehefa afaka elaela, izany hoe tamin’ny taona fahatelo,+ dia niteny tamin’i Elia i Jehovah hoe: “Mandehana miseho eo anatrehan’i Ahaba, fa handatsaka orana amin’ny tany aho.”+ 2  Dia lasa i Elia mba hiseho teo anatrehan’i Ahaba. Mbola mafy be ny mosary+ tany Samaria tamin’izay. 3  Nandritra izany fotoana izany, dia nantsoin’i Ahaba i Obadia, izay niandraikitra ny ankohonany.—Olona tena natahotra an’i Jehovah i Obadia. 4  Tamin’i Jezebela+ nandripaka an’ireo mpaminanin’i Jehovah, dia naka mpaminany 100 i Obadia ka nanafina azy ireo. Nataony 50 avy ny tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano izy ireo.— 5  Hoy i Ahaba tamin’i Obadia: “Mandehana tetezo ny tany, any amin’ny loharano rehetra sy ny lohasaha* rehetra. Angamba hahita ahi-maitso ampy tsara ho an’ny soavaly sy ramole isika, ka ho voatsimbina ny ain’izy ireo ary tsy ho ripaka ny biby fiompintsika.” 6  Dia nozarain’izy roa lahy ny tany hoteteziny, ka i Ahaba nandeha irery tamin’ny lalana iray, ary i Obadia nandeha irery tamin’ny lalana iray. 7  Rehefa teny an-dalana i Obadia, dia tonga hihaona taminy i Elia. Tonga dia fantany i Elia, ka niankohoka izy sady niteny hoe: “Ianao ve io, ry Elia tompoko?”+ 8  Namaly i Elia hoe: “Izaho ity! Mandehana lazao amin’ny tomponao hoe: ‘Any i Elia!’” 9  Hoy anefa i Obadia: “Fa dia inona loatra no fahotana nataoko no atolotrao eo an-tanan’i Ahaba izaho mpanomponao? Tsy hovonoiny ho faty ve aho? 10  Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitrao, dia tsy nisy firenena na fanjakana tsy nandefasan’ny tompoko olona hitady anao. Ary rehefa niteny ilay fanjakana na ilay firenena hoe: ‘Tsy atỳ izy’, dia nasainy nianiana hoe tena tsy nahita anao tokoa.+ 11  Izao anefa ianao milaza hoe: ‘Mandehana teneno ny tomponao hoe: “Any i Elia!”’ 12  Rehefa miala eto aminao anefa aho izao, dia hoentin’ny fanahin’i Jehovah+ any amin’izay toerana tsy fantatro any ianao. Koa raha mampandre an’i Ahaba aho nefa tsy ho hitany ianao, dia azo antoka fa hovonoiny ho faty aho. Efa hatramin’ny mbola kely anefa izaho mpanomponao no natahotra an’i Jehovah. 13  Tsy nisy nilaza tamin’ny tompoko an’izay nataoko angaha rehefa novonoin’i Jezebela ny mpaminanin’i Jehovah? Nanafina mpaminanin’i Jehovah 100 aho, ka 50 avy no nataoko tao anaty lava-bato, ary nitondrako mofo sy rano ry zareo.+ 14  Izao anefa ianao milaza hoe: ‘Mandehana lazao amin’ny tomponao hoe: “Any i Elia!”’ Tena tsy maintsy hovonoiny ho faty aho!” 15  Hoy anefa i Elia: “Raha mbola velona koa i Jehovah Tompon’ny tafika izay tompoiko,* dia hiseho eo anatrehan’i Ahaba aho anio.” 16  Lasa nankany amin’i Ahaba àry i Obadia ka nilaza izany taminy. Dia nankany amin’i Elia i Ahaba. 17  Raha vao nahita an’i Elia i Ahaba, dia nilaza taminy hoe: “Ianao ve io, ry ilay nahatonga loza lehibe tamin’ny Israely?” 18  Ary hoy i Elia: “Tsy izaho no nahatonga loza tamin’ny Israely, fa ianao sy ny ankohonan-drainao, satria niala tamin’ny didin’i Jehovah ianareo, ka nanaraka an’ireo Bala.+ 19  Koa vorio hankany amiko any amin’ny Tendrombohitra Karmela+ ny Israely rehetra. Vorio koa ny mpaminanin’i Bala 450 sy ny mpaminany 400 mivavaka amin’ny tsato-kazo masina,*+ izay samy misakafo eo amin’ny latabatr’i Jezebela.” 20  Naniraka olona tany amin’ny vahoakan’Israely rehetra àry i Ahaba, sady namory ny mpaminany ho any amin’ny Tendrombohitra Karmela. 21  Ary nankeo amin’ny olona rehetra i Elia, dia niteny hoe: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroaroa saina?*+ Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy.+ Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.” Tsy namaly azy anefa ny vahoaka na indraim-bava aza. 22  Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka: “Izaho irery sisa no tavela amin’ny mpaminanin’i Jehovah,+ fa ny mpaminanin’i Bala kosa 450 lahy. 23  Omeo vantotr’ombilahy roa izahay, dia avelao ry zareo hifidy vantotr’ombilahy iray, dia horasarasainy ilay izy ary hapetrany eo ambony kitay. Tsy tokony hasiana afo anefa ilay izy. Izaho kosa hikarakara an’ilay vantotr’ombilahy iray, ka hametraka azy eo ambony kitay. Tsy hasiako afo koa anefa ilay izy. 24  Antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo+ avy eo, fa izaho hiantso ny anaran’i Jehovah. Izay Andriamanitra mamaly ka mandatsaka afo no hampiseho hoe izy no tena Andriamanitra.”+ Dia namaly ny olona rehetra hoe: “Mety izany.” 25  Ary hoy i Elia tamin’ireo mpaminanin’i Bala: “Mifidiana aloha ianareo vantotr’ombilahy iray dia karakarao ilay izy, fa ianareo no maro an’isa. Aza asiana afo anefa ilay izy. Antsoy avy eo ny anaran’ny andriamanitrareo.” 26  Nalain’izy ireo àry ilay vantotr’ombilahy nomena azy, ka nokarakarainy. Dia niantso ny anaran’i Bala izy ireo hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro. Niantsoantso izy ireo hoe: “Ry Bala ô, valio izahay!”, kanjo tsy nisy feo re sady tsy nisy namaly.+ Ary tsy nitsahatra nihinjakinjaka nanodidina an’ilay alitara nataony izy ireo. 27  Rehefa nitataovovonana, dia nanesoeso azy ireo i Elia hoe: “Miantsoa faran’izay mafy fa andriamanitra ange izy e!+ Misy zavatra mahalasa saina azy angamba, na lasa any an-kabine* izy. Na sao dia matory izy dia mila fohazina.” 28  Dia niantsoantso faran’izay mafy izy ireo. Ary nandidididy ny vatany tamin’ny sabatra kely sy lefona izy ireo, toy ny fanaony, mandra-pihosin-dra ny vatany. 29  Efa dila ny mitataovovonana, nefa mbola nihinjakinjaka* teo foana izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva. Mbola tsy nisy feo re ihany anefa, sady tsy nisy namaly na nihaino.+ 30  Farany, dia hoy i Elia tamin’ny olona rehetra: “Avia daholo!” Nanatona azy àry ny olona rehetra. Dia namboarin’i Elia ilay alitaran’i Jehovah efa rava.+ 31  Avy eo izy dia naka vato 12, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakoba, izay nilazan’i Jehovah hoe: “Hatao hoe Israely ny anaranao.”+ 32  Koa nanamboatra alitara+ ho an’ny anaran’i Jehovah tamin’ireo vato ireo izy. Nasiany tatatra manodidina an’ilay alitara, ary nasiany elanelana mitovitovy velarana amin’ny tany ampy hamafazana voa indroan’ny sehà.* 33  Nalahany ny kitay avy eo, ary norasarasainy ilay vantotr’ombilahy ka napetrany teo ambony kitay.+ Dia hoy izy: “Fenoy rano ny siny lehibe efatra, ka araraho eo amin’ny fanatitra dorana sy ny kitay.” 34  Ary hoy izy: “Asio indray.” Dia nasian’izy ireo indray. Hoy ihany izy: “Asio fanintelony.” Dia nasian’izy ireo fanintelony. 35  Koa nikoriana nanodidina an’ilay alitara ny rano. Ary nofenoin’i Elia rano koa ny tatatra. 36  Tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva,+ dia nankeo amin’ilay alitara i Elia mpaminany ka niteny hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Israely ô! Ataovy fantatry ny rehetra androany fa ianao no Andriamanitra eo amin’ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ka noho ny teninao no nanaovako an’izao zavatra rehetra izao.+ 37  Valio aho, Jehovah ô! Valio aho mba ho fantatr’ireto vahoaka ireto fa ianao, Jehovah ô, no tena Andriamanitra, ary tianao hiverina aminao indray ny fon’izy ireo.”+ 38  Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana,+ ny kitay, ny vato, ary ny vovoka. Ritran’ny afo koa ny rano tao amin’ilay tatatra.+ 39  Nahita an’izany ny olona rehetra, ka niankohoka avy hatrany sady niteny hoe: “I Jehovah no tena Andriamanitra! I Jehovah no tena Andriamanitra!” 40  Dia hoy i Elia tamin’izy ireo: “Sambory ireo mpaminanin’i Bala ireo! Aza avela hisy ho afa-mandositra na iray aza!” Koa nosamborin’ny olona avy hatrany izy ireo, ka nentin’i Elia nidina nankany amin’ny reniranon’i* Kisona,+ dia novonoiny tany.+ 41  Ary hoy i Elia tamin’i Ahaba: “Miakara ka mihinàna sy misotroa, fa izany henoko izany ny feon’ny oram-be mivatravatra.”+ 42  Dia niakatra i Ahaba mba hihinana sy hisotro. Fa i Elia kosa niakatra teo an-tampon’i Karmela, dia niankohoka tamin’ny tany, ka nataony teo anelanelan’ny lohaliny ny tarehiny.+ 43  Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: “Miakara, azafady, ka mitazàna any an-dranomasina.” Dia niakatra izy ka nitazana, ary nilaza hoe: “Tsisy na inona na inona mihitsy any.” Impito i Elia no niteny taminy hoe: “Mandehana jereo indray.” 44  Ary tamin’ny fanimpitony, dia hoy ilay mpanompo: “Iny misy rahona kely hoatran’ny felatanana miakatra avy eny an-dranomasina.” Dia hoy i Elia: “Mandehana ilazao i Ahaba hoe: ‘Omano ny kalesinao, ary midìna sao ho voasakan’ny oram-be ianao!’” 45  Nandritra izany fotoana izany, dia lasa feno rahona mainty ny lanitra ary nifofofofo ny rivotra, ka nirotsaka ny oram-be nivatravatra.+ Dia nitaingina ny kalesiny i Ahaba, ary nankany Jezirela.+ 46  Fa ny tanan’i Jehovah kosa nanome hery an’i Elia. Ary nisikinany* ny akanjony, dia nihazakazaka teo alohan’i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela.

Fanamarihana

Na: “lalan-driaka.”
Abt: “izay eo anatrehany no itsanganako.”
Jereo F.T.
Abt: “hikotringa.”
Na mety hoe “lasa nanao dia lavitra.”
Na: “nanao hoatran’ny mpaminany.”
1 sehà = 7,33 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “lalan-driakan’i.”
Na: “nofeheziny teo amin’ny andilany.”