1 Mpanjaka 19:1-21

19  Ary nolazain’i Ahaba+ tamin’i Jezebela+ daholo ny nataon’i Elia, sy ny namonoan’i Elia ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.+  Dia nampitondra hafatra tany amin’i Elia i Jezebela, nanao hoe: “Hofaizin’ireo andriamanitra anie aho,*+ ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy hataoko sahala amin’ny ain’ny tsirairay amin’ireny ny ainao rahampitso toy izao!”  Dia natahotra i Elia ka nandositra mba hamonjy ny ainy.+ Koa tonga tany Beri-sheba+ any Joda+ izy, ary navelany tao ny mpanompony,  fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra. Farany, dia tonga izy ka nipetraka teo ambany anjavidy iray.+ Ary nangataka ny ho faty izy,* ka nanao hoe: “Aoka izay! Esory amin’izay ny aiko,+ Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.”  Ary nandry izy ka resin-tory teo ambanin’ilay anjavidy.+ Dia nisy anjely+ nikasika+ azy ka nanao taminy hoe: “Miarena ka mihinàna.”  Dia nijery i Elia ka hitany fa nisy mofo boribory+ teo akaikin’ny lohany, ary teo ambony vato mahamay ilay izy. Nisy tavoara fasiana rano koa teo. Koa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.  Tonga fanindroany indray ilay anjelin’i+ Jehovah, ka nikasika azy ary nanao hoe: “Miarena, ka mihinàna fa mbola tena lavitra ny dia halehanao.”+  Dia niarina i Elia ka nihinana sy nisotro, ary nahazo hery avy tamin’izany ka nanohy ny diany efapolo andro+ sy efapolo alina, ary tonga hatrany Horeba, tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.+  Rehefa tany izy, dia niditra tao anaty lava-bato+ mba hatory tao ny alina. Ary injay fa tonga taminy ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: “Inona no ataonao atỳ, ry Elia?”+ 10  Dia hoy i Elia: “Tena nafana fo+ tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho. Efa nivadika tamin’ny fifanekena+ nataonao mantsy ny zanak’Israely. Noravany ny alitaranao,+ ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpaminaninao,+ ka izaho irery sisa,+ nefa mbola mifofo ny aiko koa izy ireo.”+ 11  Fa hoy Andriamanitra: “Mivoaha, ka mitsangàna eo an-tendrombohitra, eo anatrehan’i Jehovah.”+ Ary iny fa nandalo i Jehovah,+ ka nisy rivotra be sady mahery nampitresaka tendrombohitra sy namaky harambato, teo anatrehan’i Jehovah.+ Tsy tao amin’ilay rivotra anefa i Jehovah. Ary nisy horohoron-tany+ taorian’ilay rivotra. Tsy tao amin’ilay horohoron-tany anefa i Jehovah. 12  Ary nisy afo+ taorian’ilay horohoron-tany. Tsy tao amin’ilay afo anefa i Jehovah. Ary nisy feo malefaka sy iva+ taorian’ilay afo. 13  Raha vao ren’i Elia izany, dia nosaronany tamin’ilay akanjona mpaminany teny aminy ny tarehiny,+ ary nivoaka izy ka nitsangana teo amin’ny fidirana tamin’ilay lava-bato. Ary injay nisy feo tonga taminy, nanao hoe: “Inona no ataonao atỳ, ry Elia?”+ 14  Dia hoy i Elia: “Tena nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho. Efa nivadika tamin’ny fifanekena nataonao mantsy ny zanak’Israely.+ Noravany ny alitaranao, ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpaminaninao, ka izaho irery sisa, nefa mbola mifofo ny aiko koa izy ireo.”+ 15  Dia hoy i Jehovah taminy: “Mandehana miverina ka mankanesa any an-tany efitr’i Damaskosy.+ Rehefa any ianao, dia hosory+ ho mpanjakan’i Syria i Hazaela.+ 16  I Jeho+ zafikelin’i Nimsy+ kosa hosory ho mpanjakan’ny Israely. Ary i Elisa+ zanak’i Safata, avy any Abela-mehola,+ hosory ho mpaminany handimby anao.+ 17  Izay afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela+ dia hovonoin’i Jeho.+ Ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Jeho kosa hovonoin’i Elisa.+ 18  Fa mbola misy fito arivo navelako any Israely,+ dia ny lohalika rehetra tsy nandohalika tamin’i Bala,+ sy ny vava rehetra tsy nanoroka+ azy.” 19  Koa niala teo i Elia ary nahita an’i Elisa zanak’i Safata, nanao asa tany.+ Ary omby efatra amby roapolo nandeha tsiroaroa no teo alohany, ary izy no teo amin’ireo omby roa faharoa ambin’ny folo farany. Dia niampita nankeny aminy i Elia, ary natsipiny teny amin’i Elisa ilay akanjo+ nanaovany. 20  Dia nilaozan’i Elisa teo ny omby ka lasa izy nihazakazaka nanaraka an’i Elia, ary niteny hoe: “Avelao aho aloha, azafady, mba hanoroka ny ray aman-dreniko,+ ary hanaraka anao aho avy eo.” Dia hoy i Elia: “Mandehana miverina, fa inona moa no nataoko taminao?” 21  Dia niverina i Elisa fa tsy nanaraka azy. Ary naka omby roa i Elisa, ka nataony sorona.+ Hazo tamin’ny angadinomby+ no nataony kitay handrahoana ny hena. Dia nomeny ny olona izany, ka nihinana ireo. Ary nitsangana izy taorian’izay ka nanaraka an’i Elia, ary nanompo+ azy.

Fanamarihana

Heb.: “Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany!”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.