1 Mpanjaka 2:1-46

2  Ary nihananatona ny andro hahafatesan’i+ Davida, ka nandidy an’i Solomona zanany izy hoe:  “Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho izao,+ koa mahereza+ ianao ary misehoa ho lehilahy.+  Ankatoavy i Jehovah Andriamanitrao ka mandehana amin’ny lalana atorony,+ ary tandremo ny lalàny sy ny didiny sy ny didim-pitsarany+ ary ny fampahatsiahivany, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy.+ Amin’izay dia ho malina ianao amin’izay rehetra hataonao sy any amin’izay rehetra halehanao,  ary mba hotanterahin’i Jehovah ny teny nolazainy momba ahy+ hoe: ‘Raha hitandrina ny fitondran-tenany ny taranakao,+ ka handeha+ amim-pahitsiana*+ eo anatrehako amin’ny fony manontolo+ sy amin’ny heriny manontolo, dia hisy olona avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely.’+  “Fantatrao tsara koa ny nataon’i Joaba tamiko, dia i Joaba zanak’i Zeroia.+ Novonoiny mantsy izy roa lahy lehiben’ny tafiky ny Israely, izany hoe i Abnera+ zanak’i Nera sy Amasa+ zanak’i Jatera.+ Nalatsany tamin’ny fotoana tsy nisy ady ny ra+ fandatsaka amin’ny ady, ka voaloton’ny ra toy ny amin’ny ady ny fehikibo teo amin’ny andilany sy ny kapa teny an-tongony.  Koa araka izay fahendrenao no ataovy,+ ka aza avela hidina amim-piadanana any amin’ny Fasana*+ ny volofotsiny.+  “Fa anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana kosa ireo zanakalahin’i Barzilay+ Gileadita, ka aoka ho anisan’izay mihinana eo amin’ny latabatrao+ izy ireo. Tsara fanahy tamiko mantsy izy ireo ka nanampy+ ahy fony aho nandositra teo anoloan’i Absaloma rahalahinao.+  “Eo koa i Simey+ zanak’i Gera, ilay Benjaminita avy any Bahorima:+ Izy no nanozona ahy tamin’ny andro nankanesako tany Mahanaima,+ ary ozona nandratra fo+ tokoa no nataony. Izy anefa no nidina hitsena ahy tany amin’ny Reniranon’i Jordana.+ Koa nianiana taminy tamin’ny anaran’i Jehovah aho hoe: ‘Tsy hovonoiko amin’ny sabatra ianao.’+  Aza avela tsy ho voasazy anefa izy.+ Lehilahy hendry+ mantsy ianao, ka fantatrao tsara izay tokony hataonao aminy. Ary amin’ny fandatsahan-dra no hampidinanao ny volofotsiny+ any amin’ny Fasana.”*+ 10  Ary nodimandry any amin’ny razany+ i Davida ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ 11  Efapolo taona no nanjakan’i Davida teo amin’ny Israely,+ ka fito taona+ tao Hebrona+ ary telo amby telopolo taona tao Jerosalema.+ 12  Ary nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy i Solomona.+ Dia nihamafy orina tsikelikely ny fanjakany.+ 13  Tatỳ aoriana, dia nankany amin’i Batseba+ renin’i Solomona i Adonia zanak’i Hagita. Ary hoy i Batseba: “Fihavanana ve no ahatongavanao?”+ Dia hoy i Adonia: “Eny, fihavanana.” 14  Hoy koa izy: “Misy zavatra tiako holazaina aminao.” Dia hoy i Batseba: “Lazao àry.”+ 15  Koa hoy i Adonia: “Fantatrao tsara fa tokony ho ahy ny fanjakana, ary izaho no nandrandrain’ny Israely rehetra ho lasa mpanjaka,+ kanjo nifindra ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa avy tamin’i Jehovah no nahazoany izany.+ 16  Koa zavatra iray ihany no mba angatahiko aminao, ka aza lavinao aho.”+ Ary hoy i Batseba taminy: “Lazao àry.” 17  Dia hoy i Adonia: “Mba mitenena re, azafady, amin’i Solomona Mpanjaka fa tsy handa anao izy e! Mba asaivo homeny ho vadiko i Abisaga+ Sonemita.”+ 18  Dia hoy i Batseba: “Eny àry, fa hampitaiko amin’ny mpanjaka ny teninao.” 19  Koa nankao amin’i Solomona Mpanjaka i Batseba mba hilaza taminy ny tenin’i Adonia.+ Dia nitsangana+ hitsena azy avy hatrany ny mpanjaka, ka niankohoka teo anatrehany.+ Avy eo dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany izy, ary nasainy nasiana seza fiandrianana iray koa ho an’ny renin’ny mpanjaka, mba hipetrahan-dreniny teo ankavanany.+ 20  Ary hoy i Batseba: “Misy zavatra kely mba hangatahiko aminao, ka aza lavinao aho.” Koa hoy ny mpanjaka taminy: “Angataho àry, ry Neny, fa tsy handa anao aho.” 21  Dia hoy i Batseba: “Aoka homena ho vadin’i Adonia rahalahinao i Abisaga Sonemita.” 22  Fa hoy i Solomona Mpanjaka tamin-dreniny: “Fa maninona ianao no mangataka an’i Abisaga Sonemita ho an’i Adonia? Angataho ho azy koa ny fanjakana+ fa zokiko izy,+ angataho ho azy sy ho an’i Abiatara+ mpisorona ary ho an’i Joaba+ zanak’i Zeroia.”+ 23  Dia nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah i Solomona Mpanjaka hoe: “Hofaizin’Andriamanitra anie aho,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy ny ain’i Adonia no manefa noho ny nilazany izany!+ 24  Koa ankehitriny, raha mbola velona koa i Jehovah,+ izay nanendry ahy+ sy nametraka ahy eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida raiko+ sady nanome ahy taranaka+ araka izay nolazainy,+ dia hovonoina ho faty anio ihany i Adonia.”+ 25  Avy hatrany i Solomona Mpanjaka dia nanome baiko tamin’ny alalan’i Benaia+ zanak’i Joiada. Ary namely azy izy ka maty i Adonia.+ 26  Fa hoy kosa ny mpanjaka tamin’i Abiatara+ mpisorona: “Mandehana any Anatota,+ any amin’ny misy anao, fa mendrika ny ho faty ianao.+ Androany anefa dia tsy hamono anao aho, satria nitondra ny Vata masin’i Jehovah Tompo Fara Tampony+ teo anatrehan’i Davida raiko ianao,+ sady nitondra fahoriana tamin’ny fotoana rehetra nahitan’ny raiko fahoriana.”+ 27  Koa nesorin’i Solomona tsy ho mpisoron’i Jehovah i Abiatara, mba hahatanteraka ilay tenin’i Jehovah nanameloka ny taranak’i Ely,+ tany Silo.+ 28  Ary nisy nilaza izany tamin’i Joaba.+ Niandany tamin’i Adonia mantsy i Joaba,+ na dia tsy niandany tamin’i Absaloma aza.+ Dia nandositra tao amin’ny tranolain’i+ Jehovah i Joaba, ka nohazoniny mafy ny tandroky ny alitara.+ 29  Ary nisy nilaza tamin’i Solomona Mpanjaka hoe: “Nandositra ao amin’ny tranolain’i Jehovah i Joaba. Eo anilan’ny alitara izy.” Dia nirahin’i Solomona i Benaia zanak’i Joiada, ka nilazany hoe: “Mandehana, asio izy!”+ 30  Dia nankao amin’ny tranolain’i Jehovah i Benaia, ka hoy izy tamin’i Joaba: “Izao no nolazain’ny mpanjaka: ‘Mivoaha ianao!’” Fa hoy i Joaba: “Tsia, fa eto+ aho no ho faty.” Ary niverina tany amin’ny mpanjaka i Benaia niteny hoe: “Izany no nolazain’i Joaba, ary izany no navaliny ahy.” 31  Dia hoy ny mpanjaka taminy: “Izany nolazainy izany mihitsy atao ka asio izy. Dia aleveno izy, ka esory amiko sy amin’ny taranaky ny raiko ny ra+ nalatsak’i Joaba tsy ara-drariny.+ 32  Ary hatsingerin’i Jehovah eo an-dohany ihany ny rany,+ satria lehilahy roa izay marina sy tsara noho izy no nasiany,+ ka novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany.+ Novonoiny mantsy i Abnera+ zanak’i Nera, lehiben’ny tafiky ny Israely,+ sy Amasa+ zanak’i Jatera, lehiben’ny tafik’i Joda.+ 33  Koa ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’izy roa lahy i Joaba sy ny taranany,* mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Fa i Davida+ sy ny taranany sy ny ankohonany ary ny seza fiandrianany kosa hahazo fiadanana avy amin’i Jehovah, mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+ 34  Dia niakatra i Benaia zanak’i Joiada+ ka namely an’i Joaba, ary namono azy ho faty.+ Ary nalevina tany amin’izay nisy ny tranony tany an-tany efitra izy. 35  Dia notendren’ny mpanjaka ho lehiben’ny tafika hisolo azy+ i Benaia+ zanak’i Joiada. Ary i Zadoka mpisorona no notendren’ny mpanjaka hisolo an’i Abiatara.+ 36  Ary nandefa olona hiantso an’i Simey+ ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: “Manorena trano eto Jerosalema, ka mipetraha ao. Aza miala ao an-tanàna mihitsy ary aza mankany an-toeran-kafa. 37  Fa amin’ny andro hialanao ao sy hiampitanao ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona,+ dia aoka ho fantatrao marimarina fa ho faty tokoa ianao.+ Ary ianao ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesanao.”*+ 38  Dia hoy i Simey tamin’ny mpanjaka: “Tena mety izany teninao izany! Araka izany nolazain’ny mpanjaka tompoko izany no hataon’ny mpanomponao.” Ary nonina andro maro tao Jerosalema i Simey. 39  Rehefa afaka telo taona, dia nandositra ny mpanompon’i+ Simey anankiroa, ka nankany amin’i Akisy+ zanak’i Maka, mpanjakan’i Gata.+ Ary nisy nampandre an’i Simey hoe: “Any Gata ireo mpanomponao.” 40  Dia nasiany lasely avy hatrany ny ampondrany, ka lasa izy nankany Gata ho any amin’i Akisy, mba hitady ny mpanompony. Avy eo, dia nentiny nody avy tany Gata ny mpanompony. 41  Ary nisy nilaza tamin’i Solomona hoe: “Niala tao Jerosalema i Simey ka nankany Gata, ary efa tafaverina.” 42  Koa nandefa olona hiantso+ an’i Simey ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: “Tsy efa nampianiana anao tamin’ny anaran’i Jehovah moa aho ka nampitandrina anao+ hoe: ‘Amin’ny andro hialanao ao sy handehananao etsy sy eroa, dia aoka ho fantatrao marimarina fa ho faty tokoa ianao’? Ary tsy efa niteny tamiko ve ianao hoe: ‘Tena mety izany teny reko izany’?+ 43  Koa nahoana ianao no tsy nitana ny fianianana natao teo anatrehan’i Jehovah+ ka tsy nankatò ny didy izay nameperako mafy anao?”+ 44  Hoy koa ny mpanjaka tamin’i Simey: “Fantatrao tsara ny ratsy rehetra nataonao tamin’i Davida raiko,+ ary mahalala tsara izany ianao ao am-ponao ao. Koa hatsingerin’i Jehovah ho eo an-dohanao ihany ny ratsy nataonao.+ 45  Fa hotahina+ kosa i Solomona Mpanjaka, ary ny seza fiandrianan’i Davida ho mafy orina mandrakizay eo anatrehan’i Jehovah.”+ 46  Dia nanome baiko an’i Benaia zanak’i Joiada ny mpanjaka, ka nivoaka i Benaia ary namely an’i Simey, ka maty izy.+ Ary mafy orina ny fanjakana teo am-pelatanan’i Solomona.+

Fanamarihana

A.b.t.: “amim-pahamarinana.”
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany!”
A.b.t.: “hitsingerina eo an-dohan’i Joaba sy ny taranany ny ran’izy roa lahy.”
A.b.t.: “hitsingerina eo an-dohanao ihany ny ranao.”