1 Mpanjaka 20:1-43

20  Ary novorin’i Beni-hadada+ mpanjakan’i Syria ny tafiny rehetra, sy ireo mpanjaka roa amby telopolo niaraka taminy,+ mbamin’ny soavaly+ sy ny kalesy.+ Dia niakatra izy ka nanao fahirano+ an’i Samaria,+ ary nanafika azy.  Dia nandefa iraka+ ho ao an-tanàna izy, ho any amin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, nanao hoe: “Izao no nolazain’i Beni-hadada:  ‘Ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao. Ary ahy koa ireo vady aman-janakao, dia ireo tsara tarehy indrindra.’”+  Dia hoy ny navalin’ny mpanjakan’ny Israely: “Anao tokoa aho sy izay rehetra ananako, araka ny teninao, ry mpanjaka tompoko.”+  Dia niverina indray ny iraka taorian’izay, ka nanao hoe: “Izao no nolazain’i Beni-hadada: ‘Nandefa iraka tatỳ aminao aho nilaza hoe: “Omeo ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ireo vady aman-janakao.  Fa rahampitso toy izao dia hirahiko atỳ aminao ny mpanompoko, ka hataony sava hao ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao. Koa izay rehetra mahafinaritra+ ny masonao no halainy ka hoentiny.”’”  Dia nantsoin’ny mpanjakan’ny Israely daholo ny anti-panahy teo amin’ny taniny,+ ka hoy izy: “Mba diniho kely, ary jereo fa te hanisy ratsy antsika mihitsy ilehiny.+ Efa nandefa iraka tatỳ amiko mantsy izy haka an’ireo vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako, ary tsy nanda aho.”  Dia hoy ny anti-panahy rehetra sy ny olona rehetra: “Aza mankatò azy, ary aza manaiky.”  Koa hoy i Ahaba tamin’ny irak’i Beni-hadada: “Lazao amin’ny mpanjaka tompoko hoe: ‘Hataoko izay rehetra nanirahanao tatỳ amin’ny mpanomponao tamin’ny voalohany. Fa raha izao zavatra izao kosa, dia tsy vitako.’” Dia lasa niverina ny iraka, ka nitatitra izany taminy. 10  Ary nandefa iraka indray i Beni-hadada, nanao hoe: “Hofaizin’ireo andriamanitra+ anie aho,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha havelako hisy tavela ny vovok’i Samaria ka samy hanana eran-tanan’ila avy izay rehetra manaraka ahy!”+ 11  Dia hoy ny navalin’ny mpanjakan’ny Israely: “Lazao aminy hoe: ‘Aoka ny vao mamatotra fehikibo+ tsy hirehareha sahala amin’ny efa mamaha.’”+ 12  Raha vao ren’i Beni-hadada izany, tamin’izy niara-nisotro+ tamin’ireo mpanjaka tao an-trano rantsankazo, dia hoy izy tamin’ny mpanompony: “Miomàna ianareo!” Dia niomana hanafika an’ilay tanàna ireo. 13  Ary nisy mpaminany iray nanatona an’i Ahaba mpanjakan’ny Israely,+ ka nanao hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah:+ ‘Hitanao ve io vahoaka be io? Hatolotro eo an-tananao ireo anio, ary ho fantatrao tokoa fa izaho no Jehovah.’”+ 14  Ary hoy i Ahaba: “Amin’ny alalan’iza?” Dia hoy izy: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Amin’ny alalan’ireo tovolahy ampiasain’ny mpifehy isam-paritany.’” Ary hoy i Ahaba: “Iza no hamely voalohany?” Dia hoy izy: “Ianao!” 15  Ary nisain’i Ahaba ireo tovolahy ampiasain’ny mpifehy isam-paritany, ka roa amby telopolo sy roanjato ny isany.+ Dia nisainy koa ny olona rehetra, izany hoe ny zanak’Israely rehetra, ka fito arivo ny isany. 16  Ary nivoaka izy ireo nony mitataovovonana, raha mbola nimamo+ tao an-trano rantsankazo i Beni-hadada sy ireo mpanjaka roa amby telopolo nanampy azy. 17  Ireo tovolahy+ ampiasain’ny mpifehy isam-paritany no nivoaka voalohany. Dia naniraka olona avy hatrany i Beni-hadada, ary tonga nilaza taminy ireo hoe: “Misy olona mivoaka avy ao Samaria.” 18  Dia hoy i Beni-hadada: “Raha fihavanana no ivoahany, dia ataovy sambo-belona izy, fa raha ady kosa, dia mbola ataovy sambo-belona ihany izy.”+ 19  Ireo tovolahy ampiasain’ny mpifehy isam-paritany no nivoaka avy ao an-tanàna, ary nanaraka azy ireo ny tafika. 20  Dia namono an’izay lehilahy niady taminy ny tsirairay. Koa nirifatra nitsoaka+ ny Syrianina+ ka nenjehin’ny Israely. Fa i Beni-hadada mpanjakan’i Syria kosa afa-nandositra an-tsoavaly, niaraka tamin’ireo mpitaingin-tsoavaly. 21  Ary nivoaka kosa ny mpanjakan’ny Israely, ka naripany ny soavaly sy ny kalesy.+ Nasiany koa ny Syrianina ka be dia be no maty. 22  Tatỳ aoriana, dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay mpaminany,+ ka nanao hoe: “Mandehana, ary ataovy izay hampahery anao.+ Ary diniho sy eritrereto izay hataonao,+ fa hiakatra hiady aminao ny mpanjakan’i Syria, eo am-piandohan’ny taona.”+ 23  Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Syria taminy: “Andriamanitry ny tendrombohitra ny Andriamanitr’izy ireo,+ ka nahery noho isika ry zareo. Fa andao ange hiady aminy eny amin’ny tany lemaka e! Ho hitanao eo raha tsy hahery noho ry zareo isika. 24  Koa izao atao: Esory amin’ny toerany ny mpanjaka+ tsirairay, ka soloy governora.+ 25  Makà miaramila mitovy isa amin’ireo efa lavo, ary makà soavaly ho solon’ny soavaly, sy kalesy ho solon’ny kalesy. Ary andao hiady aminy eny amin’ny tany lemaka, ka jereo ange raha tsy hahery noho ry zareo isika e!”+ Dia nihaino azy ireo i Beni-hadada, ka izany tokoa no nataony. 26  Rehefa niandoha ny taona, dia nangonin’i Beni-hadada ny Syrianina,+ ary niakatra tany Afeka+ izy mba hiady tamin’ny Israely. 27  Ary ny zanak’Israely kosa novorina sy nomena vatsy,+ ka nivoaka mba hifanandrina tamin’izy ireo. Nitoby tandrifin’izy ireo ny zanak’Israely, izay toy ny osy vitsy kely roa toko, fa ny Syrianina kosa nanenika ny tany.+ 28  Dia nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay lehilahin’Andriamanitra,+ ka hoy izy taminy: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Satria hoy ny Syrianina hoe: “Andriamanitry ny tendrombohitra i Jehovah, fa tsy Andriamanitry ny tany lemaka”, dia hatolotro eo an-tananao io vahoaka be io,+ ka ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah.’”+ 29  Dia nitoby nifanatrika teo nandritra ny fito andro izy ireo.+ Ary raikitra ny ady tamin’ny andro fahafito. Dia novonoin’ny zanak’Israely ny Syrianina, ka miaramila iray hetsy mandeha an-tongotra no matiny indray andro. 30  Ny sisa kosa nandositra tany Afeka,+ tany an-tanàna. Kanjo nianjeran’ny manda ny olona fito arivo sy roa alina sisa.+ Nandositra+ kosa i Beni-hadada ka tafiditra tao an-tanàna ihany, ary nankao amin’ny efitra anatiny indrindra.+ 31  Dia hoy ny mpanompony taminy: “Renay fa be hatsaram-panahy feno fitiavana+ ny mpanjakan’ny taranak’Israely. Koa aoka re izahay hisikina+ lamba gony,+ ary hanisy tady eo ambony lohanay, ka hivoaka ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely e, fa angamba hitsimbina anao* izy ka tsy hamono anao.”+ 32  Koa nisikina lamba gony izy ireo, ary nanisy tady teo ambony lohany, dia nankao amin’ny mpanjakan’ny Israely, ka nanao hoe: “Izao no nolazain’i Beni-hadada mpanomponao: ‘Mba tsimbino re ny aiko e!’” Dia hoy ny mpanjaka: “Mbola velona angaha izy? Rahalahiko izy.” 33  Tamin’izy ireo+ dia fambara tsara izany, ka noraisin’izy ireo avy hatrany ho efa fanapahan-kevitry ny mpanjaka. Koa hoy izy ireo: “Rahalahinao tokoa i Beni-hadada.” Dia hoy ny mpanjaka: “Mandehana, alaivo izy.” Koa nivoaka nankany amin’ny mpanjaka i Beni-hadada, ka avy hatrany dia nasainy niakatra nankao amin’ny kalesy.+ 34  Ary hoy i Beni-hadada taminy: “Haveriko aminao ny tanàna+ nalain-draiko tamin-drainao. Ary hifidy arabe ho anao ianao any Damaskosy, toy ny nifidianan’ny raiko arabe tany Samaria.” Dia hoy i Ahaba: “Halefako ianao raha manao fifanekena+ isika.” Koa nanao fifanekena taminy izy, ka namela azy handeha. 35  Ary nisy lehilahy iray anisan’ny zanaky ny mpaminany,+ nilaza tamin’ny namany araka ny tenin’i+ Jehovah hoe: “Asio aho, azafady!” Fa tsy nety namely azy ralehilahy. 36  Koa hoy izy taminy: “Satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah ianao, dia hisy liona hamono anao rehefa hiala eto amiko ianao.” Dia niala teo aminy ralehilahy, ary nifanena tamin’ny liona+ tokoa, ka matin’ilay liona.+ 37  Ary nahita lehilahy hafa indray izy, ka nanao hoe: “Asio aho, azafady.” Koa namely azy ilay lehilahy ka nandratra azy. 38  Dia lasa ilay mpaminany ka nijanona teo amoron-dalana mba hiandry ny mpanjaka. Ary nataony izay tsy hahafantarana azy+ ka nasiany fehy lamba teo ambony masony. 39  Rehefa nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina mafy taminy izy hoe:+ “Nankany afovoan’ny ady ny mpanomponao, ary nisy lehilahy niala teny amin’ny laharany ka nitondra lehilahy iray teo amiko sady nanao hoe: ‘Ambeno ity lehilahy ity. Fa raha sanatria lasa izy, dia ny ainao+ no hasolo ny ainy,+ na hanome volafotsy milanja talenta iray ianao.’+ 40  Kanjo nony nanao zavatra tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy.” Koa hoy ny mpanjakan’ny Israely: “Dia izay izany ny didim-pitsarana sahaza anao. Ianao ihany no nitsara ny tenanao.”+ 41  Dia nesoriny haingana ilay fehy lamba teo ambony masony, ka fantatry ny mpanjakan’ny Israely fa anisan’ny mpaminany+ izy. 42  Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Satria navelanao handeha ilay lehilahy efa natokako haringana,+ na dia efa teo am-pelatananao aza, dia ny ainao no hasolo ny ainy,+ ary ny olonao no hasolo ny olony.’”+ 43  Ary nanohy ny diany ny mpanjakan’ny Israely ka nody tany an-tranony, sady sosotra no kivy.+ Dia tonga tany Samaria izy.+

Fanamarihana

Heb.: “Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany!”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.