1 Mpanjaka 21:1-29

21  Ary izao no nitranga taorian’izany: Nanana tanimboaloboka iray tao Jezirela+ i Nabota Jezirelita, teo akaikin’ny lapan’i Ahaba mpanjakan’i Samaria.  Koa hoy i Ahaba tamin’i Nabota: “Omeo+ ahy ny tanimboalobokao+ mba hataoko zaridaina+ fambolena legioma,+ fa akaikin’ny tranoko ilay izy. Dia homeko tanimboaloboka tsara noho io ianao ho takalony, na homeko vola ianao ho vidiny, raha mety aminao.”+  Fa hoy i Nabota tamin’i Ahaba: “Sanatria+ ahy ny hanome anao ny lova avy amin’ny razako,+ satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah+ izany!”  Koa niditra tao an-tranony i Ahaba, sady sosotra no kivy noho ilay tenin’i Nabota Jezirelita taminy hoe: “Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.” Dia nandry teo am-pandrianany izy, ary nitodi-damosina,+ sady tsy nihinan-kanina.  Ary nankao aminy i Jezebela+ vadiny tamin’ny farany, ka nanao hoe: “Fa maninona ianao no malahelo+ sy tsy mihinan-kanina?”  Dia hoy i Ahaba: “Satria nilaza tamin’i Nabota Jezirelita aho hoe: ‘Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko, na raha tianao, dia homeko tanimboaloboka hafa ianao ho takalony’, nefa hoy izy: ‘Tsy homeko anao ny tanimboaloboko.’”+  Dia hoy i Jezebela vadiny: “Tsy ianao angaha moa no mpanjakan’ny Israely?+ Mitsangàna, mihinàna hanina, ary aoka ho falifaly ny fonao. Izaho no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabota Jezirelita.”+  Koa nanoratra taratasy+ tamin’ny anaran’i Ahaba i Jezebela, ary nasiany tombo-kasen’ny+ mpanjaka izany, ka nalefany tany amin’ny anti-panahy+ sy ny olona ambony izay niara-nonina tamin’i Nabota tao an-tanànany.  Izao no nosoratany tao:+ “Manaova antso avo hoe hisy fifadian-kanina, ary asaivo mipetraka eo alohan’ny olona i Nabota. 10  Makà lehilahy roa+ tsy manjary,+ ka asaivo mipetraka eo anoloany ireo hiampanga azy+ hoe: ‘Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao!’+ Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.”+ 11  Koa izay nampanaovin’i Jezebela azy no nataon’ireo lehilahy tao an-tanànan’i Nabota, dia ny anti-panahy sy ny olona ambony izay nonina tao an-tanànany. Araka izay voasoratra tao amin’ny taratasy nalefan’i Jezebela tany amin’izy ireo no nataony.+ 12  Ary nanao antso avo izy ireo hoe hisy fifadian-kanina,+ ary nasainy nipetraka teo alohan’ny olona i Nabota. 13  Dia nisy roa lahy niditra ka nipetraka teo anoloan’i Nabota, ary olona tsy manjary izy roa lahy ireo. Ary niampanga an’i Nabota teo anatrehan’ny olona izy roa lahy hoe: “Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota!”+ Avy eo, dia nentin’ny olona nivoaka teny an-tsisin-tanàna izy, ary notorahany vato ka maty.+ 14  Dia nandefa iraka tany amin’i Jezebela izy ireo, nanao hoe: “Efa notoraham-bato i Nabota ka maty.”+ 15  Raha vao ren’i Jezebela fa notoraham-bato i Nabota ka maty, dia niteny avy hatrany tamin’i Ahaba izy hoe: “Mitsangàna, ka alaivo ho fanananao ny tanimboalobok’i Nabota Jezirelita,+ izay tsy nomeny hovidinao. Efa maty mantsy i Nabota, fa tsy velona intsony.” 16  Raha vao ren’i Ahaba fa maty i Nabota, dia nitsangana avy hatrany izy ka nidina tany amin’ny tanimboalobok’i Nabota Jezirelita, mba haka izany ho fananany.+ 17  Ary tonga tamin’i Elia+ Tisbita ny tenin’i Jehovah+ hoe: 18  “Mitsangàna, ka midìna hihaona amin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, izay ao Samaria.+ Any amin’ny tanimboalobok’i Nabota izy izao. Nidina any izy mba haka izany ho fananany. 19  Koa lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Sady namono+ olona ve ianao no naka fananan’olona?”’+ Lazao aminy koa hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao, eny, ny ranao io mihitsy.”’”+ 20  Ary hoy i Ahaba tamin’i Elia: “Hitanao ihany angaha aho, ry ilay fahavaloko?”+ Dia hoy i Elia: “Hitako tokoa ianao. ‘Noho ianao tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah,+ 21  dia hahatonga loza aminao aho+ ka hofongorako tanteraka ny taranakao,+ ary haringako ny lahy rehetra+ anisan’ny ankohonanao, mbamin’izay tsy misy mpiaro sy tsy misy ilana azy eo amin’ny Israely. 22  Ary hataoko sahala amin’ny ankohonan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata ny ankohonanao, eny, hataoko sahala amin’ny ankohonan’i Basa+ zanak’i Ahia, noho ny nanaovanao izay hampahatezitra ahy sady nampanotanao ny Israely.’+ 23  Izao kosa no nolazain’i Jehovah momba an’i Jezebela: ‘Ny alika mihitsy no hihinana an’i Jezebela ao amin’ilay sombin-tany eto Jezirela.+ 24  Izay ankohonan’i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin’ny voro-manidina.+ 25  Tsy nisy mihitsy olona sahala amin’i Ahaba,+ izay tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah noho ny fampirisihan’i+ Jezebela+ vadiny. 26  Ary nanao zavatra tena nahatsiravina i Ahaba, tamin’izy nanaraka ny sampy maharikoriko,+ tsy nisy hafa tamin’ny nataon’ny Amorita, izay noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely.’”+ 27  Raha vao ren’i Ahaba izany, dia nandrovitra ny akanjony izy, ka nitafy lamba gony+ nataony nanolo-koditra. Dia nifady hanina izy sady nandry nitafy gony teo foana. Ary ny famindrany dia nahitana fa kivy tanteraka izy.+ 28  Koa tonga tamin’i Elia Tisbita ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: 29  “Hitanao ve ny fanetren-tenan’i Ahaba teo anatrehako?+ Nanetry tena izy noho ny amiko, ka tsy hataoko tonga amin’izao androny izao ilay loza.+ Amin’ny andron’ny zanany kosa vao hataoko tonga amin’ny ankohonany izany.”+

Fanamarihana