1 Mpanjaka 22:1-53

22  Tsy nisy ady teo amin’ny Syrianina sy ny Israely nandritra ny telo taona.  Tamin’ny taona fahatelo, dia nidina tany amin’ny mpanjakan’ny Israely i Josafata+ mpanjakan’ny Joda.  Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’ny mpanompony: “Mba fantatrareo moa fa antsika i Ramota-gileada?+ Koa nahoana isika no misalasala ny haka azy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Syria?”  Hoy koa izy tamin’i Josafata: “Hiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?”+ Dia hoy i Josafata: “Iray ihany izaho sy ianao, ary vahoakanao ihany ny vahoakako,+ ary ny soavaliko dia soavalinao.”  Hoy anefa izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: “Mba anontanio+ ihany aloha izay tenin’i Jehovah, azafady.”  Koa novorin’ny+ mpanjakan’ny Israely ny mpaminany efajato lahy teo ho eo, ka hoy izy tamin’ireo: “Handeha hanafika an’i Ramota-gileada ve aho, sa tsy handeha?” Dia hoy ireo: “Miakara+ fa hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny mpanjaka ilay tanàna.”  Fa hoy i Josafata: “Tsy mbola misy mpaminanin’i Jehovah moa eto? Aleo izy no asaintsika manontany.”+  Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mbola misy lehilahy iray any azo asaina manontany an’i Jehovah.+ Tena halako anefa izy+ satria tsy mba maminany zava-tsoa momba ahy, fa zava-dratsy.+ I Mikaia zanak’i Jimla izany.” Fa hoy i Josafata: “Aza dia miteny toy izany, ry mpanjaka ô!”+  Koa niantso tandapa+ iray ny mpanjakan’ny Israely, ka nanao hoe: “Alaivo haingana i Mikaia zanak’i Jimla.”+ 10  Ary samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany sady samy nanao akanjom-boninahitra+ ny mpanjakan’ny Israely sy Josafata mpanjakan’ny Joda, teo amin’ilay famoloana teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Samaria. Ary nanao toy ny fanaon’ny mpaminany teo anatrehan’izy roa lahy ny mpaminany rehetra.+ 11  Dia nanamboatra tandroka vy i Zedekia zanak’i Kenana, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah:+ ‘Amin’ireto no hanotoanao ny Syrianina mandra-pandringanao azy tanteraka.’”+ 12  Naminany toy izany koa ny mpaminany hafa rehetra hoe: “Miakara any Ramota-gileada, ka mahazoa fandresena, fa hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny mpanjaka tokoa ilay tanàna.”+ 13  Ary niteny tamin’i Mikaia ilay iraka nandeha niantso azy, ka nanao hoe: “Iray teny daholo ireo mpaminany ka samy nilaza zava-tsoa tamin’ny mpanjaka. Koa aoka re mba ho toy ny tenin’izy ireo koa ny teninao, azafady, ka mba milazà zava-tsoa e!”+ 14  Fa hoy i Mikaia: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia izay holazain’i Jehovah amiko ihany no hambarako.”+ 15  Dia nankao amin’ny mpanjaka izy, ary hoy ny mpanjaka taminy: “Handeha hiady amin’i Ramota-gileada ve izahay, ry Mikaia, sa tsy handeha?” Avy hatrany dia hoy i Mikaia: “Miakara, ary mahazoa fandresena, fa hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny mpanjaka tokoa ilay tanàna.”+ 16  Dia hoy ny mpanjaka: “Impiry aho no hampianiana anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ny anaran’i Jehovah afa-tsy ny marina ihany?”+ 17  Dia hoy i Mikaia: “Ireny fa hitako miparitaka+ eny an-tendrombohitra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry,+ ny Israelita rehetra. Ary hoy i Jehovah: ‘Tsy manan-tompo ireo. Aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony.’”+ 18  Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Tsy efa nilaza taminao moa aho hoe: ‘Tsy haminany zava-tsoa momba ahy izy, fa zava-dratsy ihany’?”+ 19  Ary hoy i Mikaia: “Henoy àry ny tenin’i Jehovah:+ Hitako i Jehovah mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany,+ ary ny tafiky ny lanitra manontolo mitsangana eo akaikiny, eo ankavanany sy eo ankaviany.+ 20  Dia hoy i Jehovah: ‘Iza no hamitaka an’i Ahaba mba hiakarany any Ramota-gileada ka hahalavo azy any?’ Ary niteny toy izao ny anankiray, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.+ 21  Farany, dia nisy fanahy*+ iray niroso ka nitsangana teo anatrehan’i Jehovah, ary nanao hoe: ‘Izaho no hamitaka azy.’ Ary hoy i Jehovah taminy: ‘Amin’ny fomba ahoana?’+ 22  Dia hoy izy: ‘Handeha aho ka ho tonga fanahy mamitaka ao am-bavan’ny mpaminaniny rehetra.’+ Ary hoy Andriamanitra: ‘Ho voafitakao izy, ary hahomby+ tokoa ianao amin’izany. Mandehana àry, ka ataovy izany.’+ 23  Koa nasian’i Jehovah fanahy mamitaka tao am-bavan’ireto mpaminaninao rehetra ireto.+ Nilaza anefa i Jehovah fa loza no hanjo anao.”+ 24  Ary nanatona i Zedekia zanak’i Kenana, ka namely tehamaina+ an’i Mikaia, sady nanao hoe: “Taiza ny lalana nivoahan’ny fanahin’i Jehovah tamiko mba hiteny tamin’ialahy?”+ 25  Dia hoy i Mikaia: “Ho hitanao ny lalany amin’ny andro hidiranao ao amin’ny efitra anatiny indrindra+ mba hiafina ao.”+ 26  Koa hoy ny mpanjakan’ny Israely: “Ento i Mikaia, ka avereno any amin’i Amona lehiben’ny tanàna sy Joasy zanaky ny mpanjaka.+ 27  Dia ilazao izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’ny mpanjaka:+ “Ampidiro am-ponja+ ilehio, ka ataovy kely ny anjara mofo+ sy rano omena azy mandra-piveriko soa aman-tsara.”’”+ 28  Ary hoy i Mikaia: “Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy i Jehovah no niteny tamiko.”+ Ary hoy koa izy: “Renareo rehetra izany, rey olona!”+ 29  Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ny Israely, sy Josafata mpanjakan’ny Joda.+ 30  Ary hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mody hanao olon-kafa aho ka hirotsaka ao amin’ny ady,+ fa ianao kosa anaovy ny akanjom-boninahitrao.”+ Koa mody nanao olon-kafa+ tokoa ny mpanjakan’ny Israely, ka nirotsaka tao amin’ny ady.+ 31  Ny mpanjakan’i Syria anefa efa nandidy azy roa amby telopolo lahy, lehiben’ny+ kalesiny, hoe: “Aza miady amin’ny kely na amin’ny lehibe, fa amin’ny mpanjakan’ny Israely ihany.”+ 32  Raha vao hitan’ireo lehiben’ny kalesy i Josafata, dia hoy izy ireo anakampo: “Io mihitsy no mpanjakan’ny Israely.”+ Koa nivily izy ireo mba hiady taminy. Dia niantso vonjy i Josafata.+ 33  Ary raha vao hitan’ireo lehiben’ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’ny Israely izy, dia niverina avy hatrany ireo ka tsy nanaraka azy intsony.+ 34  Ary nisy lehilahy nandefalefa zana-tsipìka anjoanjo fotsiny, ka voany teo anelanelan’ny tapany samy hafa amin’ilay akanjo mifono vy ny mpanjakan’ny Israely. Koa hoy ny mpanjaka tamin’ny mpitondra kalesiny:+ “Avilio ny kalesy, ka ento miala eto aho, fa maratra mafy.” 35  Nihamafy ny ady tamin’izay fotoana izay, ary voatery notohanana tao amin’ny kalesiny ny mpanjaka, mba ho afaka hitsangana foana hiatrika ny Syrianina. Dia maty+ izy rehefa harivariva. Ary tsy nety nijanona ny ra avy tamin’ny ratrany, ka niraraka tao amin’ilay kalesin’ady.+ 36  Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia nalefa eran’ny toby izao antsoantso mafy izao: “Samia mody any an-tanànany, ary samia mody any amin’ny taniny!”+ 37  Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria,+ ary nalevina tany. 38  Ary nosasana teo akaikin’ny dobon’i Samaria ilay kalesin’ady, dia nolelafin’ny alika ny ran’i Ahaba,+ araka ny tenin’i Jehovah.+ Ary nisy mpivaro-tena nandro teo. 39  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaba, mbamin’izay rehetra nataony, sy ny trano ivoara+ natsangany ary ny tanàna rehetra naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 40  Dia nodimandry any amin’ny razany+ i Ahaba, ary i Ahazia+ zanany no nanjaka nandimby azy. 41  Ary i Josafata+ zanak’i Asa no lasa mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ahaba mpanjakan’ny Israely. 42  Dimy amby telopolo taona i Josafata, tamin’izy nanomboka nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanak’i Sily. 43  Nanao hoatran’izay rehetra nataon’i Asa rainy foana izy, ka tsy niala tamin’izany, fa nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah.+ Mbola nisy ihany anefa ny toerana avo. Mbola nanao sorona ihany ny olona, sady nanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo.+ 44  Ary tsara fihavanana tamin’ny mpanjakan’ny Israely foana i Josafata.+ 45  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Josafata, mbamin’ny hery nentiny nanao zavatra ary ny ady nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 46  Nofoanany tsy hisy teo amin’ilay tany ny sisa tamin’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly,+ izay mbola tavela tamin’ny andron’i Asa rainy.+ 47  Tsy nisy mpanjaka tany Edoma,+ fa lehibem-paritra no nanjaka.+ 48  Ary nanao sambon’i Tarsisy+ i Josafata, mba handehanana haka volamena tany Ofira. Tsy lasa tany anefa ireo, satria rendrika tao Eziona-gebera.+ 49  Tamin’izay i Ahazia zanak’i Ahaba no niteny tamin’i Josafata hoe: “Aoka ny mpanompoko mba handeha amin’ireo sambonao, miaraka amin’ny mpanomponao.” Tsy nety anefa i Josafata.+ 50  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany+ i Josafata, ka nalevina any amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida+ razambeny. Ary i Jorama+ zanany no nanjaka nandimby azy. 51  Ary i Ahazia+ zanak’i Ahaba no lasa mpanjakan’ny Israely tao Samaria, tamin’ny taona fahafito ambin’ny folo nanjakan’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy. 52  Ary nanao izay ratsy+ teo imason’i Jehovah foana izy, sady nanao hoatran’ny rainy+ sy ny reniny,+ ary nanao hoatran’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanota ny Israely.+ 53  Nanompo an’i Bala+ foana izy, sady niankohoka teo anatrehany ary nampahatezitra+ an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely foana, tahaka izay rehetra efa nataon-drainy.

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.