Mpanjaka Voalohany 3:1-28

  • Nalain’i Solomona ho vady ny zanakavavin’i Farao (1-3)

  • Niseho tamin’i Solomona tao amin’ny nofy i Jehovah (4-15)

    • Nangataka fahendrena i Solomona (7-9)

  • Nitsara renim-pianakaviana roa i Solomona (16-28)

3  Nanao fifanarahana tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta i Solomona, ka nalainy ho vady ny zanakavavin’i Farao.+ Dia nentiny tao amin’ny Tanànan’i Davida+ ilay vehivavy, mandra-pahavitany ny tranony+ sy ny tranon’i Jehovah+ ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.+ 2  Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo+ ihany anefa ny olona, satria mbola tsy nisy trano naorina ho an’ny anaran’i Jehovah tamin’izany fotoana izany.+ 3  Tia an’i Jehovah i Solomona, ka nanaraka ny lalàna nampitain’i Davida rainy. Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo anefa izy, sady nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny.+ 4  Nankany Gibeona ny mpanjaka mba hanao sorona, satria io no toerana avo nalaza indrindra.*+ Nanolotra sorona dorana 1 000 teo ambonin’ilay alitara tany i Solomona.+ 5  Tamin’i Solomona tao Gibeona, dia niseho taminy tao amin’ny nofy i Jehovah indray alina. Hoy Andriamanitra taminy: “Angataho izay tianao homeko anao.”+ 6  Dia hoy i Solomona: “Nasehonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe tena tia azy sy tsy nivadika taminy ianao, noho izy tsy nivadika sy nanao ny marina ary nanompo anao tamin’ny fo madio. Ary mbola nasehonao taminy hatramin’izao izany fitiavana lehibe sy tsy fivadihanao izany, ka nomenao zanakalahy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy.+ 7  Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, efa nataonao mpanjaka handimby an’i Davida raiko izaho mpanomponao, nefa izaho mbola kely* sady mbola tsy dia nahita fiainana.*+ 8  Ary ny mpanomponao no mitondra ny vahoaka nofidinao,+ dia olona maro be tsy voaisa sady tsy tambo isaina. 9  Mba omeo fo mankatò àry izaho mpanomponao mba hitsarako ny vahoakanao,+ sy hahaizako hanavaka ny tsara sy ny ratsy.+ Fa iza moa no mahay mitsara an’ireo vahoakanao be dia be* ireo?” 10  Faly i Jehovah hoe izany no nangatahin’i Solomona.+ 11  Hoy àry Andriamanitra taminy: “Satria izany no nangatahinao, ary tsy nangataka ny ho ela velona* ianao na ny hahazo harena na ny hahafatesan’ny fahavalonao, fa nangataka fahendrena hoenti-mitsara,+ 12  dia hotanterahiko izany fangatahanao izany.+ Homeko fo hendry sy fahaiza-misaina ianao,+ ka tsy nisy hoatr’anao mihitsy tany alohanao ary tsy hisy hoatr’anao intsony koa.+ 13  Homeko anao koa izay tsy nangatahinao,+ dia harena sy voninahitra,+ ka tsy hisy mpanjaka hitovy aminao mandritra ny androm-piainanao.*+ 14  Ary raha mandeha amin’ny lalako ianao ka mitandrina ny fitsipiko sy ny didiko toy ny nataon’i Davida rainao,+ dia hataoko ela velona.”*+ 15  Rehefa nifoha i Solomona, dia fantany fa nofy ilay izy. Dia nankany Jerosalema izy, ka nijoro teo anoloan’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Nanolotra sorona dorana sy fanatitra iombonana+ izy, ary nanao fanasambe ho an’ny mpanompony rehetra. 16  Taorian’izay, dia nisy mpivaro-tena anankiroa nankao amin’ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany. 17  Hoy ilay vehivavy voalohany: “Azafady kely, tompoko: Iray trano izaho sy ity vehivavy ity, ary tao an-trano izy tamin’izaho niteraka. 18  Telo andro taorian’ny niterahako, dia teraka koa ity vehivavy ity. Ary izahay roa vavy ihany no tao an-trano, fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay tao. 19  Ary maty tamin’ny alina ny zanakalahin’ity vehivavy ity, satria voatsindriny. 20  Dia niarina izy rehefa nisasaka ny alina, dia nalainy ny zanako lahy teo akaikiko raha mbola natory ny mpanompovavinao. Ary nampatoriny teo an-tratrany ilay zaza, fa ny zanany maty kosa nataony teo an-tratrako. 21  Rehefa nifoha hampinono an’ilay zanako aho ny maraina, dia hitako fa efa maty izy. Dia nodinihiko tsara ilay zaza, hay tsy ilay zanako naterako ilay izy.” 22  Fa hoy ilay vehivavy anankiray: “Tsy marina izany! Ilay velona no zanako, fa ilay maty no zanakao!” Fa hoy kosa ilay voalohany: “Tsy izany mihitsy! Ilay maty no zanakao, fa ilay velona no zanako.” Ary nifamaly toy izany teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo. 23  Farany, dia hoy ny mpanjaka: “Ny iray milaza hoe: ‘Ilay velona no zanako, fa ilay maty no zanakao!’ Ny iray indray miteny hoe: ‘Tsy marina izany! Ilay maty no zanakao, fa ilay velona no zanako!’” 24  Ary hoy ny mpanjaka: “Itondray sabatra aho!” Dia nitondrana sabatra ny mpanjaka. 25  Hoy ny mpanjaka avy eo: “Zarao roa ilay zaza velona, dia ny antsasany omeo an’ilay vehivavy iray, ary ny antsasany ho an’ilay iray!” 26  Nangoraka an-janany anefa ny renin’ilay zaza velona, ka avy hatrany dia niangavy an’ilay mpanjaka hoe: “Azafady, tompoko! Omeo azy ny zaza velona, fa aza vonoina!” Fa hoy kosa ilay vehivavy iray: “Sady tsy ho ahy izy no tsy ho anao! Avelao izy hozarainy roa!” 27  Dia niteny ny mpanjaka hoe: “Omeo an’ilay vehivavy voalohany ny zaza velona! Aza vonoina izy fa io no reniny.” 28  Henon’ny Israely rehetra àry ilay didim-pitsarana navoakan’ny mpanjaka, ka natahotra azy izy ireo.+ Hitan’izy ireo mantsy fa nomen’Andriamanitra fahendrena izy mba hahay hampihatra ny rariny.+

Fanamarihana

Abt: “lehibe.”
Na: “zaza.”
Abt: “tsy mahay mivoaka sy miditra.”
Na mety hoe “sarotra entina.” Abt: “mavesatra.”
Abt: “andro maro.”
Abt: “andronao rehetra.”
Abt: “hohalavaiko ny andronao.”